Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Febroary, 2014
Gregorio Jiménez de la Cruz , Mpanao Gazety Iray Maty Tany Meksika
Fasana nafenina no niafaran'ilay mpanao gazety Meksikana Gregorio Jiménez de la Cruz. Mbola tsy tonga any amin'ny fitsarana ireo namono azy.
Lalao Mankany Amin'ny Helo: Manome Lamosina Ny Sochi Ary Mitodika Any Okraina Ny Rosiana
Androany, taorian'ny sarintsarim-pitoniana fohy nisy, niverina ny herisetra teny an-dalamben'i Kiev, niteraka fikisahana henjana tamin'ny asa fanaon'ny RuNet. Indrindra fa maneho endrika ady an-trano ifanaovan'olon-tsotra ny sary azo avy any Okraina.
Venezoela: Mitondra Fanohanana Ireo Fihetsiketsehana Ao An-toerana Ny Venezoliana Ampielezana
Nitondra ny fanohanany ireo fihetsiketsehana ao Venezoela ireo Venezoeliana monina any ivelany tamin'ny alalan'ny fandefasana sary marobe tao amin'ny tambajotra sosialy.
Sodàna: Bilaogera Mbola Voatàna Hatrany Noho Ny Fanakianana Filoham-Pirenena
Nosamborina tao amin'ny velakevitra iray ho an'ny mpanao gazety i Tajeldin Arja tamin'ny Desambra, taorian'ny nanakianany ny filoha Sodane sy Tsadiana noho ny fihetsik'izy ireo manodidina ny fifandonana any Darfur.
Rehefa Tsy Mandray Andraikitra Ny Polisy Dia Miditra An-Tsehatra Ny Olon-Tsotra Tia Mampita Vaovao
Nandray ny raharaha ny olon-tsotra tia mampita vaovao rehefa tsy nanao famotorana tamin'ny famonoana ilay tanora 21 taona antsoina hoe Babaousmail Azzedine ny polisy alzeriana. Mitatitra i Abdou Semmar.
“Velona Aho” Fampiharana Hahafahan'ireo Libaney Hifampatoky Aorian'ny Fipoahana Baomba
Toa tahaka ny efa zatra baomba mihitsy ny Libaney ka hany toa tsy azo ihodivirana ny fampiharana natokana mba ahafantaran'ny olona akaiky anao fa velona ianao.
Mpanao Gazety Menavazana Sri Lankey Maty Nisy Namono Tao An-tranony
Mel Gunasekera no tonian-dahatsoratra namorona ny Lanka Business Online, habaka mpilaza vaovao ara-bola, ary mpanao gazety teo aloha tao amin'ny Sampam-pahalalam-baovao Frantsay Agence France-Presse.
Mampihataka Ireo Vondrom-pivavahana Ho Ivelan'ny Lalàna Ny Mpanjaka Saodiana
Namoaka didi-hitsivolana izay manery sazy an-tranomaizina hoan'ireo Saodiana miady ivelan'ny firenena sy hoan'ireo "mpikambana amin'ny vondrom-pivavahana sy mahery fihetsika" ny mpanjakan'i Arabia Saodita Abdallah. Niteraka fanehoan-kevitra isan-karazany tao amin'ny tambajotra fampahalalam-baovao an'olo-tsotra izany didim-panjakana izany
Ireo Ankizy Mpanakanto Ao Amin'ny Tobim-pialokalofana “Colors from the Zaatari”
Nampiseho ny maha-mpanakanto azy ireo ankizy Syriana ao amin'ny tobim-pialokalofana any Zaatari any amin'ny sisin-tany iraisan'i Syria sy Jordania, hoy ny Syria Untold.