Niala Tao An-tanànan'i Raqqa Any Syria Ny ISIS, Saingy Mbola Mandratra Sy Mamono Ny Vanja Naleviny

Fahapotehan'ny làlana Al-Qouati ao an-tanànan'i Raqqa. Sary avy amin'i Abood Hamam, nahazoana alàlana.
Nandritra ny efatra taona teo ho eo, teo anelanelan'ny 2013 sy 2017, ny tanànan'i Raqqa any Syria dia nijanona teo ambany fifehezan'ny iray amin'ireo vondrona jihadista tena lian-drà tamin'ity taonjato ity : ISIS, Daesh ary Fanjakana Islamika.
Nandritra ny fotoana nanjakany, dia noteren'ny ISIS ny mponina tao an-tanàna, izay nambarany fa renivohitry ny “kalifà”-ny (fitondràny), mba hanaraka ireo fitsipika mihoa-pefiny. Vonoina amin'ny alàlan'ny fanomboana na fomba famonoana mahery setra ireo izay tsy mankatò.
Tamin'ny Oktobra 2017, taorian'ny ady nandritra ny efatra volana, dia nahavita nifehy ny tanàna sy nandroaka ny ISIS ny Tafika Demokratika Syriana (SDF) — fikambanan'ny Kiorda , Arabo, Asyriana ary ireo vondrona hafa notohanan'i Etazonia. Voalaza fa nisy fifanarahana teo amin'ny SDF sy ny ISIS ny famerenana an'i Raqqa amin'ny laoniny mba hahafahan'ireo mpiadin'ny ISIS sy ny fianakaviany mandalo tsy manana ahiahy any Deir Ezzor any atsinanan'i Syria araka ny voalazan'ny BBC.
Saingy na teo aza ny faharesen'ny vondrona tao Raqqa, dia tsy mbola nitsahatra nitereka zava-doza tamin'ny mponin'i tanàna ihany ny ISIS. Tahaka izay nolazain'ilay mpiadin'ny ISIS iray tamin'ireo olona sivily talohan'ny nialàny ny tanàna, ” hiady ho anay ny tany”.
Amin'ny alàlan'ny vanja milevina no fomba iray “hiadian'ny tany” ho an'ny ISIS.
Niresaka tamin'ny feo feno alahelo tamin'ny Global Voices i Abu Fares, lehilahy iray 53 taona izay namoy ny zanany roalahy tamin'ny alàlan'ny vanja milevina napetraky ny ISIS :
Rehefa nanafika ny tanàna ny SDF sy ny fiaraha-misalahin'ny iraisam-pirenena, dia voatery niala izahay. Na izany aza, tsy afaka niala teny am-piandohan'ny ady izahay satria nataon'ny ISIS ho ampinga fiarovana. Nafoiko nandritra ny ezaka nataonay handositra ny tanàna ao amin'ny distrikan'i Shahdah ny iray amin'ny zanako lahy rehefa nipoahan'ny vanja milevina.
Vakio: Namela Vanja Milevina An'arivony Any Manjib Ny ISIS Talohan'ny Nandosirany. Nafenin-dry Zareo Tany Anaty Karazan-Javatra.
Namoy ny zanany lahy faharoa indray i Abu Fares iray volana taorian'ny fiafaran'ny ady :
Iray volana aty aorian'ny fiafaran'ny ady, dia nahazo niverina tany amin'ny tranonay izahay. Nirahako ny iray amin'ireo zanako lahy mba hizaha ny tranonay teo akaikin'ilay ‘rond-point’ famantaranandro, saingy rehefa tonga teo izy, dia vanja milevina no niandry azy teo anoloan'ny varavaramben'ny trano.
220 no fitambaran'ny sivily maty ary am-polony maro no naratra tao Raqqa noho ny vanja nalevin'ny ISIS hatramin'ny fandresen'ny SDF, araka ny filazan'ny mpikambana iray ao amin'ny “Raqqa is Being Slaughtered Silently” “( ho ringana mangingina i Raqqa) ” vondron'ireo mafana fo ao an-toerana izay manadihady ireo herisetra tao amin'ny tanàna.

