Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2019

Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana tamin'ny Oktobra, 2019

‘Abominable’ filma navoakan'ny DreamWorks voarara any Vietnam, Malayzia, ary ny Filipina noho ny famoahana ilay fari-dranomasina ifandirana lazain'i Shina ho azy

"Mila mifampiresaka amin-dry zareo isika ary olona maraintsaina ireo... Mba diso lalana fotsiny ry zareo."

Nanala ny ampahany tamin'ny fanapahana ny fifandraisana ao Kashmir i India, mbola tapaka kosa ny aterineto

Araka ny tatitra vao haingana, manohitra ny famoretana sy ny fanakatonana ny fifandraisana napetraky ny governemanta Foibe Indiana ny Kashmirita "amin'ny alalan'ny satyagraha na tsy fankatoavana sivily tsy misy herisetra".

Ahoana ny nananganan'ny vondron'antoko mitondra ao Ethiopia boky fampiasana handisoam-baovao

Lasa tondrozotra ho an'ny vondrona mpanohitra hamelezana ireo mpifanandrina aminy sy ny governemanta ny taktikam-pikirakirana ifamelezan'ny mpikambana amin'ny ady anatiny.

Mitsikilo toa an'i Etazonia: ZunZuneo, toy ny Twitter sandoka mitsikilo ny fiainana manokan'ireo vahoaka Kiobàna

Tsy hoe fotsiny naka ny laharana telefaon'ireo Kiobàna antsasaka tapitrisa, nefa tsy nieràna no sady tsy fantany, ilay fandaharanasa ZunZuneo, fa koa mitsikilo sy mandalina ny fifandraisan-dry zareo sy ny "fironany ara-politika"

Dinika nasionaly ao Kamerona diso lalana

Nanomboka tamin'ny alatsinainy 30 septambra 2019 ny herinandro fifampiresahana hamaranana ny ady ifanaovan'ny tafiky ny governemanta sy ny milisin'ny faritra miteny anglisy ao Kamerona, ary tontosaina ao amin'ny renivohitry ny firenena ao Yaoundé izany. Na izany aza, mitarazoka ao amin'ny tahotra ny olompirenena fa tsy hampitsahatra ny krizy ny fifampiresaham-pandriampahalemana.

Avy ao Syria mankany amin'izao tontolo izao: Fanamarihana momba ny jadona, ny ady sy ny fahadisoam-panantenana

Mifototra amin'ny zava-misy ankehitriny sy ny tantara marina momba ny vahoaka Syriana, anisan'izany ireo namana sy havan'ny mpanoratra, mampiseho ny lafiny maro amin'ny voina Syriana ireo Fanamarihana ireo ary mampiseho mazava ny faharefoan'ny fiainana Syriana.

Video: Roa volana fikatonana ao Kashmir

60 andro izay no niato ny fiara fitateram-bahoaka, voabahana ny servisy finday, mikatona ny sekoly sy ny kolejy ao Kashmir. Mitatitra avy ao Shopian i Basharat Amin, mpifandray amin'ny vondrom-piarahamonina Video Volunteers.

Ny ady ao Afovoany Atsinanana sy ny valinteny mizarazaran'ireo blaogera indoneziàna

Amin'ny famerina ny lohatenin'ireo media iraisam-pirenena mikasika ireo fifandirana misy ankehitriny ifanaovan'i Israely ary i Libanona, sy eo amin'i Israely sy Palestina, lahatsoratra miresaka lohahevitra mitovitovy amin'izany no avoakan'ireo Indoneziana blaogera arahany amin'ireo fanehoankevitra sy valinteny isan-karazany; ireo mpomba sy ireo mpanohitra, ny fanohanana sy ny fanamelohan'ny lafiny roa.