· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2010

R. D. Congo: Fahaleovantena “Cha Cha”

  03 Jolay 2010

Nankalaza ny faha – 50 taonan’ny fahaleovantenany niala tamin’ny zioga Belza ny Repoblika Demokratikan’i Congo. Raha mbola faly mampidera ny halafon’ny fitaovana ara-miaramila vaovao izay ampiasaina amin’ny fisehosehoana amin’ireo manamboninahitra ny fanjakana , dia mitantara ireo filatroana tany Kinshasa sy Lubumbashi kosa ny mpitoraka blaogy Kakaluigi[fr] sy Congo Miliki [fr], eo andanin’izany, mampahatsiahy ny vanim-potoan’ny fahaleovantena sy ny zava-bita tsara indrindra tamin’ireo androm-panantenana ny mpitoraka blaogy Kongole sasany.

Filipina: Maneho hevitra mikasika ny kabary fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao ireo mponin'ny aterineto

  03 Jolay 2010

Maneho hevitra mikasika ny kabary fanokanana amin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao faha-15-n'ny Repoblikan'i Philippines, ,Benigno Simeon Aquino III ireo Filipiana mpitoraka blaogy. i Aquino no voalohany amin'ny filohan'i Philippines manana bakalorea sady voalohany amin'ny fibatàna ny fandresena tamin'ny fifidianana nampiasana teknolojia avo lenta teo amin'ny frenena

Nepal: Nametra-pialàna ny Praiministra

  03 Jolay 2010

Nanao filazana ampahibemaso ny fametraham-pialany ny praiministra Nepaley Madhav Kumar Nepal omaly nandritry ny lahateny iray mivantana tamin’ny fahitalavitra. Nyfametraham-pialàn' Ing. Nepal dia mitondra mankamin'ny fitsaharan'ireo disadisa ara-politika naharitra tao Nepal.

Bangladesh: Miverina ny Hartal

  01 Jolay 2010

Fihetsiketsehana any Dhaka. Sary avy amin'ny Flickr-n'i Vipez. CC BY-NC-ND Taorian’ny fitsaharana nandritry ny telo taona, niverina indray ny Hartal any Bangladesh, endrika iray fanao any µAzia Atsino rehefa manao fitokonana. Ny fiombonamben’ny mpanohitra any Bangladesh dia niantso fanaovana hartal iraytamin’ny Alahady (27 Jona 2010) ho fanindriana ny fangatahan-dry zareo...