Baomba nalevin'ny ISIS any Raqqa. Sary nalain'ny “Raqqa is being slaughtered silently.” Nahazoana alàlana.
Tamin'ny fotoana nanombohan'ny hetsika “Hatezeran'i Eofrata”, anarana miafina iantsoana ny hetsika fanoherana ny ISIS tamin'ny Novambra 2016 no nanombohan'ny ISIS nandevina ireo vanja marobe mba hanakanana ny tafiky ny SDF tsy handroso ao Raqqa. Nefa mazàna dia ireo sivily mandositra ny ady no matin'ireny vanja milevina ireny fa tsy izay nokendrena.
Mpiadin'ny SDF marobe ihany koa no matin'ilay fitaovana mipoaka, isan'izany ilay mpiady an-tsitrapo Anglisy Oliver Hall izay maty volana vitsivitsy lasa tamin'ny fotoana nanadiovany ireo vanja milevina. Hatramin'ny fotoana nanoratana dia tsy mbola nilaza ny isan'ireo mpiady matin'ireo baomba ireo ny SDF.
Fikambanana iray miasa an-tsitrapo antsoina hoe “Roj” ( fanafohezana ny Rojava, faritra any avaratr'i Syria sy andrefan'i Kiordistàna) no miasa manala ny vanja an'arivony miaraka amin'ny fanampian'ny Fikambanan'ny Olom-pirenena tsotra ao Raqqa sy ireo fikambanana iraisam-pirenena. “Mbola tsy nahita isanà vanja tsy mbola nipoaka tahaka izany izahay hatramin'izay”, hoy ilay sekretera jeneraly lefitry ny Firenena Mikambana Panos Moumtzis tamin'ny masoivohom-baovao Reuters tamin'ny Febroary 2018.
Fa ho an'ireo mponina sasany dia tsy haingana ny fahatongavan'io asa io. Amira, 35 taona, dia nitantara tamin'ny Global Voices fa tsy maintsy nandoa vola 50.000 pound syriana (tokotokony ho 100 dolara amerikana) tamin'olona manokana izy mba hanala ny vanja tao an-tranony rehefa nolavin'ireo fikambanana miasa amin'ny fanalàna izany ny fangatahany, sady nolazainy fa tsy mbola tonga ny anjaran'ireo manodidina azy.
Nolazainy fa tsy maintsy niverina tany Raqqa izy rehefa nandositra tany am-boalohany noho ny fepetra iainana mampihorohoro tao amin'ny toby tany avaratra nampiantranoana ireo olona nifindra toerana :
Nandevina vanja hatraiza hatraiza ny ISIS, any ambany fandriana, any anivon'ny korontana, ao anaty vata fampangatsiahana sy ny milina fanasàna lamba, eny fa hatrany anaty takamoa mandeha amin'ny herinaratra aza dia nahitan'ireo manampahaizana baomba.
Araka ny filazan'ny mponina, dia ny faritr'i Al-Tayar, Al-Mishlab ary Al-Darriah no hany faritra fonenana izay tena voadio tanteraka amin'ny vanja milevina hatramin'izao.
Vakio: Siriàna Roa Mpikatroka Mafana Fo Manazava Ny Zavatra Niainany Fony Izy Ireo Gadran'ny ISIS Tao Al-Bab
Tena miadana be ny fandehan'ny fanalàna vanja milevina any Raqqa noho ny tsy fahampian'ny vola sy ny fitaovana ilaina ho an'ny Fikambanana Sivily. Io toe-draharaha io no manery ireo sivily hiverina any amin'ny tranony tsy azo antoka, ka mahatonga ireo voina matetika ao amin'ny tanàna izay efa nijaly tamin'ny fibodoan'ny ISIS efa ho efatra taona.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...