Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Septambra, 2019
Nomen'ny mpiserasera Hong Kong anarana hoe “Dunkerque ao Hong Kong” ny fivoahan'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny seranam-piaramanidina
Mpanao fihetsiketsehana an'arivony no nandeha fitateram-bahoaka ho any amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena tao an-tanàna tamin'ny 1 septambra mba hiezaka hanakorontana ny seranam-piaramanidina. Na izany aza, nahatonga azy ireo nihitsoka tao amin'ny Nosy seranam-piaramanidina 35 kilometatra miala ny tanàna ny hetsika fanakorontanana nataon'izy ireo.
Voarahona horarana ao Tonga ny Facebook noho ny lahatsoratra iray nanohitra ny fanjakam-panjaka
"Hampiseho ny tenany ho toa tsy ampy saina na tsy mahomby ny governemanta amin'ny fiezahana hametraka ny fandraràna."
Nahazo ny sehatry ny fampahalalam-baovao ny teorian'ny teti-dratsin'ny CIA avy amin'ny kolonely iray tao amin'ny tafika Yogoslavy taloha
“Mameno ny sehatra media Serba ny vaovao faikany, ny mpanao gazety sandoka sy ny mpanadihady sandoka.”
Mozambika nanasonia ny fifanaraham-pandriampahalemana fahatelo ao anatin'ny fisarahan-kevitry ny mpanohitra sy ny tsy firaharahian'ny olona
Tamin'ny fotoana nanatontosana ny lanonana mamarana ny ady an-trano fahatelo, mbola tany am-piasana ny ankamaroan'ny mponin'i Maputo, na voafandrika tao anatin'ny fitohanam-pifamoivoizana tao an-drenivohitra
Misambotra ireo mpitarika mpikatroka maro tsy tia fampodiana-fandroahana tsy misy toy izany ny polisin'i Hong Kong
Nanova paikady ny governemantan'i Hong Kong ka rehefa nataony ny paikady famoretana hihazona ireo mpanao fihetsiketsehana eny amin'ny toerana anaovana fihetsiketsehana dia ny fisamborana tambajotram-pikatroka pro-demaokrasia maromaro sy ireo mpitarika indray no ataony.
Burundi : namely olona maherin'ny 5 tapitrisa ny tazomoka, ho an'ny tapany voalohany monja tamin'ny taona 2019
Ao Burundi, olona 5.738.661 no tratry ny aretina tazomoka tamin'ity taona ity, efa ho ny antsasaky ny mponina ao aminy. Kanefa misalasala hanambara azy io ho valanaretina ny governemanta.