· Marsa, 2013

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Marsa, 2013

Brezila: Fampahafantarana ny Antoko Vaovao Tarihin'i Marina Silva

  17 Marsa 2013

Nampahafantarina tao an-drenivohitra Brasilia tamin'ny 16 febroary 2013, tamin'ny anarana hoe “Tambajotran'ny Faharetana” ny antoko politika vaovao najoron’ ny minisitry ny tontolo iainana teo aloha Marina Silva. Olona teo amin'ny 1700 no nanatrika ny fampahafantarana izany Tambajotra izany, anisan'izany ireo mpanohana, mpanangana ny antoko ary ny mpirehan-kevitra, ary manantena ny hoheverina...

Podcast Manokan'ny Global Voices: Habemus Podcast!

  16 Marsa 2013

Niaraka taminà kardilay Afrikana roa noheverina ho isan'ny manana vintana hisolo ny Papa Benoit XVI, dia niresaka tamin'i Steve Sharra sy Abdoulaye Bah avy amin'ny ekipa Afrika ato aminay izahay mikasika ny mety hisian'ny Papa Afrikana

Misaona ny Mpanoratra Frantsay Stéphane Hessel ny Mafana fo Eran-tany

  15 Marsa 2013

Nodimandry tamin'ny alin'ny 26 Febroary 2013 lasa teo ny mpanoratra, mpisolovavan'ny zon'olombelona, sady mpitolon'ny Fiaretana (“résistance”) Frantsay, Stéphane Hessel, nanome aingam-panahy tamin'ny fahadisoam-panantenan'i  Eoropa sy Etazonia ka nitarika ho amin'ny fikarakarana fanoherana ny bokiny nahalafosana betsaka indrindra sy haingana mikasika ny fanandratana ny fandriampahalemana. 95 taona izy izao. Tonga fanta-daza eran-tany i...

Moldovia Tsy Misy Governemanta: Inona No Tohiny – Atsinanana sa Andrefana?

Ny 5 Martsa, nolanian'ny Parlemanta Moldavy ny fitsipaham-pitokisana, itsipahana [ro] ny governamanta fiaraha-mitantan'ireo antoko telo mankasitraka ny fiarahana amin'i Eoropeana, notarihan'i Vlad Filat. Herinandro vitsy tany teo aloha teo, i Moldovia no tahaka ny fanantenana lehibe tany amin'ny sisintany Atsinanan'ny Fiombonambe Eoropeana. Mizotra mankany aminà krizy politika henjana izy ankehitriny. Mitatitra i Diana Lungu.

Mpikatroka Sady Tonian-dahatsoratra Thailandey Voasazy Higadra 11 Taona An-tranomaizina

  12 Marsa 2013

Tao anatin'ny efitranom-pitsarana hiboka olona tao Bangkok, tafintohina, sosotra tanteraka ireo thailandey  taorian'ny didy fanamelohana higadra 11 taona an-tranomaizina navoakan'ny Fitsarana Heloka Bevava ho an'ilay mpikatroka ny zon'ny mpiasa sady tonian-dahatsoratra ao amin'ny Voice of Taksin, Somyot Prueksakasemsuk noho ny heloka fanevatevana mpanjaka. Tsy noho ny didy manameloka azy ihany no tena nahatonga ny fahasosorana...

Tohana Ara-Miaramila Maleziana Hanafihana Ireo ‘Mpampihorohoro’ Ao Sabah

  10 Marsa 2013

Tonga nanafika sy nibodo ampahany maro tao Sabah any Borneo Avarata ny tafika ‘royal army’ an'ny Soltana Sulu, tamin'ny volana lasa ho fanamafisany ny fitakiana an'ilay zaratany. Roatokom-bolana taty aoriana, nandefa ny miaramilany ny governemanta Maleziana hanaisotra ireo 'mpampihorohoro'. Naneho ny fanohanany ny ankamaroan'ireo Maleziana mba hanaovana hetsika miaramila hanilihana ireo mpanani-bohitra

Fomba Fampiasa Twitter Mety Hanapaka Tarangana Ny Fampielezankevitra Politikanao Ao Rosia

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, nahiliky [ru] ny mpitsara iray tao Krasnodar tsy hifaninana ho mpanolotsain'ny tanàna ny mpanao politika iray, taorian'ny nanamarinana fa nandika ny lalàna napetrak'ireo tambajotra sosialy telo malaza ety anaty aterineto ny antontan-kevitra nampiasainy hampielezana hevitra : Twitter, Facebook, sy Vkontakte. Inona marina no tena helok'ilay rangahy ity? Nandefa doka miloko mainty sy fotsy izay nahitàna ny fangon'ireo tranonkala telo ireo tao anatin'ny fampielezankeviny