Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Ahoana koa ny manaraka ao Taiwan rehefa tafala tamin'ny latsabatom-panesorana ny Ben'ny Tanàna pro-Beijing?

Famoriam-bahoaka ho fanesorana amin'ny latsabato an'i Han Kuo-yu tamin'ny 5 jona 2020. Saripika avy amin'i We Care Kaohsiung

Tratran'ny latsabatom-panesorana azy amin'ny maha-ben'ny tanànan'i Kaohsiung, tanàna faharoa lehibe indrindra ao Taiwan, ka miteraka fifampihenjanana vaovao indray amin'ny fifandraisana amin'i Shina ny politisiana iray eo am-pisandratana sady efa kandidà ho filoham-pirenena taloha izay mirona ho amin'ny fanatsarana bebe kokoa ny fifandraisana amin'i Beijing.

Ny latsabatom-panesorana an'i Han Kuo-yu no manamarika fa sambany nisy ben'ny tanàna voatsipy tamin'ity fomba iray ity mialoha ny hanaperany ny fehim-potoam-piasana.

Ny fomba nanalàna azy dia ny latsabatom-panesorana tamin'ny 6 jona izay nahitana mpifidy 939.090 mirona amin'ny fanesorana an'i Han ary 25.051 monja no manohitra izany.

Araka ny lalàna Taiwaney — nahitsy tamin'ny taona 2016 — mihoatra ny ampahaefatry ny mpifidy ao Kaohsiung izay mitotaly manodidina ny 2,3 tapitrisa no ilaina mandrotsaka ny vatom-panesorana ary tsy maintsy mihoatra ny isan'ny tsy manaiky izany mba hahatanteraka ny hetsika.

Han Kuoyu mamariparitra ity fanentanana latsabatom-panesorana ity ho fanentanana fanaratsiana olona manerana ny firenena ataon'ny Antoko Demaokratika Liam-Pandrosoana (DPP) mitondra amin'izao fotoana, nanana ny kandidàny Tsai Ing-wen nandresy an'i Han tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny janoary.

Fisandratana sy fidarabohan'ny sakaizan'i Shina

Tamin'ny taona 2018 i Han no nandresy tamin'ny fifidianana Ben'ny tanànan'i Kaohsiung nahazo vato 892.545. Ity tanàna miorina any atsimo dia dia noheverina ho “maitso lalina” — roapolo taona nialoha ny nifidianana an'i Han ny mponina ao amin'ity tanàna ity no nirona hatrany tany amin'ny Antoko Demaokratika Liam-Pandrosoana izay mpanohana ny fahaleovantena.

Vondrona politika kely maromaro ny nitarika ny fanentanana latsabatom-panesorana. We Care Kaohsiung, iray amin'ireo vondron'olompirenena nanao fanentanana, izao niampanga an'i Han ho nanadino ny mponin'i Kaohsiung tsy nanatanteraka ny fampanantenany hamaha ny olan'ny tanàna fa nihazakazaka kosa ny hirotsaka ho filoham-pirenena.

Ny paika ara-politikan'i Han dia miompana manontolo amin'ny firoboroboana ara-toekarena ary hitany fa ny fifanatonana ara-toekarena sy ara-politika amin'i Shina no hany lala-tokana mankany amin'izany tanjona izany.

Tamin'ny taona 2018, ny tigetram-pifidianany dia hoe “Entambarotra mivoaka. Olona miditra. Olona maro miditra ao Kaohsiung no miteraka tombombarotra goavana” (貨出得去,人進得來,高雄發大財). Ny tanjona dia ny hampitomboana ny fanondranana entana mankany Shina sy misintona mpizahatany bebe kokoa avy any amin'ny Tanibe.

Saingy tsy nety nivelatra ny toekaren'i Kaohsiung noho ny nanokanany ny heriny tany amin'ny fifidianana ho Filoha tamin'ity taona 2020 ity, izay niteraka fivakisan'ny lazany tao an-toerana.

Ny teny tigetra tamin'ny fifidianana manerana ny firenena dia hoe “Filaminana ho an'i Taiwan. Vola ho an'ny Vahoaka”(台灣安全 人民有錢), izay mampiditra fa miankina amin'ny fifandraisany amin'i Shina ny filaminam-pirenena sy ny firoboroboan'i Taiwan.

Tsy nahapetraka ny marika ny fanentanana ary niezinezina ny fandresen'i Tsai Ing-wen.

Ny faharesen'i Han na eo amin'ny sehatra nasionaly na eo amin'ny sehatra ao an-toerana no manondro ny fetran'ny sehatra pro-Beijing ao anatin'izao toedraharaha ao Taiwan izao.

Ampangain'ny vondrona mpanohana ny fahaleovantena ho tohanan'ny Antoko Komonista Shinoa i Han. Nanohana ampahabemaso ny Marimaritra Iraisana tamin'ny taona 1992, fifanarahana nosoniavin'ny antoko Kuomingtang nitondra tamin'izany fotoana izany sy i Shina, izay manana fotokevitra hoe “Shina iray fa samy manana ny fijeriny” i Han.

