Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny Korontana any Côte d'Ivoire 2011 ity.
Nivoaka ny vaovao malaza tamin'ny 11 aprily 2011 tamin'ny 01 ora GMT : nosamborina tao amin'ny fonenany ao Cocody i Laurent Gbagbo niaraka tamin'ny vadiny, Simone, sy ireo olona akaiky azy. Dimy volana aty aorian'ny fandavany hiala amin'ny fitondrana ha hanome izany an'ilay filoha vaovao any Côte d'Ivoire izay eken'ny vondrona iraisam-pirenena, Alassane Outtara, hiditra amin'ny kihon-dalana vaovao indray ve ny krizy?
Ny fizotry ny zava-misy tamin'ny 10 sy 11 aprily 2011
Nanambara tao amin'ny twitter ny fiadidiana ny filoha frantsay (@Elysée) [fr] fa manaiky handray anjara amin'ny fanafihana hotanterahan'ny miaramila any Côte d'Ivoire i Lafrantsa ny 10 aprily:
@Elysée: Araka ny nifanarahana tamin'ny filoha #Ouattara, ny sekretera jeneralin'ny #ONU nangataka an'i N #Sarkozy hanohy ny fanafihana ataon'ny ONUCI.
Tao amin'io fanambarana io, nanamarina ny fandarohany baomba nataony indray [fr] i Elysée, fandarohana izay mikendry ny tranon'ny filoha ao Cocody, Abidjan, izay iafenan'i Laurent Gbagbo, fanapahan-kevitra hamaly faty ny fanafihana nikendrena ny Hotel du Golf, foiben-toeran'i Ouattara, nataon'ny mpiaro ny filoha Gbagbo (FDS) [fr] . Nianjera ny baomba voalohany tamin'ny 5 ora (ora ao Abidjan).
Ity lahatsary ity nalefan'i terryko0 tao amin'ny YouTube tamin'ny 11 aprily. Ny lohateniny: “Abidjan 10-04-2011. Tirs de missiles contre la résidence de Laurent Gbagbo” (Tifitra misily hikendrena ny tranon'i Laurent Gbagbo):
Nampihena ny herin'ny tafik'i Gbagbo ny fanafihana, araka ny hita amin'ireto lahatsary eto ambany ireto, nalaina ora vitsy taorian'ny daroka baomba. Navoaka aterineto ao amin'ny YouTube izy ireto tamin'ny 10 aprily, nampiasain'i Atteby. Hita ao, maratra, i Sidiki Bakaba, mpilalao sarimihetsika ivoariana izay nanao valandresaka tao amin'ny tranonkala Slate Afrique [fr] vao haingana:
Ao amin'ity lahatsary ity, nalaina tao amin'ny YouTube nampiasain'i atteby, ekipa mpitsabo am-perinasa mitsabo ny miaramila ao amin'ny tranon'ny filoha:
Ny marainan'ny 11 aprily 2011, ity lahatsary manaraka ity mampiseho tifitra miainga ao Blockhaus, faritra manakaiky an'i Cocody, Abidjan, mampiseho fiarabe mifono vy an'ny UNICORN,tafika frantsay any Côte d'Ivoire, mandeha. Araka ny voalazan'ny fahitalavitra lgconnectTV, izay nandefa ireto sary ireto tao amin'ny YouTube, dia mizotra mankany amin'ny tranon'i Gbagbo ireto fiaraba mifono vy ireto:
Amin'ny 11 ora GMT, ny fahitalavitra France24 nanamarina ny vaovao hita ao amin'ny pejy voalohany [fr]:
Araka ny lahatsoratra an-gazety navoakan'i Reuters adin'ny roa taty aorian'ny fanafihana, nosamborin'ny tafika manokana frantsay i Laurent Gbagbo, ary natolotra ny Tafika Repoblikana an'i Ouattara. Nanoratra ny France24 momba izay :
Alassane Ouattara, filoha eken'ny vondrona iraisam-pirenena ho filohan'i Côte d'Ivoire, no nanome baiko ny miaramilany tsy hanitsakitsaka ny zon'olombelona manoloana an'i Laurent Gbagbo sy ny vadiny.
Nampiseho lahatsary hafa koa ny TCI, izay nitenenan'i filoha teo aloha hampitsahatra ny ady fa hiverina ho amin'ny fandriampahalemana:
http://www.youtube.com/watch?v=Qca5nDIw4yc
Je souhaite qu'on arrête les armes, qu'on rentre dans la partie civile de la crise, et qu'on la conclue rapidement pour que le pays reprenne.
Nilaza tamin'ny vahoaka Ivoariana sy ny vondrona iraisam-pirenena i Ouattara fa hamafisina ny fampiharana ny fanarahan-dalàna, hiantohany ny ‘fiarovana ny ain'i Laurent Gbagbo sy ny vadiny, ary hanao dingana izy hampanjakana ny fahamarinana.
Niombonana izany faniriana hiverina amin'ny fandriam-pahalemana izany toa an'i Diouf Mamy (@mymaluydealbi) izay nanoratra tao amin'ny twitter:
@mymaluydealbi: Après ce qui s'est passé, j'espère que Ouattara sera le président de tous les Ivoiriens sans exception. Que la paix revienne en #civ2010