Burundi : namely olona maherin'ny 5 tapitrisa ny tazomoka, ho an'ny tapany voalohany monja tamin'ny taona 2019

Reny iray omban-janany tsaboina noho ny aretina tazomoka, ao amin'ny hopitaly iray ao Burundi. Manome fikarakaràna ara-pahasalamana maimaimpoana ho an'ny vehivavy mitondra vohoka sy ny zaza latsaky ny dimy taona ny fanjakàna ao an-toerana. Burundi, 12 Martsa 2009. Saripika nahazoana alàlana avy amin'ny  PNUD, tao amin'ny  Flickr CC BY-NC-ND 2.0.

[Raha tsy misy fanamarihana manokana dia mitondra mankaminà lahatsoratra amin'ny teny anglisy ny rohy rehetra]

Ao Burundi, ny taona 2019, efa namely olona 5 738 661 sahady ny aretina tazomoka, izany hoe efa ho ny antsasaky ny mponina ao aminy, raha ny fanambaràn'ny Fikambanana Erantany misahana ny Fahasalamàna (OMS) sy ny Birao Mpandrindra ny Raharaha Maha-olona ao amin'ny Firenena Mikambana (OCHA [fr]). Hatramin'ny andron'ny 21 Jolay, 1.801 ny olona matin'ilay aretina, araka ny voalazan'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka ao Burundi.

Ny tazomoka dia aretina azo avy amin'ny otrikaretina afindran'ny moka. Efa hatry ny ela izy io no mamely ny Borondey sy ny ankamaroan'ny faritra ao Afrika Atsinanana, saingy i Burundi amin'izao fotoana izao no miatrika fitomboana efa ho  97% raha oharina amin'ny vanimpotoana tahaka izao ihany tamin'ny 2018.

Ireo olona tratra dia misy fanaviana mahery, marary lamosina, mangovitra sy maloiloy te-handoa ary indraindray dia tratry ny tsy fahampian-drano sy mirediredy.

Ny OMS dia manaraka maso tsy tapaka ireo areti-mifindra. Manamarika izy hoe ny isan'ny tranganà tazomoka dia nahatratra ny fetra maha-valanaretina azy tamin'ny May teo: nanodidina ny 3 tapitrisa. Nanamarika [fr] ny OCHA fa faritra midadasika ao amin'ilay firenena no nahatratra ny sata maha-valanaretina azy (34 amin'ireo distrika ara-pahasalamàna miisa 46), indrindra fa ny mankany avaratra.

Araka ny tarehimarika momba ny valanaretina navoakan'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka sy ny ady amin'ny aretina SIDA, dimy tapitrisa ny tranganà aretina tazomoka voarakitra nandritra ny enimbolana voalohany tamin'ity taona ity. Manome ny fisondrotana 97% izany raha ampitahaina amin'ny vanimpotoana mitovy aminy ho an'ny taona 2018. Pikantsary avy amin'ny Birao mpandrindra ny raharaha maha-olona ao amin'ny Firenena Mikambana.

Kanefa, tsy vonona hanambara ny maha-valanaretina ilay olan'ny tazomoka raha ny governemanta:

Mila mampirina ny hambompony ireo manampahefana ao Burundi ary manambara ny aretina tazomoka ho efa lasa loza manerana ny firenena. Maty ny olona nefa toa tsy misy miraharaha. Rehefa mifoha ny sainy,  ho tara loatra. Tsarovy ity bitsika ity.

Ilay zaza borondey enina taona, namiratra tao amin'ny Youtube, Kacaman, no nisintona ny saina momba ny manjo ireo olona an'aliny mangirifiry noho ny aretina tazomoka rehefa injay izy matin'ilay aretina :

Tsy maintsy misy zavadoza ve vao afaka hanao fanovàna? Ny fahafatesan'i Kacaman, enina taona, kintana iray tao amin'ny  YouTube, dia misarika ny saina ho ao Burundi, izay toerana misy olona maherin'ny 1.800 matin'ny malaria tamin'ity taona ity, araka ny nambaran'ny OMS.

Notaterin'ny  [fr] Radio France Internationale ireo tenin'ilay mpiasa iray misahana ny fahasalamàna izay nanambara tsy nitonona anarana fa tototra tamin'ilay aretina ry zareo ary, raha nambaran'ny governemanta ny nivadihany ho valanaretina, mety ho nanamora ny fanohanana ireo olona misedra sandam-pitsaboana lafo be izany.

Ny gazety Iwacu dia namaritra [fr] ny toedraharaha misy ao amin'ny klinika iray ao Giheta, any amin'ny faritanin'i Gitega, tamin'ny Jolay, izay miady miatrika ny fitomboan'ny isan'ireo trangan'aretina : 90% amin'ireo marariny no voan'ny aretina tazomoka ary ankizy ny ankamaroany. Isambolana, anjatony maro ireo marary raisin'ity klinika ity, mitambatra fandriana ary miteraka filaharambe, mahatonga ireo mpiasa ao aminy hiharan'ny tsindry.

