Mpikatroka Sady Tonian-dahatsoratra Thailandey Voasazy Higadra 11 Taona An-tranomaizina
Tao anatin'ny efitranom-pitsarana hiboka olona tao Bangkok, tafintohina, sosotra tanteraka ireo thailandey taorian'ny didy fanamelohana higadra 11 taona an-tranomaizina navoakan'ny Fitsarana Heloka Bevava ho an'ilay mpikatroka ny zon'ny mpiasa sady tonian-dahatsoratra ao amin'ny Voice of Taksin, Somyot Prueksakasemsuk noho ny heloka fanevatevana mpanjaka. Tsy noho ny didy manameloka azy ihany no tena nahatonga ny fahasosorana fa noho ny hamafin'ny sazy ihany koa. Raha tokony ho 15 taona an-tranomaizina no sazy farany ambony indrindra amin'ny fanevatevana mpanjaka, sazy an-tranomaizina mandritra ny fotoana fohy no navoaka taminà raharaham-pitsarana teo aloha. Tsy mba nahazo izany anefa i Somyot, fa voaheloka higadra 5 taona isak'ireo fiampangana azy, izay miisa roa, ary miampy herintaona an-tranomaizina tamin'ny sazy mihantona azony tamin'ny 2009 (fiampangana hafa) izay tsy maintsy mihatra avy hatrany ankehitriny.

Narahin'ireo polisy i Somyot taorian'ny didy (sazy an-tranomaizina 11 taona) navoakan'ny Fitsarana Misahana ny Heloka Bevava. Sary avy amin'i Lillian Suwanrumpha, Copyright @Demotix (1/23/2013)
Diso fanantenana tanteraka i Somyot, nanantena izy fa ho afaka madiodio satria nihevitra izy fa tsy nanao heloka. Araka ny tatitra avy amin'i Prachatai, nanambara ny naman'i Somyot izay migadra ao amin'ny fonja ao Thailandy, fonja nitazomana an'i Somyot nandritra ny 20 volana mahery, fa nanantena i Somyot fa hampihatra ny marina ny Fitsarana ary hitsara ara-drariny.’ Nampiakatra ny raharaha eny anivon'ny fitsarana ambony ny mpisolo vavany ary hangataka famotsorana amin'ny fandoavana onitra.
Noho ny votoatin'ny fiampangana azy no mahatonga an'i Somyot ho be fanantenana. Lehiben'ny tonian-dahatsoratra amin'ny gazetiboky politika, Voice of Taksin (boky efa voaràra tamin'ny taona 2010) i Somyot, izay namoaka lahatsoratra roa voalaza fa nanitsakitsaka lalàna momba ny fanajana mpanjaka tamin'ny taona 2010. Niakatra fitsarana izy tamin'ny taona 2011, ary nolavina in-12 ny fangatahany famotsorana mandoa onitra ka voaheloka ihany izy tamin'ny 23 Janoary 2013. Tamin'ny alalan'ny solon'anarana (pseudonyme) no namoahana ireo lahatsoratra ary tsy voalaza mivantana tao ny momba ny fitondram-panjaka. Na dia izany aza, nihevitra ny fitsarana fa mazava be ny olona tian'ny lahatsoratra kendrena sy lazaina ary amin'ny maha-lehiben'ny tonian-dahatsoratra, tokony ho fantatry Somyot tsara ny votoatin-kevitra soratany sy avoakany kanefa mbola navoakany ihany ilay lahatsoratra
“Nampiseho ny fitsarana heloka bevava fa tsy nahitana fijerinà mpianatra ambony mikasika ny fitondram-panjakana ilay lahatsoratra navoakan'i Somyot. Fanevatevana no hita tamin'ny votoatin-dahatsoratra ary niteraka fanalam-baraka ho an'ny mpanjaka,” araka ny filazan’ilay mpitsara Thawee .
Nahazo tsikera marobe avy amin'ireo vondrona mpiaron'ny zon'olombelona ao Thailandy sy avy any ivelany, ary ny sampam-pahalalambaovao iraisam-pirenena ny didim-pitsarana. Tao Thailandy, na dia izany aza, somary manjavozavo ny fitantaran'ny fampahalalalm-baovao mahazatra izany vaovao izany.
