Tantara mikasika ny Politika tamin'ny Jolay, 2020
Misarika ny saina amin'ny #DalitLivesMatter ny Indiana
Mijery akaiky ny iray amin'ireo mponina mahantra indrindra ao amin'ny firenena ny Indiana rehefa nentanin'ny aingam-panahy tamin'ny hetsika #BlackLivesMatter.
Mihaika ny lalàna vaovao nolaniana momba fiarovam-pirenena tamin'ny fihetsiketsehana tsy misy mpitarika ny Hongkongers
Namintina ny fihantsian'ny mpanao fihetsiketsehana ny afisy lehibe iray. "Tianay p..y i Hong Kong" hoy ny fivakiny.
Miarahaba ny lalàna vaovao momba ny fiarahan'olona samy lahy/vavy ny vondrom-piarahamonina LGBTI
Vao dimy taona lasa izay ny diabem-pireharehana tao amin'ny firenena no noraràn'ny polisy fa hoe "ahiana loatra hampidi-doza" taorian'ny fandrahonan'ny vondrona mpankahala hômô hanao herisetra.
Mbola eo ampelatanan'ny manampahefana Iraniana ny ain'ny mpifindra monina Afghana
Raha Afghana an-tapitrisany no nialokaloka tany Iran mpifanolo-bodirindrina aminy dia nisy sasany tamin'izy ireo ihany koa no maty teo ampelan-tanan'ny manampahefana Iraniana rehefa namakivaky ny firenena hihazoana an'i Eoropa.
Lasa sesitany rehefa avy any am-ponja: antsafa nifanaovana tamin'ilay mpikatroka Vietnamiana Tran Thi Nga
Gadra politika teo aloha noho ny fanehoan-kevitra miresaka momba ny niainany taorian'ny nisamborana azy sy ny fiantraikan'ny famonjana azy teo amin'ny fianakaviany.
Ahoana koa ny manaraka ao Taiwan rehefa tafala tamin'ny latsabatom-panesorana ny Ben'ny Tanàna pro-Beijing?
"Ny hafatra iraisampirenena ambadika fahombiazan'ny latsabatom-panesorana an'i Han Kuoyu dia ny nilazan'ny vahoakan'i Taiwan hoe Tsia amin'i Shina"