Tanatin'ireo antony mahatonga azy, notanisain'ny OMS ny havitsian'ny fampiasàna fepetra fisorohana, toy ny lay aromoka, ny fiovaovan'ny toetrandro ahafahan'ireo moka manatratra ny faritra avo [fr] (any amin'ireo firenena be tendrombohitra), ny firoboroboan'ny tanimbary tato anatin'ny taona vitsivitsy farany (miaraka aminy ny fitomboan'ny rano mihandrona izay ahafahan'ny moka mitombo mora foana), toedraharaha iray ara-pahasalamàna miteraka olana any amin'ireo faritra an-tanandehibe sy ireo fiovaovan'ny fomba fanaon'ireo moka. Nantsoin'ny OMS ireo rehetra mpisehatra mba haka “fepetra hentitra”.

Franck Arnaud Ndorukwigira, borondey iray bilaogera ao amin'ny tranonkala Web Yaga, dia nitatitra [fr] fa singa iray manakana ny fisorohana ilay aretina ihany koa ny fahantrana raha araka ny nambaran'ireo mpitsabo ao amin'ny firenena. Notanisainy ny antontanisa iray avy amin'ny Banky Iraisampirenena izay milaza fa miaina anaty fahantrana ny 74,7% amin'ireo Borondey, antony iray mahatonga ny fahasarotan'ny fidirana hahazo fikarakaràna ara-pahasalamana. Ny tsy fahampian-tsakafo sy ny faharefoana ara-batana dia mampahasarotra kokoa ny hahatafavoaka velona amin'ny olan'ny tazomoka. Matetika ampiasaina entina manihika ny lay aromoka.

Mba hiatrehana ilay olana, nanao ezaka maro [fr] ny governemanta : nanolotra [fr] odimoka atsifotra, fanafody maimaimpoana, indrindra ho an'ireo ankizy latsaky ny dimy taona, ary ireo klinika mandehandeha any amin'ireo faritra saro-dàlana. Vinavinany ny hanatanteraka fitsinjaràna faobe ny lay aromoka amin'ny 2020. Na izany aza anefa, ny Birao mpandrindra ny raharaha maha-olona ao amin'ny Firenena Mikambana (OCHA) dia mahatsikaritra “tsy fahampian'olona, fitaovana ary vola ho entina mahita vokatra mahomby”.

Ny minisitry ny fahasalamana, Thaddée Ndikumana, anefa misoroka [fr] tsy hanambara ny maha-valanaretina azy io. Nodisoiny [fr] ireny vaovao ireny, tamin'ny nampitahàny ny toedraharaha amin'izao fotoana izao tamin'ireo tarehimarika avo be voarakitra tamin'ny 2017, fony ny governemanta nanambara [fr] fisianà hamehana. Araka izany, ilay bilaogera Honoré Mahoro sy ireo maro hafa dia nanakiana mafy [fr] ilay fahataràna. Androany, niala bala [fr] tsy hiteny ny hoe valanaretina ny minisitra.

Tamin'ny Jona, ny  Tahirin'ny Firenena Mikambana ho an'ny Ankizy (UNICEF) dia nanoratra fa nisy fihatsaràna kely tamin'ny teodraharaha maha-olona, saingy mbola marefo ihany izy io na izany aza, misy olona 1,7 tapitrisa no hita fa miaina ao anaty tsy fahampiana. Mety hiharatsy ny toedraharaha raha miampy ireo loza voajanahary, indrindra fa ny tondradrano sy ny loza mitatao entin'ny viriosy ebolà ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô, efa ho herintaona mahery sahady izao. Mbola eo koa ireo olana hafa, toy ny tsy fanjariana ara-tsakafo manjo ny 44% amin'ny mponina, (araka ny lazain'ny UNICEF), ary vao haingana ny valanaretina kôlerà ao [fr] à Bujumbura.

Vakio koa : Mialoha ireo fifidianana hatao amin'ny 2020, miatrika fandemena ny antoko iray vaovao eo amin'ny fanoherana ao Burundi [en]

Ao anatin'ny volonandro mitondra mankany amin'ny fifidianana hatao amin'ny 2020 daholo ity olan'ny fahasalamàna ity no mitranga, ary mety mandà ny hanambara amin'ny fomba hentitra ny fisian'ny hamehana ny governemanta, toejavatra iray haharatsy fijery azy. Mbola mijanona ho mavesatra ny toedraharaha politika hatramin'ireo fifidianana noteherina tamin'ny 2015.

Marobe ireo olompirenena mandositra na mifindra toerana ao anatin'ny fireneny ihany, anisan'ireny ireo politisiana sy mpanao gazety, raha ny governemanta kosa indray voakiana mafy noho ny fikisahany any amin'ny fanaovana tsy refesi-mandidy, mifanehatra amin'ireo governemanta hafa, ireo fikambanana iraisampirenena toy ny Firenena Mikambana sy ny Fiombenambe Afrikàna, ary iharan'ny fanadihadiana ataon'ny Fitsaràna Heloka Bevava Iraisampirenena noho ny fanitsakitsahana mibaribary ny zo maha-olona.

Vao mainka manozongozona sy manaratsy ny toedraharaha ilay olan'ny tazomoka, amin'ny fanamafisana ny fahantrana, ny tsy fanjarian-sakafo ary ireo fahasahiranana ara-toekarena, toy ny tsy fisiana [fr] efa zary iainana isanandro amin'ireo vokatra fihinana sy ny sondrombidin'ny solika.

Noho ny fameperana apetraka amin'ireo mpilaza vaovao sy fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakàna, sahirana amin'ny fanatanterahana ny asany ireo mpanao gazety, izay manelingelina amin'ny firotsahana an-tsehatra amin'ireo olana sy mampananosarotra ny fahazoana vaovao sy torohay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.