Voarahona horarana ao Tonga ny Facebook noho ny lahatsoratra iray nanohitra ny fanjakam-panjaka

Mpianatra ao amin'ny lisea Tailulu ao Tonga nanararaotra ny fampiasana ny tolotra aterineto haingam-pandeha vaovao tamin'ny fankalazana ny Andro Manerantany ho an'ny Fifandraisandavitra sy ny Orinasan'ny Fampahalalam-baovao 2013 tao an-drenivohitra Tongan, Nuku'alofa. Nukua'lofa, Tonga. Sary sy fanazavana: Tetikasa Tom Perry / Banky Iraisam-pirenena. Loharano: Flickr (CC BY-NC-ND 2.0)

Mihevitra ny fandraràna ny Facebook ho fepetra hanoherana ireo lahatsoratra heverina ho ‘manala-baraka’ ny fianakavian'ny mpanjaka ny governemanta ao Tonga.

Misy mpisera Facebook eo ho eo ho eo amin'ny 62.000 ao Tonga ao anatin'ireo mponina tombanana ho miisa 100.000 eo ho eo. Io no fanjakam-panjaka farany any amin'ny ranomasina Pasifika izay mbola manohy ny fanjakany sy ny fahefany eo amin'ny fiarahamonina.

Manana mpitsikera ihany koa ny fanjakana saingy tsy tian'ny olona ny manakiana ampahibemaso io andrim-panjakana io. Mihevitra ny olona sasany fa mety ny maneho hevitra momba ny fianakavian'ny mpanjaka sy ny olo-malaza hafa ao amin'ny tambajotra sosialy, indrindra ny Facebook, amin'ny alàlan'ny fanafenana ny tena mari-panondroana azy ireo.

Saingy nahatezitra ny praiminisitra ny “fiampangana tamin'ny resaka fananahana” ny mpanjaka sy ny zanany vavy ka nananganany vondrona mpiasa avy amin'ny sampan-draharaha marobe handinika ny fandraràna ilay sehatry ny tambajotra sosialy malaza mba hiarovana ny lazan'ny olona tsy manan-tsiny. Nilaza ny praiminisitra fa hanapa-kevitra ny kabinetrany, amin'ny fifampidinihana miaraka amin'ny parlemanta, raha toa ka horàrana vonjimaika ny Facebook na dia tsy nolazainy aza raha toa ka mila ny fankatoavana avy amin'ny fitsarana na torolàlana tsotra avy amin'ny fitondrana ho an'ny mpamatsy tolotra Aterineto Tonga Cable no hanatanterahana ny fanakanana ny fidirana amin'ilay sehatra.

Ny tsy nolazain'ny praiminisitra dia ny fisian'ny sasany tamin'ireo mpanohana azy izay voampanga ho mitantana pejy Facebook ao ambadiky ny sasany tamin'ireo fitsikerana ny fianakavian'ny mpanjaka.

Misy ny volavolan-dalàna mbola mihantona ao amin'ny parlemanta izay mikasa ny hanafoana ny fahefana sasany hananan'ny fanjakana. Saingy nampiasa ny Facebook ireo mpanohana amim-pahatokiana ny fanjakana ho sehatra hiarovana ny andrim-panjakana sy hanosehana hiverina ny ezaka ataon'ny antoko politika sasany mba hanalefahana ny andraikitry ny fianakavian'ny mpanjaka amin'ny dingana tetezamitan'ny firenena avy amin'ny fitondram-panjaka mifandimby mankany amin'ny rafitry ny fitantanana demaokratika maoderina. Mihevitra ny olona sasany fa mahazo fanohanana bebe kokoa ao amin'ny Facebook ny hery manohana ny fanjakam-panjaka ka tetika tsotra fotsiny ataon'ny governemanta mba hifehehezana ny vaovao noho izany ilay fandrarana nokasaina atao.

Nahazo tsikera avy amin'ny sehatra maro samihafa ilay soso-kevitra momba ny fandraràna ny Facebook. Nanamarika ny matoandahatsoratra navoakan'ny sampan-draharahan'ny filazam-baovao Kaniva Tonga fa hanimba ny fahalalahana maneho hevitra ny fandrarana :

The decision the Tongan government faces is not an easy one. To simply shut down Facebook would not stop offensive comments being made.

