Nepal: Nametra-pialàna ny Praiministra

Madhav Kumar Nepal

Madhav Kumar Nepal. Sary nalain’i izahorski mpampiasa Flickr , nampiasàna ny CC license BY-NC-ND

Nanao filazana ampahibemaso ny fametraham-pialany ny praiministra Nepaley Madhav Kumar Nepal omaly nandritry ny lahateny iray mivantana tamin’ny fahitalavitra.

Nandray ny fahefana  Ing. Nepal ny volana May 2009 tao aorian’ny nandimbiasany an’i Prachanda (Pushpa Kumar Dahal), filoha mpitondra ny CPN (Maoista), niala tao aorian’ny tsy fifanarahany tamin’ny filoha noho ny fandroahany ny lehiben’ny tafika taorian'ny fifandirana momba ny fandraisana ireo mpikomy  Maoista fahiny ho ao  amin’ny tafi-bahoaka.

Milaza i Anisha Bhattarai ao amin'ny blaogy New Beginning fa :

Niala tamin’ny asany ny Praimisnitra Madhav K Nepal omaly. Anton-dresaka maro mifanohitra hatrany am-boalohany moa izy sy ny governemantany. Efa resy tamin’ny fifidianana izy ary very toerana roa fa mbola lasa Praiminisitra ihany. [..]

Efa hatrany am-boalohany no nangataka ny fialàny ireo Maoista.

Tokony hamàrana ny sàkana ara-politika eo amin’ny firenena ny fialan’i Ing. Nepal izay nanamafy ny fiarahan’ny governemanta tsy nahavita naneho akory ny fandaniana ny lalampanorenana tamin’ny volana May 28  2010 sy nanitatra ny andàlana mikasika ny antenimiera mpanorina nandritry ny taona iray.

Maneho ireo lafin-kevitra ambadika manodidina ilay fifandiran-kevitra i Gopal Sharma ao amin’ny blaogin’ny Reuters:

Tsy manana parlemanta i Nepal amin’izao fotoana izao ary mandray roa ny antenimiera mpanorina manokana voafidy tamin’ny 2008 handrafitra ny lalampanorenana sy ny fahefana mpanao lalàna.

Tsy misy antoko politika mibaiko ao amin’ny antenimiera, izay ireo Maosita no maro an’isa. Ny manara-maso ny fandrafetana ny lalampanorenana vaovao, izay sambany taorian’ny nahafahan’i Nepal tamin’ny fitondrana faha-mpanjaka nandritry ny 239 taona , roa taona lasa izay, no laharam-pahamehana amin’ny andraikitry ny governemanta.

Tsy misy mahavita manangona ny roa ampahatelon’ny maro an’isa amin’ny antenimiera, isa ilaina amin’ny fanovàna ny rafitra na ny Maoista na ny antoko politika hafa raha tsy misy ny fifanohanan’ny andaniny sy ny ankilany. Noho izany, miresaka momba ny governemanta firaisam-pirenena ny olon-drehetra – izay hatsangana amin’ny marimaritra iraisana sy ny fandraisan’anjara ny rehetra, na ny ankamaroan’ireo antoko politika 25, ao anatin’izany ireo Maoista, mba hahazoana antoka  ny fanoratana ny lalampanorenana araky ny fotoana nokendrena dia ny volana May amin’ny taona ho avy.

Tsy faly tamin’ity fametraham-pialana ity i NepaleseAbroad.com:

Te haka ny toerana maha-Praiministra ireo Maoista, toerana izay nialàn’izy ireo volana maro lasa izay. Tena teotran’ankizy tanteraky ny Maoista sy ireo mpitarika azy mihitsy izany. Ireo mpanao politika rehetra mpivadi-dela, miresaka sy manao fihetsika tsy misy fandinihana na fandraisan’andraikitra amin’ny asa ataony ary amin’ny fanapahan-kevitra raisiny. Tsy tokony omena toerana na inona na inona ao amin’ny governemanta ireo Maoista raha tsy miala tanteraka amin’ny toeram-pamaharany sy ny tafika ara-politikany. [..]

Tsy hisy governemanta mari-toerana na fivoarana mihitsy ao Nepala raha tsy manao an’i Nepal ho lohalaharana ambony noho ny maha-izy azy ny tsirairay amin’ireo antoko politika rehetra, na mandeha tsirairay izany na miaraka, na anaty governemanta na mpanohitra.

Purushottam Shah (digitalsubway) mandefa  (tsilian-tsofina) tweets:

First, Maoist Chairman Dahal resigns and then spends more than a year fighting to win the seat back. Welcome to Nepali politics.

Araka ny filazan’ ireo antoko politika maro, dia ny UCPN (Maoista), ny Nepali Congress ary ny CPN (UML) no manomboka miresaka ny hanangana governemanta vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.