Tamin'ny Janoary 2019, anefa, nandeha lavidavitra kokoa ny mpitarika shinoa Xi Jinping, nampiditra tosika hampanao sonia an'i Taiwan amin'ilay “Firenena Iray Rafitra Roa” mitovy fotokevitra amin'ny momba an'i Hong Kong.

Saingy naharesy lahatra ny Taiwaney maro ny korontana tao — nopihan'ny ezak'i Shina hivoy an'ilay volavolan-dalàna fandroahana ho any Shina tamin'ny alalan'ny vaomieran'ny fanaovandalana ao Hong Kong — fa tsy araka izay namariparitana azy ny “Firenena Iray Rafitra Roa”.

Chen Yichi avy ao amin'ny Antoko Fananganam-Panjakana an'i Taiwan, antoko mpanohana ny fahaleovantenan'i Taiwan izay anisan'ny mpandray anjara mavitrika tamin'ny fanentanana fandatsahambato fanesorana, nankalaza ny fahombiazan'ny fanentanana tao amin'ny Facebook.

韓國瑜罷掉所釋放的國際政治訊息就是,台灣人民向中國說不,讓習近平難堪,挺香港。…💥 內除中共代理人跟滲透,真的是我們要認真實踐的事情啊!

Ny hafatra iraisampirenena ambadika fahombiazan'ny latsabatom-panesorana an'i Han Kuoyu dia ny nilazan'ny vahoakan'i Taiwan hoe Tsia amin'i Shina, nahasakodiavatra an'i Xi Jinping ary fanehoa-panohanana an'i Hong Kong… Mila matotra isika ary mihetsika amin'ny fanoherana ny fitsofohan'ny mpitsikilon'ny AKS etoTaiwan.

Krizy politika ao amin'ny antoko mitondra taloha

Niteraka fahavakivakisana goavana ho an'ny KMT izay nahita ity politisiana manana foto-pisainana tia mihary harena ity ho mpanavotra (一人救全黨) ka avy amin'izany no nahazoany olona manodidina azy ny fandresena miezinezina azon'ny vato ho fanesorana an'i Han.

Hung Hsiu-chu, anisan'ny mpitarika ao amin'ny KMT nanome akony ny tsikeran'i Han amin'ny latsabato ary namely ny DPP antoko mitondra ho nanohana ny fanentanana.

罷韓程序及過程完全違反了民主的基本原則。執政黨連最基本的行政中立都未遵守、甚至發動綠媒圍剿!根本就是假藉民主之名踐踏民主,製造仇恨對立,已然埋下台灣不公、不義、不安的種子!…無論罷免成功與否,沒有贏家,已是全民皆輸的民主醜聞!民主退步台灣之恥!

Mifanohitra amin'ny fotokevitra ny demaokrasia ny vato fanesorana an'i Han satria tsy nanaraka ny fotokevitra tsy fitongilanan'ny fitondram-pitantanana ny antoko mitondra. Nanetsika ireo sehatra fampitam-baovao maitso io ho fanaratsiana an'i Han. Mihorongorona ambonin'ny demaokrasia amin'ny anaran'ny demaokrasia io ary mamorona fankahalana sy fampisaraham-bazana. Naeliny manerana an'i Taiwan ny voan'ny tsy rariny, tsy ara-drariny ary ny tsi-fahamarinan-toerana… raha tsy jerena ny vokatra, dia tsy misy ny mandresy ary fanafintohinan'ny demaokrasia izay resy daholo ny rehetra amin'izy ity. Fihemorana mahamenatra amin'ny fivoarana demaokratika eto Taiwan izy ity.

Saingy nanana fomba fandraisana azy amin'ny fomba hafa ny Filohan'ny KMT amin'izao fotoana, Johnny Chiang, naneho fanajana ny safidin'ny mpandrotsa-bato ary miala tsiny amin'ny mponin'i Kaohsiung noho ny tsy nahavitan'ny antoko nameno ny nantenain-dry zareo.

Nilaza mialoha ny isian'ny krizy ao anatin'i KMT izany efa nahatratra taonjato iray izao i,Alex Payette, mpandalina mifantoka manokana amin'ny politikan'i Shina, antoko nitondra tsy nisy mpanohitra mandra-pahazoan'ny DPP ny fandresena tamin'ny fifidianana filohampirenena voalohany tamin'ny marsa 2000.

Nanapika krizy anatiny tao amin'ny  #KMT #國民黨 faharesen'ny  #韓國瑜 an'i #HanKuoyu tamin'ny 6 jona.Mety hahita antoko vaovao hipoitra isika eto #Taiwan #台灣 atsangan'ny singa liam-pandrosoana kokoa ao amin'ny Antoko Nasionalista satria mbola miandry antoko anelanelany ny sangany ara-toekarena Taiwaney

Etsy andaniny, misy ireo mpaneho hevitra sasantsasany mitsinjo mialoha fa hiditra amin'ny fomba maherivaika kokoa i  Beijing hitsofohany raha manapa-kevitra ny handao ny fotokevitra “Shina Iray” notazoniny hatry ny elaela ny KMT.

Amin'ny 12 septambra raha ela indrindra i Kaohsiung hifidy ben'ny tanàna vaovao. Mety hirotsaka hofidiana amin'izany ny Filoha lefitra an'i DDP, Chen Chi-mai, raha mbola handroso kandidà iray na sehatra iray ny KMT.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.