It could also damage the kingdom’s economy and severely inconvenience those ordinary Tongans who use the online forum sensibly.

More importantly, it would, however hard it is to accept, strike a blow against freedom of speech, something that should not come from a democratic government.

Tsy mora ny fanapahan-kevitra hatrehin'ny governemanta ao Tonga. Tsy hanakana ny fanehoan-kevitra manafintohina misy ny fanakatonana tsotra fotsiny amin'izao ny Facebook.

Mety hanimba ny toe-karena ao amin'ny fanjakana ihany koa izany ary hiteraka fanelingelenana betsaka amin'ireo olom-pirenena tsotra ao Tonga izay mampiasa ny sehatra fifanakalozan-kevitra an-tserasera  saropady.

Ny tena zava-dehibe kokoa anefa, na dia sarotra hinoana aza izany dia ny famelezana ny fahalalaham-pitenenana izay zavatra tsy tokony ho avy amin'ny governemanta demaokratika .

Nampitandrina momba ny hadisoana amin'ny fandrarana ny Facebook ihany koa i Philip Cass, izay nanoratra tao amin'ny Kaniva Tonga:

…it would be easy to get around any ban on Facebook with the right software and in any case, the perpetrators of the posts seem to live in Australia and will not be affected.

A wholesale ban on Facebook would be unlikely to succeed and would upset the majority of Tongans who use the site for legitimate purposes.

By trying to impose a ban the government will simply make itself look foolish or ineffective.

… Ho mora ny miala amin'ny fandraràna ny Facebook amin'ny alàlan'ny rindrambaiko mety ary amin'izany mety hipetraka any Aostralia ary tsy ho voakasik'izany ilay namoaka ny lahatsoratra .

Mety tsy hahomby ary mety hanorisory ny ankamaroan'ny Tongans izay mampiasa ny tranonkala ho amin'ny tanjona ara-dalàna ny fandraràna ambongadiny ny Facebook.

Hampiseho ny tenany ho toa tsy ampy saina na tsy mahomby ny governemanta amin'ny fiezahana hametraka ny fandraràna.

Nilaza tamin'ny fampahalalam-baovao i Jope Tarai, akademika monina any Fiji, fa tsy rariny ho an'ny mpisera Facebook any Tonga ny tolo-kevitra:

It would be very heavy handed if the rest of the majority of active account users in Tonga would have to pay the price for a group that is been [sic] accused of being a fake Facebook group.

Mavesatra tokoa izany raha ho an'ireo mpisera sasany mavitrika amin'ny kaonty ao Tonga izay lasa mizaka ny vokatry fiampangana ny vondrona Facebook sandoka.

Nanoro hevitra ny governemanta Tongan mba hifantoka amin'ireo olana ara-tsosialy lehibe kokoa ny fanehoan-kevitra sasany ao amin'ny Twitter. Ny hafa kosa nanamafy fa ilaina ho an'ny fianakaviana mba hifandraisana amin'ny fianakaviany izay monina any amin'ny firenen-kafa ny Facebook. Manana soso-kevitra ho an'ny governemanta ny mpitarika ny tanora iray :

Raha miatrika olana goavana ny firenentsika momba ny kolikoly, ny zava-mahadomelina tsy ara-dalàna, ny heloka bevava sns … miasa saina momba ny @facebook kosa ny Minisitry ny Polisy. Tsy ny fanaovana safidy no vahaolana fa ny fanabeazana ny vahoakantsika ary ny hanao ny mangarahara

Mandritra izany fotoana izany, nilaza ny polisy fa manao fanadihadiana izy ireo momba ireo fanehoan-kevitra ‘manala-baraka’ ny mpanjaka sy ny printsy vavy tao amin'ny Facebook ary efa vonona kosa izy ireo ny hametraka fitoriana na momba ny fanalam-baraka na fikomiana na famadihan-tanindrazana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.