Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Desambra, 2018
Bolivia: Toby Miaramila Any Amin'ny Sisintany Ary Fifandirana Anaty
Resahina eny anivon'ireo blaogy miresaka politika avy any Però sy Shily ny fifanarahana teo amin'i Bolivia sy Venezoela ny hanao fotodrafitrasa ara-tafika eo amin'ny sisintany iraisan'i Paragoay, Shily, Però ary i Brezila.
Ejipta: Nidal Hassan – Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?
Mpitsabo aretin-tsaina ao amin'ny tafika Amerikana izay teratany Arabo ny Major Nidal Hassan izay nanao ilay fitifirana faobe tao Fort Hood tao Texas, namonoany miaramila 12 ary olontsotra iray. Miatrika fiampangana mikasika vonoolona nokasaina izy ankehitriny. ''Mpitsabo Aretin-tsaina sa Marary Saina?'', hoy ireo blaogera Ejiptiana manontany.
Meksika: Nantenaina Hanova Zavatra ilay Ezaka Fandarohana Baomba
Na dia tsy nahatratra ny tanjony tao amin'ny Tanànan'i Meksika aza ilay daroka baomba, maro ireo bilaogera maminavina fiovàna. Misy ireo mihevitra fa hiova ireo lalàna, hamela ny fikarohana tsy misy didy sy ny fangiazana tsy ara-dalàna, ao kosa ireo mihevitra fa tsy ho azo antoka intsony ny fandehanana an-dàlambe
Miverina Ao Timor Atsinanana Ny Herisetra
Nipoaka tao Timor Atsinanana indray ny herisetra raha toa ka niezaka ny hisambotra ilay mpitarika mpikomy, Alfredo Reinado, ny mpitandro filaminana iraisam-pirenena.
Manampahefana Syriana telo karohin'i Lafrantsa noho ny fahafatesan'ny Frantsay-Syriana miisa roa
Anaovana fitadiavana ny manampahefana miisa telo noho ny fihazonana sy izay mety ho fampanjavonana an-katerena Fantsay-Syriana miisa roa, Mazen Dabbagh sy i Patrick zananilahy.
Serbia: Fihetsik'ireo Blaogera Afrikana Manoloana Ny Nisamborana An'i Karadžić
Taorian'ireo vaovao nilatsaka tamin'ny Alatsinainy hariva hoe voasambotra ilay mpitondra Bosnian Serb teo aloha sady iray tamin'ireo olona tena nokarohina fatratra erantany Radovan Karadžić , dia nanomboka naneho hevitra mikasika ilay tantara avokoa ireo blaogera ankon'ny fahagagana tao Balkans sy ireo rehetra erantany. Ary noho ny fangatahan'ny Lehiben'ny Mpampanoa Lalàna Iraisam-pirenena (ICC), Luis Moreno-Ocampo hanenjika ny Filoha Sodaney Omar al-Bashir, niroso tamin'ny fampitahana an'ireo raharaha roa ireo ny blaogera sasantsasany.
Kroasia: Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Fisamborana An'i Karadžić
Na dia tsy nijaly be loatra noho ireo Bosniaka teo an-tanan'i Radovan Karadžić aza, mizarazara be ny hevitr'ireo Kroaty, na dia afa-po aza tamin'ny fisamborana azy ny ankamaroany ary niandry amim-paharetana ny andro izay hitsaràna azy. Ireto hevitra vitsivitsy avy amin'ny tontolombolongana Kroat
Ny Herinandron-tahotr'i Myanmar
Te hampatsiahy ny olona i Moe Moe fa herinandro lehibe eo amin'ny tantaran'i Myanmar ity herinandro ity.
Yemen: I Gaza sy Ny Renibeko ary ny Labozia
Miresaka momba ny nampianaran'ny renibeny tia karokaroka azy ireo ny lanjan'ny labozia tanatin'ny fotoana tena nilàn-dry zareo azy i Maysaa Shuja. I Allah anie hampandry am-piadanana ny fanahin'ny renibeny.
‘Fandokoana ambonin'ny Fahafatesana': Ny Iraka Tanterahin'ny Mpanakanto Syriana iray Natao Fahirano tany Douma
"Hanangana hazo Noely avy amin'ny tafondro sy baombanareo izahay, ary handrehitra izany ho an'ny fandriampahalemana anatin'ny Ghouta anay maratra."