Repoblika Serba ao Bosnia : Manampahefana ampangaina ho manao sorona eo ambony alitaran'ny fizahantany ny fahatsiarovana ilay fandripahana

Pikantsary avy amin'ny tranonkalan'ny fikambanana misahana ny fizahantany ao amin'ny faripiadidian'ii Višegrad maneho ho toy ny toerana raitra ilay hotely Vilina Vlas, izay sehatra nitrangan'ireo fanolanana sy heloka an'ady.

Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 8 Jolay 2020.

Tsy dia mitovy amin'ireo hotely tsotra i Vilina Vlas, eo amin'ny vavahady fivoahana an'i Višegrad ao atsinanan'ny Repoblika Serba ao Bosnia. Tsy afaka tombanana amin'ny fomba entin'ireo manampahefana misahana ny fizahantany mandokandoka azy.

Rehefa anaovana fikarohana ao amin'ny Tripadvisor [angl] ity hotely izay sady toerana filonana rano mafana ity, dia ny fampahafantarana toy izao no hita:

Due to a recent event that has attracted media attention and has caused an influx of review submissions that do not describe a first-hand experience, we have temporarily suspended publishing new reviews for this listing.

Noho ny tranga tsy ela akory nahasarika ny sain'ireo mpampahalala vaovao, ary niteraka fitobahana fanehoankevitra marobe tsy mamaritra traikefa niainana mivantana, dia natsahatray vonjimaika ny famoahana filazana hevitra vaovao amin'io fanambaràna io.

Azo ambara hoe ny fanehoankevitra mahery setra nataon'ireo bosniàka mpampiasa aterineto no resahan'io hafatra io, taorian'ny nanombohan'ny dokadoka fampahafantarana ilay hotely, tafiditra ao anatin'ny tetikasa tamin'ny volana lasa (Jona 2020) momba ny fizahantany vatsiana vola, nataon'ireo manampahefana ao amin'ny  Repoblika Serba ao Bosnia, rantsana federaly any Bosnia-Herzegovina izay ry zareo Serba no maro an'isa ao.

Fa ny nahazoan'i Vilina Vlas laza ratsy dia ireo tranga niseho nandritra ny ady tao Bosnia (1992-1995) : vavolombelon'ireo heloka an'ady  nahatsiravina natao tamin'ireo Bosniàka io hotely io, indrindra fa ny natao tamin'ireo vehivavy bosniàka.

 Bitsik'i @VisitSrpska : Raha manapaka hevitra hitsidika ilay toerana filonana rano mafana ao Višegrad ianareo amin'ity taona ity, ny hotely Vilina Vlas dia manaiky handray ireo bons d'achat ho an'izay famandrihana atao avy any amin'ny Repoblika Serba ao Bosnia, ho fandraisana anjara amin'ny ampahany amin'ny fandaniana ao amin'ilay hotely…

Fanehoankevitr'i @Mustafic30 : Tsy ilay #MpiasaAnTranoMitafyJaky, fa tena ny zavamisy : torohevitry ny masoivoho misahana ny fizahantany ao amin'ny Repoblika Serba ao Bosnia ny hitsidihana an'i Vilina Vlas, toerana filonana rano mafana izay nampiasaina ho toy ny tobim-pamaharana nanolànana ireo vehivavy sy tovovavy tao  Višegrad mandra-pitondran'izy ireny vohoka. Betsaka tamin-dry zareo no novonoina, vitsivitsy ihany no tafavoaka velona. Tamin'ny 1992 izany, tao Eoropa ! #fandripahana

Vono olona sy fanolànana no natao tao amin'ilay hotely

Tamin'ny 1991, rehefa nanomboka nisamantsamaka i Yôgôslavia, dia ny vondrompiarahamonina nisy ireo Bosniàka no nanome ny antsasaky ny vahoaka tao amin'ny faripiadidian'i Višegrad. Ireo pogroms nikendry ireo Bosniàka sy ny fifindramonina no nampitsimbadika tanteraka io rakitra demaografika io. Latsaky ny 10% sisa ireo Bosniàka niverina nonina eny anivon'ireo mponina ao amin'ilay faripiadidiana.

Nandritra io ady io, vavolombelon'ny sasantsasany tamin'ireo fandripahana feno habibiana nahatsiravina indrindra natao an'ireo Bosniàka ilay tanàna.  Indrindra indrindra fa sehatra nitrangan'ireo fandoroana roa niteraka fahafatesana sivily bosniàka niisa 123 maty nodorana velona izy, nielanelana herinandro roa monja, tamin'ny Jona 1992.

