· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Avrily, 2011

Singapore: Kianin'ny Mpitoraka Bilaogy ny Fandaharanasan'ny PAP

Ny antoko mitondra ao Singapore, People’s Action Party (PAP), dia namoaka ny fandaharanasany ho amin'ny fifidianana tamin'ny 17 Aprily 2011, izay nokianin'ny mpitoraka bilaogy maro avy hatrany ho “safo be mantsina loatra.” Efa teo amin'ny fitondrana ny PAP nandritra ny taompolo dimy nifandimby. Amin'ny 7 May ny fifidianana Faobe eo amin'ny firenena no hatao.

21 Avrily 2011

Belarosia:Ny Ambadiky ny Baomba sy ny Fipoahana

Akon

Tsy mbola levona akory ny setroka naterak'ilay fipoahana tao amin'ny Metro ao Minsk tamin'ny Alatsinainy, ny fanontaniana roa manao hoe : "Inona no tokony hatao? - Iza no tompon'andraikitra?" no apetraky ny tontolon'ny fitorahana bilaogy Belarosiana. Firehan-kevitra roa lehibe no mibahana, fiampangana na ny Filoha President Lukashenko na ny mpanohitra ara-politika, na eo aza ny fihetseham-po lalina mankany amin'ireo niharan-doza toa mampiray ny vahoaka ao Minsk.

21 Avrily 2011

Côte d'Ivoire: Lavo i Laurent Gbagbo

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny Korontana any Côte d'Ivoire 2011 ity. Nivoaka ny vaovao malaza tamin'ny 11 aprily 2011 tamin'ny 01 ora GMT : nosamborina tao amin'ny fonenany ao Cocody i Laurent...

14 Avrily 2011

Ejipta: Mahatsiaro Ny Zava-nitranga Tao Bahr El-Baqar

Iraikambiefapolo tana lasa izao, ny 8 Aprily 1970, ary nandritra ny Ady Mitarazoka Attrition, nodarohan'ny tafika Israeliana ny sekoly ambaratonga voalohany iray tao amin'ny tanana Ejiptiana Bahr el-Baqar, atsimon'i Port Said, any amin'ny faritany atsinanan'i Sharqia. ny Sekolin'i Bahr El-Baqar - sekoly iray misy efitrano telo sy mampiantrano mpianatra 150 - no simba, 30 amin'ny mpianatra tao no maty, 50 mahery no naratra mafy, ary marobe no nitondra takaitra. Ary taorian'ireo taona maro ireo, mbola mahatsiaro ilay vonomoka ny Ejiptiana.

14 Avrily 2011