Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Jolay, 2022
Sri Lanka: Ny fivoaran'ny toeram-pihetsiketsehana Gotagogama sy ny manodidina azy, an-tsary
Mpaka sary Sri Lankey Sandesh Bartlett maka sary ny fomba nisian'ny fihetsiketsehana am-pilaminana manohitra ny governemanta Rajapaksa tao amin'ny Galle Face Green ao an-drenivohitra Colombo, nanomboka ny Marsa ka hatramin'ny Jolay 2022.
Ny adin-crypto mampanofinofy ao Myanmar
Mbola eo ampanombohan'ny fifanandrinana eo amin'ny famoretana sy ny fanoherana (fifaharana) ny revolisionam-bolankihy ao Myanmar ary hanana anjara toerana lehibe amin'ny revolisiona ara-politikan'i Myanmar
Miditra vanim-potoana vaovao ara-politika ny ao Sri Lanka
Ny fitroarana faobe milamina tamin'ny 9 Jolay 2022 no nitondra ny fiafaran'ny vanim-potoana ara-politika iray izay nanomboka tamin'ny famoahana ny lalàmpanorenan'i Sri Lanka tamin'ny taona 1978, lalàm-panorenana izay nanimba tanteraka ny demokrasia, ny fanjakana tan-dalàna ary ny zon'olombelona ao amin'ny firenena.
Miteraka olana ara-piarovana ao Kosovo ny firohotry ny fandrahonana baomba mamitaka
Nahazo an'i Kosovo ihany koa ny fanairana baomba nanerana an'i Balkana. Nahazo hafatra fandrahonana avy amin'ny adiresy tsy fantatra ny Oniversite, ssekoly, seranam-piaramanidina sy fandraisina bus.
Mandà hatrany ny Fandripahana tao Račak/Reçak ny manampahefana Rosiana sy Serba
Nandà ny vono olona tany Račak/Reçak tamin'ny taona 1999 tany Kosovo ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana Sergey Lavrov, nandritra ny resadresaka nifanaovana tamin'ny masoivohom-baovaom-panjakana Rosiana Sputnik izay navoakan'ny fampahalalam-baovao Serba.
Famaranana ny herisetra manjo ny vehivavy amin'ny fotoanan'ny ady sy ny fandriam-pahalemana
Anatin'ny fifandonana mitàm-piadiana, ireo vehivavy no tena lasibatra amin'ny fikasana manokana hanimba ny fiarahamonina izay misy azy, na voaratra amin'ny fanararaotana aterak'ilay fotoana, tsy misy tahotra ny ho voasazy.