Ry Milan sy Sredoje Lukić mirahalahy no nanao ireny habibiana ireny. Tamin'ny 2009, nohelohin'ny Tribonaly Iraisampirenena natao hitsara ny heloka bevava tany Yogôslavia (TPIY)  ho nanao heloka bevava nandritra ny ady ireo lehilahy roa ireo.

Nandritra ilay fandripahana bosniàka, ny tanànan'i Vilina Vlas, teo ambany fifehezan'ny Serba, dia iray tamin'ireo toby fanibohana sy fanolanana naharikoriko indrindra. Anjatony ireo vehivavy bosniàka no notazonina toy ny andevo tao. Fanararaotana ara-nofo saika isanandro vaky no nataon'ireo miaramila serba tamin'izy ireo, ary hatramin'ireo hery ivelan'ny tafika, rosiàna sy serba, ihany koa.

Tamin'ireo olona, na vavy na lahy, nahafantatra ny zavanisy tany, marobe ireo malahelo hoe mbola miasa ary tena ao anatin'ny heriny tanteraka ilay hotely Vilina Vlas, sady manohy mandray mpizahatany isantaona. Saingy ny ezaka manokana tao amin'ny Twitter sy Intsagram nataon'ny birao misahana ny fizahantany ao amin'ny Repoblika serba ao Bosnia tamin'ny herinandro farany ho an'ny volana Jona, mba ho fampahafantarana ilay hotely, dia niteraka hasosorana teny anivon'ireo Bosniàka. Tao amin'ny Twitter, marobe ny olona nampiasa ny famaritana hoe « fizahantany mandripaka » (genocidni turizam).

Soniavo ity fanangonantsonia ity mba hamafàn'i Google io toby fanolànana namidy ho toy ny fitodiana ara-pizahantany io tsy ho ao anaty aterineto. @Google Google: Esory ao anatin'ny milinareo fanaovana fikarohana sy ao anatin'ny Google Map ny hotely Vilina Vlas (tsy ho isan'ireo toerana ara-pizahantany). Soniavo ilay fanangonantsonia ao amin'ny @Change

— Haris Alisic (@HarisAlisic) 3 Jolay 2020

Tsy zavabaovao ao Višegrad ny andrana fanafenan-javatra tahaka izao. Tian'ireo mpitantana ny fizahantany ao an-toerana ny mivarotra ho toy ny toerana tsara hozahàna ilay tetezana tranainy faha-ottoman ao an-tanàna, rafitra nampiavaka sy nampirehareha ny vanimpotoana ottoman.

Kanefa, ankavitsiana ireo vahiny mpiazahatany no mahalala mandritra ny fivahinianany ao amin'io tanàna io hoe io tetezana io anie ka sehatra nisian'ny fandripahana faobe ireo bosniàka miozolmàna tao an-tanàna.

Tsy fantatr'izy ireo ihany koa hoe ireo maoske ao an-tanàna, izay najoro tamin'izany vanimpotoana izany ihany koa, dia samy potika avokoa nandritra ireo fanafihana nataon'ny nasiônalista serba.

Im-betsaka sy matetika no maka endrika mavitrika ny fandàvana ny fisian'ilay fandripahana. Tamin'ny Janoary 2014, ankitsirano sy tsy nihambahamba ireo manampahefana tao amin'ny Repoblika Serba ao Bosnia  nanaisotra ny teny hoe « fandripahana » tsy ho eo amin'ilay vatolahy fahatsiarovana tao amin'ny tanim-pasana bosniàka Stražište de Višegrad. Nisy ihany koa  andrana iray saika hamotehana ny iray tamin'ireo trano nandoroana olona velona tamin'ny Jona 1992. Ireo Bosniàka niverina nonina tao an-tanàna no namerina nanangana azy, lasa toeram-pahatsiarovana izy izao.

Fandripahana tsy hita maso, lavitry ny mason'izao tontolo izao

Ny herisetra tafahoatra sy ny tsy fanomezana na inona na inona hita nandritra iureny taona maro ireny tao Višegrad sy nanerana ny lemaka Drina, ary hatrany amin'ireo tanàna sy vohitra any avaratra-atsinanan'i Bosnia-Herzegôvina, dia vokatry ny politika fandripahana napetraky ny tafiky ny Repoblika Serba ao Bosnia sy ireo vondrona isankarazany manao asa fitandroana filaminana teo ambany fitantanan'ny jeneraly Ratko Mladić, mpanao heloka an'ady efa voaheloka.

Nitranga ireny habibiana ireny, indrindra indrindra fa noho ny mason'izao tontolo izao tsy nitodika afa-tsy tany amin'ny fahirano natao an'i Sarajevo.

