Mbola eo ampelatanan'ny manampahefana Iraniana ny ain'ny mpifindra monina Afghana

Sary hosodokon'i George Floyd nataon'ny mpanakanto Afghana sy ny sary famantarana «Tsy afaka miaina izahay» miaraka amin'ny sainan'i Iran mba hampisehoana ny herisetra ataon'ny polisy ao Iran amin'ny Afghana. Sary natolotr'i Omaid Sharifi, tao amin'ny Twitter, nahazoana alàlana. 

Raha mbola manohy ny fihetsiketsehany izao tontolo izao manoloana ny fahafatesan'i George Floyd tany Etazonia sy ny fanamelohana ny fanavakavaham-bolonkoditra sy ny fanavakavahana dia mitolona manokana amin'ny olana mitovy amin'izany ireo Afghana izay ahitana ny fomba ampijaliana ireo mpifindra monina Afghana ao Iran rehefa niezaka ny ho tonga any Eoropa amin'ny alàlan'izany firenena izany izy ireo.

Ny fitifirana fiaran'olon-tsotra nitondra mpifindra monina miisa 13 tao amin'ny faritany Yazd ao afovoan'i Iran nataon'ny polisy Iraniana tamin'ny volana Mey no tranga vao haingana nahitana ny habibiana maro niainan'ireo mpifindra monina Afghana. May tao anaty fiara ny mpifindra monina miisa telo ary naratra mafy ny efatra vokatry ny tifitra. Niparitaka tao amin'ny tambajotra sosialy ny sarin'ny fiara nirehitra ka niteraka hatezerana. Araka ny nosoratan'ny mpisera Twitter Afghan iray:

Tena mahamenatra sady manala-baraka fa na dia aty amin'ny taonjato faha 21 aza dia mbola manjaka ny habibiana amin'ny REPOBLIKA ISLAMIKAN'I IRAN, ISLAMIKA averiko tsara !

Nitalaho ny mpifindra monina iray izay afaka nivoaka tao anatin'ilay fiara may hoe: “Hitondray rano aho fa may.” Niteraka hatezeram-bahoaka tao Afghanistan sy tany an-kafa ity tranga nampihetsi-po ity.

Nitatitra ny Reuters News Agency fa:

Police fired on the vehicle, suspected of carrying drugs and undocumented migrants, after it crashed through a checkpoint, Ahmad Tarahomi, deputy Yazd governor, told state media. After its tyres were hit, the vehicle continued to drive away on its wheel rims, igniting sparks which started the fire, Tarahomi said.

Nitifitra ity fiara ity ny polisy noho ny fiahiahiana izany ho nitondra zava-mahadomelina sy mpifindra monina tsy misy taratasy rehefa nidona tamin'ny toerana fisavana, hoy i Ahmad Tarahomi, governora mpanampy ao Yazd tamin'ny fampitam-baovaom-panjakana. Mbola nanohy nandeha niaraka tamin'ny kodiaram-by ny fiara taorian'ny nahavoa ny kodiarana ka niteraka tselatselatra sy nahatonga ny firehetana hoy i Tarahomi.

Hoy i Khaled Hosseini, mpanoratra Afghana fanta-daza manerantany, mpanoratra ilay boky malaza “The Kite Runner”, tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook:

I add my voice to the chorus of Afghans who have denounced the recent killing of Afghan refugees at the hands of Iranian police in Central Yazd province. It is shocking and unforgivable, and as an Afghan and refugee advocate, I am heartbroken. The image of that burning car and the screaming, half-burnt boy is searing.

Manampy ny feon'ny Afghana manameloka ny famonoan'ny polisy Iraniana ireo mpitsoa-ponenana Afghana vao haingana tao amin'ny faritany Yazd afovoany aho. Mampivarahontsana sady tsy mety avela heloka izany ary tena malahelo aho amin'ny maha-mpisolovavan'ny mpitsoa-ponenana Afghana ahy. Mampahonena ny sarin'ny fiara mirehitra sy ny hikiakan'ilay zazalahy may ny ilany.

Tompon'andraikitra Iraniana maro no nanararaotra ny fahafatesan'i George Floyd mba ho fitaovana fampielezankevitra hamelezana an'i Etazonia, nefa izy ireo ihany koa aza dia tsy mahavita mamaha ny olana amin'ny fampijaliana tsy mitsahatra ny mpitsoa-ponenana Afghana any Iran, araka ny voalazan'ilay mpanao hatsikana Afghana Musa Zafar tao amin'ny siokany:

Eh @JZarif

Hita may tao anatin'io fiara io i George Floyd.

