Japana: Tantaram-Pitiavana Sy Fankahalàna An'ilay Endrika Famantarana, “Sento-kun”

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Aprily 2008)

Mamparinkoditra ?! Ratsy tarehy ?! Fanimbazimbàna ?! Tsy maro ny vahoaka japoney no faly amin'ilay endrika famantarana (mascotte) ny Hetsika fahatsiarovana ny faha 1300 taonan'ny Renivohitra Nara-Heijyoko izay hatao amin'ny 2010. Mpanao sary sokitra sy mpampianatra ao amin'ny Oniversite momba ny Kanto any Tokyo, Satoshi Yabuuchi, no nanao ny endrik'ilay famantarana. Izy dia iray amin'ireo  roa ambin'ny folo mpanome endrika nasain'ny Hetsika fahatsiarovana ny faha 1300 taonan'ny Renivohitra Nara-Heijyoko. Nofidian'ireo fikambanana mikarakara ny hetsika tao anatin'ireo mpifaninana 1.400 mahery avy amin'ny daholobe ny anarana hoe SENTO-Kun, tamin'ny 15 Aprily. Hatramin'ny nanambaràna tamin'ny fomba ôfisialy ny endrik'ilay “mascotte” tamin'ny febroary, dia maro no naneho ny tsy fankasitrahany ny SENTO-Kun, isan'izany ny haino aman-jery sy ireo vondrom-pivavahana. Tsy ilaina ny milaza fa novalian'ireo mpitoraka biloaogy maro ilay fanambaràna momba ny endrik'ilay “mascotte”.

 

Nanoratra momba ny Sento-kun i Chidai[jp] :

薮内の描いた妖怪みたいな「平城遷都1300年祭」マスコットキャラクター、本気で気持ち悪いです。

奈良県が笑いものになっています・・実にグロテスクです。
レベルの低さに唖然としています。

これは、仏に対する冒涜です。これをよしとする人は、神も仏も関係ない人でしょう。

Tena maharikoriko ny endrik'ilay “mascotte” ratsy tarehy nataon'i Yabuuchi ho amin'ny Hetsika Fahatsiarovana ny faha-1.300 taonan'ny Renivohitra Nara-Heijyoko.

Lasa fihomehezana ny fileovan'i Nara … Tena mahatsikaiky.
Fitenenan-dratsy an'i Buddha izany.

Tsy maintsy ireo olona tsy mahafantatra ny finoana no manaiky an'io.

SentokunSentokun avy amin'ny YouTube clip.

Misy ihany ireo manana fomba fijery miabo momba an'i Sento-kun ary milaza izany ho kimokawaii (mamparikoditra fa mahafatifaty) na mendri-pideràna, saingy tsy maro an'isa izy ireo ao amin'ny tontolon'ny bilaogy.

Nisy vondrom-piarahamonina iray amin'ny aterineto noforonina tao amin'ny Mixi mba hitakiana ny fanafoanan'ny fikambanana mikarakara ny hetsika avy hatrany ny fifidianana ny “mascotte”  taorian'ny fanombohana. Amin'izao fotoana izao, manana mpikambana maherin'ny 1.000 ilay vondrom-piarahamonina, ary natombony ny tranonkala atao hoe “Sen Sanbyaku-nen Kinen wo Sukuu Kai[jp] (Vondrona mpanohana ny faha-1.300 taona ) ” tamin'ny voalohan'ny volana Martsa. Ankoatry ny tsy fitiavan'ny vahoaka ny endrik'ilay “mascotte”, dia kianin'ilay vondrona ho nandany vola maherin'ny 5.000.000 yen tamin'ny volan-ketra ilay fikambanana mikarakara ny hetsika fahatsiarovana mba hividianana ny zon'i Mr Yabuuchi. Nanao fanangonan-tsonia teny an-dàlambe ilay vondrona mba hitakiana ny fanafoanana ny fanaovana ilay “mascotte”, ary nanao fanadihadiana tamin'ny alàlan'ny fanontaniana momba ilay endrika.

Misy ihany koa ny adihevitra momba ny fomba tsy mety tamin'ny fifidianana ilay sary, ary tsikerain'ilay mpanoratra Tenkannijicho ilay fikambanana :

デザイン料に500万円
で、しかも
広告代理店電通が籔内佐斗司に決め打ちして提案
だってよ。裏で
どういう金の流れになっているのか
是非知りたい。つまり
籔内佐斗司を電通が推薦するに至った経過でどれだけ県民の税金が電通に行ってるのか
ってことだ。

5.000.000 yen ho an'ny fanomezana endrika. Ambonin'izany, Dentsu, masoivoho mpanao dokambarotra dia nisafidy an'i Satoshi Yabuuchi ary nanome sosokevitra momba ny endrika. Tany ambadiky ny sehatra izy.

Tiako ho fantatra hoe tahaka ny ahoana ny fivezivezen'ny vola. Ny tiako ho lazaina dia ohatrinona amin'ny hetra aloan'ny mponina no lasan'ny Dentsu tamin'ny dingana nifidianan'ilay masoivoho an'i Yabuuchi ?

Na ny Governoran'ny Fileovana na ny fikambanana dia tsy mirona amin'ny fanovàna ny endriky ny “mascotte”, ary namoaka fanambaràna ilay Fikambanana hangatahana ny fanohanan'ny vahoaka ny Sento-kun sy ny hetsika .

Azo antoka fa nanampy tamin'ny fisintonana ny sain'ny vahoaka ho amin'ilay hetsika ireo adihevitra manodidina ny Sento-kun.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.