Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Desambra, 2019
Filipina: Mahatsiaro ny vono olona tany Maguindanao
Iray volana mahery izay no lasa, tamin'ny 23 Novambra 2009, nisian'ny famonoana nataon'ny tafika manokana an-dry Ampatuans, mpitarika ady niara-dia tamin'ny Filoham-pirenena Filipiana Gloria-Macapagal Arroyo, ireo lehilahy sy vehivavy maherin'ny 60, saingy efa tafiditra amin'ny eritreritra iombonan'ny vahoaka Filipiana ity hetsika mahatsiravina ity.
‘Te hiaina izahay': an-tapitrisany ireo Siriana ampijalian'ny hanoanana sy ny hetaheta ao Yarmouk natao fahirano
Nampiantrano Palestiniana mpitsoaponenana 160.000 ny tobin'i Yarmouk taloha. Ankehitriny, 18.000 sisa no mipetraka ao amin'ilay toby natao fahirano. Tapaka ny rano, mahavery fanantenana ny toedraharaha iainan'izy ireo.
Mampiasa ny Fanjakana Islamika mba hiresahana mikasika an'i Okraina Atsinanana ny fandrangitana sasany ao amin'ny Aterineto

Ho an'ny sasany, avy amin'ireo mpikatroka pro-Kiev izay maniry ny handoto ireo Okrainiana mpikomy ireo lahatsary sy sary feno mistery ireo. Raha tsy hoe ny mifanohitra amin'izany angaha?
Firenena vaovao ao Pasifika? Nifidy ny fahaleovantena miala amin'i Papoà Ginea Vaovao i Bougainville
"Omaly ny raiko nandatsaka ny vatony tamin'ny referandaoma #Bougainville. Namoy rahalahy 2 aho nandritra ny krizy, ary tahaka ireo hafa tsy tambo isaina, mieritreritra ny lova fototry ny ady isan'andro. Enga anie isika hanana fiadanana maharitra."
Zazavavy 11 taona nanomboka fanangonantsonia fitakiana ny fialàn'ny filoha meksikàna
Zazavavy meksikàna iray, 11 taona, nanapaka hevitra ny hanao fanangonantsonia hitakiana ny fametraham-pialàn'ny filoham-pireneny, Enrique Peña Nieto, noho izy tsy niraharaha ny fanjavonan'ireo 43 mpiofana ho mpampianatra .