Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jona, 2015
Tondroin'i Koety ho Saodiana ilay Nanapoaka Tena tao amin'ny Moskea Shiita
Fantatr'i Koety ho Saodiana ilay nanapoaka tena ary nosamboriny ny mpamiliny taorian'ny fanafihana mampihorohoro ny moskea shiita iray nahafatesana olona 27 sy naharatrana olona mihoatra ny 200.
28 no Maty tamin'ny Fanafihana ny Tora-Pasika Fialan-Tsasatra Tao Sousse, Tonizia
Farafahakeliny olona 28, izay saika vahiny mpizaha tany no maro, no maty tamin'ny nitifitifiran'ireo lehilahy mitondra basy izay hitany teo amin'ny tora-pasika tao amin'ny tanàna fialan-tsasatra ao Sousse, Tonizia. Ity no fanafihana faharoa tao anatin'ny efa-bolana.
Vakoka Tranainy Siriana Amidy Ao Amin'ny Facebook
Amidy amin'ny fomba tsy ara-dalàna ao amin'ny Facebook sy amidy an-tapitrisany maro any amin'ny varomaizina ireo vakoka fahinin'i Siria norobain'ny ISIS mpanara-maso ny faritra.
Ry Mpiasam-mpanjakana Okrainiana, Isaoran'ny Sampam-pitsikilovana Rosiana ianareo Noho Ny Fiaraha-Miasa !

Nanao vazivazy tamin'ireo tompon'andraikitra Okrainiana izay misera amin'ny mailaka Rosiana mba hanairana azy ireo ny amin'ny loza mety ateraky ny fanaovana tàn-drametaka ny politika fiarovana ny fampitàm-baovao ny vondronà mpanao gazety iray
Manana Hafatra Ho an'ny Boko Haram ity Mpihira Nizeriana ity
Ilay mpihira Nizeriana miteny amin'ny mpikamban'ny Boko Haram sy ireo extremista hafa fa "Pray For You" [Hivavaka ho anao] izy ao amin'ny hira iray amin'ny rakikira navoakany farany indrindra.
Manana Lisitra Mainty an'Internety Ihany Koa ny ‘Repoblika Entim-Bahoakan'i Donetsk’

Misy lalàna vaovao iray ao amin'ny fanjakana mpioko ao atsinanan'i Ukraine nampijoro lisitra maintin'ireo tranonkala ahitana vontoaty "voarara ao amin'ny repoblika" tsinjo ho manao lasibatra ny tranonkalam-pampitam-baovao okrainiana.
Nifindra Toerana Noho Ny Ady ao Myanmar Avaratra, An'arivony Ireo Mbola Monina Ao Anaty Toby Vonjimaika
"Olona antitra marobe sy hafa sasany no mijaly ny ratra ara-tsaina, mahatsiaro tsy manana fanantenana intsony izy ireo. Niakatra ny isan'ireo mpianatra tsy te-hanohy intsony ny fianaran'izy ireo"
Fanarahamaso Ny Fifidianana Antenantenam-Potoana Ao Meksika Miaraka Amin'ny #BreakTheFear

Nandritry ny fifidianana tao Meksika tamin'ny Alahady lasa teo, nanao fanentanana nomeny anarana hoe #RompeElMiedo (#ReseoNyTahotra) ny fikambanana ho an'ny fahalalaham-pitenenana ARTICLE 19 mba hanarahana maso ny fiarovana ireo mpanao gazety sy mpikatroka mpiaro zon'olombelona
Olona Nanjavona 30 Farafahakeliny Namerina ny Herisetra ao Meksika
Tlatlaya, Ayotzinapa, ary ankehitriny Chilapa ... mbola misy olona misalasala ve fa tsy voafehin'ny filoha Peña intsony ny firenena?
Djibouti Ao Anatin'ny Ady Amin'ny “djihadisma”
Tany feno zava-mifanohitra tsy takatry ny saina i Djibouti. Andrin'ny ady atao amin'ny djihadisma any amin'ny faritra misy azy, saingy loharanom-bola avy any ivelany ho azy koa io ady io.