Misy domberina ve ?

Taorian'ny fitarainana tao Afghanistan dia nitsidika ny hopitaly tao Iran ny ambasadaoro tao Afghanistan any Iran izay nitsaboina ireo mpifindra monina Afghana afaka nivoaka ny fiara may. Niarahaba ilay lehilahy izay nofatorana rojovy teo am-pandrianan'ny hopitaly ny ambasadaoro.

Tena habibiana tsy hay lazaina:
Nodoran'ny polisy velona ireo mpitsoa-ponenana tao anaty fiara.
Nofatorana rojovy ao amin'ny hopitaly ilay iray hany tafavoaka velona ka na dia ny ranomasony aza saika tsy voafafany.
Nanao valan-dresaka momba ny fanavakavaham-bolonkoditra any Etazonia i @JZarif indray andro.

Talohan'ity tranganà fiara nirehitra ity, Afghana miisa 50 mahery no nosamborina raha niampita ny sisintany andrefan'i Afghanistan nankany Iran tamin'ny volana Mey 2020. Nampijaly azy ireo ny polisin'ny sisintany Iraniana ary nanery azy ireo hitsambikina any anaty renirano izay miala ao Afghanistan mankany Iran. Efa ho 23 tamin'izy ireo no maty an-drano, 15 no tsy hita ary 21 monja tamin'izy ireo no sisa velona.

Nitoraka ny vavahadin'ny masoivoho Iraniana ao Kabul tamin'ny loko ireo mpikatroka Afghana ny Alahady mba hanoherana ny fitifirana ny fiara nitondra ireo mpifindra monina Afghana tany Yazd, Iran sy ireo Afghana mpifindra monina maty an-drano tao amin'ny Renirano Harirud.

Nanda ny fampijaliana sy ny mpifindra monina Afghana maty an-drano noho ny nataon'ny polisin'ny sisintany i Iran. Saingy mila fanadihadiana ny fitokisana ny manampahefana Iraniana: tamin'ny volana Janoary 2020, notifirin'ny mpiambina revolisionera tao Iran nandritra ny fifandirana tamin'ny Etazonia tany amin'ny faritra ny fiaramanidina nitondra mpandeha. Nolavin'i Iran tamin'ny voalohany ny fampiasany balafomanga nikendrena ilay fiaramanidina izay nahafatesana olona miisa 176 teny an'habakabaka, saingy niaiky izany izy ireo tamin'ny farany.

Nanamafy ny fanadihadiana nataon'ny Vaomiera Mahaleotena Mpiaro ny Zon'olombelona any Afghanistan fa nampijaly sy namono mpifindra monina tany amin'ny sisintany ny polisin'ny sisintany Iraniana.

Tamin'ny 14 Mey, nanangana vaomiera hanadihady momba ireo mpifindra monina Afghana maty an-drano ny governemanta Afghana sy ny governemanta Iraniana. Tsy mbola namoaka ny valin'ny fanadihadiana ny vaomiera na dia mbola nolavin'i Iran aza izay mety ho fahadisoana nataony.

Araka ny fitarainan'ny mpisera Twitter Afghana iray:

2/x
Mampiseho ny zavatra iainan'ny mpitsoa-ponenana fa miaina mihoatra ny tsy rariny ny vahoaka Iraniana amin'ny ankamaroan'ny tranga ka mahatonga ny fiainana ho helo ho an'ny Afghana any an-tsekoly, any amin'ny faritra manodidina, any amin'ny toeram-piasana.
Nankaiza daholo ny kolontsaina sy fahatsiarovan-tena hatry ny ela?

Raha  an-tapitrisany maro ny Afghana nialokaloka any Iran hatramin'ny nipoahan'ny ady tamin'ny taompolo 1980 dia nampijalian'ny manampahefana Iraniana ihany koa izy ireo, araka ny asehon'ireo tranga mampalahelo vao haingana. Tsy misitraka ny fampianarana sy ny filàna fototra ireo Afghana izay matetika miasa toy ny mpiasa mitady ny hohaniny isan'andro.

Nandà tsy hitsabo ireo mpifindra monina Afghana miasa any Iran ny tompon'andraikitra ara-pahasalamana Iraniana rehefa namely an'i Iran ny COVID-19 tamin'ny volana Febroary 2020. Vokatr'izany, mpifindra monina an'hetsiny no tsy maintsy nangorona ny entany ary niverina tany Afghanistan ka namindra aretina tany amin'ny tanindrazany izay efa marefo ny rafitra ara-pahasalamana mba hiadiana amin'ny areti-mandringana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.