· Avrily, 2018

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Avrily, 2018

Nepal: Fandriampahalemana Anatin'ny Limby

  30 Avrily 2018

Tokony nifanatrika noho ny fihaonany an-tampony ny firaisan'ny antoko fito sy ny Maoista tamin'ny volana Septambra, saingy tsy tanteraka izany. Nangataka fotoana fanampiny ny Praiminisitra Girija Koirala. Ankehitriny, tokony amin'ny 08 Ôktôbra no hanaovana ilay adihevitra entina handraisana fanapahankevitra.

Fijoroana Kiorda: Fanavaozam-baovao telo herinandro

Ao anatin'izao vanim-potoana "iadiana amin'ny fampihorohoroana" izao, niseho imbetsaka tamin'ny efijerin'ny fahitalavitra ny voambolana fampihorohoroana. Imbetsaka ny hetsika "fampihorohoroana" no entina iadiana amin'ny "fampihorohoroana". Matetika ny governemanta no mivadika ho andrimpanjakana tsirefesimandidy sy mpamoritra, rehefa hiady amin'ny fampihorohoroana.

Filipina: Ilay Jeneraly Miaramila Miteraka Adihevitra Be Indrindra

  27 Avrily 2018

''Mpamono mitohy mitafy fanamiana i Palparan. Raha toa ka manao sarisary momba ny fiasan'ny atidohany sy ny maha-izy azy ary ny 'izy' aminy ireo mpitsabo ny marary saina dia mety ho hitan'izy ireo fa tsy hafa amin'ny fironan'i Jack Ilay Mpanokatra Kibo sy Hitler izy. Foka tanteraka, mamono am-pitoniana sy am-pangatsiahana.''

Ireo Famonoana Tsy Mandal Fitsaràna ao Filipina

  27 Avrily 2018

Iray amin'ireo fototry ny fitarainana amin'ny fiampiatoana amin'ny asany ny Filoham-pirenena Filipiana, Gloria Macapagal-Arroyo, ny fandrisihany famonoana politika tao amin'ny firenena. Nampangain'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona Ramatoa Arroyo ho anisan'ireo olon-dratsy indrindra mpandika ny zon'olombelona teo amin'ny tantara maoderin'ny firenena