Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jona, 2013
Raha Nipoahana Baomba i Kabul, Nanangana Birao Kosa Ny Taliban Tao Doha
Nampisahotaka ny Faritra Andrefan'ny tanànan'i Kabul, Afganistana ilay fipoahana baomba ny 18 Jona teo, izay nahafatesàna olona telo farafahakeliny ary naharatràna olona mihoatran'ny roampolo. Izany dia nitranga taorian'ilay fikaonan-doha iraisam-pirenena (ISAF) izay nanaovan'ny miaramila famindram-pahefàna ofisialy tamin'ireo Hery fiarovana avy any amin'ny distrika Atsinanana sy Avaratra ambiny amin'ireo Hery fiarovana...
Miditra Amin'Ilay Korontana Ao Tiorkia i Rosia
Raha toa ka mbola mitohy ny hetsi-panoherana ao Tiorkia, mampifandray izany hetsika ao Tiorkia izany amin'ny hetsi-panoherany sy ireo mpitondra politika roa ny Rosiana.
Baloch Mpitaky Fizakantena Nanototra Baomba Ny Tranobe Manan-Tantaran'Ilay Mpanorina An'i Pakistan
Baomba maro mitandahatra napetrak'ireo mpihoko nasionalista tany amin'ny faritra Atsimo andrefan'i Pakistana no nandrava tanteraka ilay tranoben' ny taonjato faha 19 izay an'i Mohammad Ali Jinnah, ilay mpanorina ny firenena .
#BarHeaven Sy Ny Olana Mikasika Ireo Olona Tsy Hita Popoka Tao Meksiko
Nanao fanambaràna ampahi-bemaso mikasika ny fanjavonan'ireo olona 26.121 ny biraon'ny LEhiben'ny Fampanoavana ao Meksika. Anarana raika ambiny folo izany izao no hamenoana ny lisitra taorian'ny fanjavonan'izy ireo tao amin'ilay trano fisotroana "Heaven" tao an-tananàn'i Meksiko.
Hetsika Ho Fahatsiarovana ny Kapiteny Mbaye Diagne, Maherifo Senegaley ao Rwanda
Mbola mitohy manerana izao tontolo izao ny fotoam-pahatsiarovana ofisialin'ny lasibatry ny fandrimpaham-bahoaka tao Rwanda tamin'ny 1994. Saingy ankavitsiana ny mbola mahatadidy ny Kapiteny Mbaye Diagne. Nefa dia nampiseho herimpo tokoa io tanora manamboninahitry ny tafika senegaley io nandritra ny fotoana be fieboeboana fotsiny ny ambiny manerana izao tontolo izao. Efa...
Resadresaka Tamin'i Anne, Iray Amin'ireo Mpandray Anjara Amin'ny Vaovao An-dahatsary “Manao ahoana any Bamako?”
Amperin'ady any Mali i Frantsa. Nanapa-kevitra ny handefa amin'ny YouTube vaovao an-dahatsary iray mikasika ireo resadresany tamin'ny Skype i Anne Morin any Parisy sy ilay vehivavy namany Awa Traoré any Bamako. Te hahazo ireo vaovao mikasika ny faritra sy ireo namany i Anne. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'i Anna Gueye, niresaka...
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...