Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2020
Hiadiana amin'ny COVID-19 ao Myanmar, antso iray hampitsaharana ny ady sy ny fanapahana aterineto ao amin'ny faritra Arakan
"Mandritra ilay valanaretina erantany, ilaintsika ny mampitsahatra ny ady sy ny fanapahana aterineto mba hiadiana amin'ny COVID-19 ao Rakhine."
Lahatsary vaovao ahitàna taratra ny anton'ireo fanafihana any avaratr'i Môzambika
Noraketina an-tsary avy tao amin'ny vohitr'i Ntchinga, asehon'ilay lahatsary ireo mpanafika milanja ny sainan'ny fanjakana islamika ary ny mpitarika iray miresaka amin'ny mponina ao an-toerana amin'ny fiteny Kimwan sy Kiswahili, mitangorona toy ny manatrika famoriana vahoaka.
Na an-tsesitany aza, mbola mitoetra anatin'ny pôlitika bôliviàna ny dindon'i Evo Morales
Morales no tondroina ho atidoha ao ambadiky ny fanendrena an'i Luis Arce, ilay minisitry ny toekarena teo aloha, ho solontenan'ny MAS amin'ny fifidianana izay ho filohampirenena ho atao tsy hoe ela.
Siria : Fifankatiavana anaty fotoanan'ny famoretana
"Na aiza na aiza aho no mitopy, anaty herisetra, ny rà na ny fahafatesana ao Siria, dia tafalatsaka foana aminà tantaram-pitiavana adaladala, feno fahasahiana toy ny raozy iray manao di-doha mitsiry na eo aza ireo ahidratsy sy ny tsilo miezaka mangeja azy" hoy ilay vehivavy siriàna mpanoratra bilaogy, Marcell Shehwaro.