Tahaka ny raharaha teo aloha, somary nizarazara be ihany ny fijerin'ireo mpiserasera momba ny didim-pitsarana navoaka ho an'i Somyot. Nilaza ny sasany fa nahazo ny sahaza azy i Somyot satria mbola nanohy naneho hevitra manitsakitsaka ny lalàna Andininy faha-112 ihany.
mitrapaap naneho hevitra tao amin'ny habaka fifanakalozan-kevitra, Bangkok Post:
Efa nahazo sazy mihantona izy. Fantany tsara ny loza mety hanjò azy raha tsy manakombona ny vavany izy. Tsy maintsy manao safidy araka ny lalàna manan-kery ny olona, na tianao na tsy tianao. Tsy manova ny lalàna ny fanitsakitsahana azy.
ploydonut nanampy hoe:
Firenena mahafinaritra i Thailandy, ary tokony higadra maharitra ela ireo olon-dratsy manevateva ny firenentsika, ny andrim-panjakantsika, sy izay manao heloka bevava .
Khon Thai Hua Jai Singh nanoratra tao amin'ny habaka fifanakalozan-kevitra:
Ho an'ireo mpomba ny hetsika manohitra ny fitondram-panjaka – raha mahita ianao fa tsy toerana tsara onenana i Thailandy noho ny fisian'ny fitondram-panjaka, mandehana misintaka ny firenena maminay, firenena izay manaja ny mpanjakanay.
Na raha mihevitra ianao fa diso fanantenana tamin'ny fanamelohana an'ilay meloka Andriamatoa …. Fotoana hanovànao ny fomba fijerinao izao. Tsy mbola tara ho an'ity fiarahamonina ity sy ny fianakavianao ny mamela anao noho ireo zava-bitanao. Tokony hisafidy ny tokony atao ianao.
Mifanohitra amin'izany, vondrona mpiaro ny zon ‘olombelona ao Thailandy sy any ivelany nanameloka ny didim-pitsarana ary nilaza ny sasany tamin'izy ireo fa nahazo izany sazy henjana izany i Somyot noho izy mpikatroka mitolona amin'ny fanovana ny lalàna Andininy faha-112
Henjana loatra ny sazy 10 taona an-tranomaizina ho an'ny olona izay tsy mitovy hevitra amin'ny hafa. Zavatra iray tokony hianaran'ny fiarahamonintsika ny fanajana sy fanekena ny hevitry ny hafa sy ny hasiny,” araka ny filazan‘ilay mpikatroka Thailandey iray.
Luk Chaona nanoratra tao amin'ny habaka fifanakalozan-kevitra Prachatalk:
Fanagadrana ny fahalalahana hanan-kevitra ny didim-pitsarana fanamelohana an'i Somyot. Mandeha ho azy ho an'ny olombelona ny fananana fijery na hevitra samihafa mikasika toe-javatra iray ary tokony hahay hiara-hiaina amin'ny fiarahamonina ahitana vahoaka samy manana ny heviny sy ny fijeriny ny tsirairay.
Ny fahadisoam-panantenana lehibe, na dia efa tsy mahagaga intsony aza dia ny tsy fisian'ny fanehoan-kevitra avy amin'ny governemanta Yingluc. Ambonin'izany, mahakasika ny gazetiboky mpomba an'i Thaksin ity raharaha ity izay nitarika ny fampahafantarana ny Lobaka mena (chemise rouge) (Hetsika akaikin'ny Praiminisitra teo aloha Thaksin, anadahin'ny Praiminisitra am-perinasa ankehitriny Yingluck). Nanatrika ny fotoam-pitsarana an'i Somyot ny Filohan'ny UDD, Thida Thavornseth ary nikarakara hetsim-panohanana ho fanentanana amin'ny “Famotsorana an'i Somyot” ireo vondrona “lobaka mena” marobe. Na izany aza, araka ny efa nampoizina, tsy nitsabaka na naneho hevitra tamin'ity raharaha ity ny antokon'ny fitondrana Pheu Thai. Araka ny filazan'ilay Profesora Duncan McCargo:
Mitandrina mafy ny toerany i Yingluck Shinawatra mba hiarovany ny fifanekena ara-politika mampijanona azy eo amin'ny fitondrana- ka mahatonga azy hitandro ireo andrim-panjakana mpandala ny netin-drazana ao amin'ny firenena, anisan'izany ny lapan'ny mpanjaka, ny fitsarana sy ny tafika .
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 1 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...