Gadra tao amin'ny toby fanibohana  tao Trnopolje , akaikin'i Prijedor, tao Bosnia-Herzegovina, tamin'ny  1992. Sary miaraka amin'ny fanomezandàlan'ny TPIY tao amin'ny Wikipédia.

Tanaty lahatsoratra iray tamin'ny 1996, ilay mpifandray avy any am-bava-ady Ed Vulliamy no mitanisa ny fihaonany tamin'i Nikola Koljević, olona akaiky an'ilay mpanao heloka an'ady efa voaheloka, Radovan Karadžić, tao amin'ny efitranoben'ny hotely iray tao Belgrady tamin'ny 1992.

Noesoin'i Koljević ilay mpanao gazety sy ireo mpiaramiasa aminy noho ny zavanisy hoe efa fotoana elabe vao hitan-dry zareo ny fisian'ilay tambajotra-na toby fanibohana tantanin'ireo Serba tao amin'ilay faritra : Omarska, Trnopolje ary Keraterm.

So you found them! Congratulations! It took you a long time to find them, didn’t it? Three months! And so near to Venice! All you people could think about was poor, sophisticated Sarajevo. Ha-ha!

Hitanareo ihany nony farany izy ireny an ! Arahabaina ! Fotoana izay laninareo mba hahitana azy ireo izay, sa tsy izany ? Telo volana ! Ary dia tena akaiky an'i Venizy ! Tsy nisy noeritreretinareo rehetra afa-tsy io tanàna kely manahirana sy mahantra ao Sarajevo io! ! Ha ha !

Manorina ambony fahatsiarovana ratsy

Emir Kusturica, Serba mpamokatra horonantsary, ary malaza erantany, izay nirotsaka ihany koa tamina fandraharahàna ara-pizahantany marobe taorian'ny nivakisan'i Yogôslavia, dia nisafidy ihany koa an'i Višegrad ho toerana honenana taorian'ilay fandripahana.

Ny vavahady be fidirana ao Andrićgrad. Sary natolotry ny mpampiasa Wikipedia UkiUros, nampiasàna lisansa CC BY-SA 3.0.

Tamin'ny 2011, natombony ny tetikasa iray antsoina hoe Andrićgrad (ny tanànan'i Andrić), avy amin'ny anaran'i Ivo Andrić, ilay yôgôslavy mpanoratra ary efa nahazo ny loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana, izay nifantoka tamin'ilay tetezana ottoman tranainy ao Višegrad ny tantara malaza noforoniny, nomeny lohateny hoe Ilay tetezana aeo ambonin'i Drina. Ilay toerana, antsoina ihany koa hoe Kamengrad (ilay tanàna vita tamin'ny vato), dia nadika avy amina lapa mimànda fony vanimpotoana antenantenany (medievaly).

Ilay toerana ao Andrićgrad koa dia naorina teo ambonin'ny toerana nisy ilay toerana fanaovana fanatanjahantena fahiny nampiasaina ho toy ny toby nanatobiana ireo bosniàka sivily nandritra ilay fandripahana, taona folo talohan'izany.

Ilay mpiaro mahafatra-po ny Kusturica ary mpankasitraka ny nasiônalisma serba dia tsy misy mahafantatra raha ivelan'i Yogôslavia teo aloha.

Ireo izay mahalala tsara ny hetsika pôlitika nataony kosa etsy ankilany dia tsy ho gaga raha mahafantatra fa nanorim-ponenana eo amin'ny toerana iray izay ihaonan'ireo tantara vaovao sy tranainin'ny nasiônalista serba izy.

Tamin'ny 2012, nambaran'ny Fitsarana momba ny Lalampanorenana ao Monténégro fa tsy mahefa izy hitsara an'ilay mpanoratra ao Monténégro, Andrej Nikolaidis, izay notorian'ilay mpamokatra horonantsary hoe nanàla baràka azy. Nampiditra fitoriana an'i Nikolaidis i Kusturica noho ny nanambaràny tamin'ny 2004 hoe ny sarimihetsika novokariny taorian'ny ady dia nahazo famatsiambola, na avy amin'ny rantsan'ny fitondran'i Milošević, na avy amin'ny fitondrana serba taorian'i  Milošević, ary tokana ny tanjona tao an-dohany: hampahafantatra (hampiroborobo) ny kabary nasiônalista serba.

Ao anatin'ilay Višegrad taorian'ny fandripahana, toerana iray hitan'i Kusturica hiraketana ny fitantaràny ny fisokirana izany ambony vato vandana (marbre).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.