Rosìa : Hatsikana politika

La Russophobe no mitatitra ireo hatsikana fanaon'i Dave Essel mikasika ny Sovietika na koa ny toe-draharaha ankehitriny. Santionany amin'izany :

Putin’s Reform Programme:
1. Make people rich and happy;
1a. List of people attached.

“Programan'ny filoham-pirenena Poutine :
1. Hanao izay hampanankarena sy izay hiadanan'ireo “people” [vahoaka];
1a. Indro ny lisitr'ireo “people” [olo-fatam-bahoaka].”

[FANAMPIM-PANAZAVANA : Fony nampanantena ny filoha Poutine dia noheverin'ny vahoaka izay nifidy azy fa izy ireo no iantefan'ny fampanantenana … kinanjo taty aoriana dia hita fa izay olombitsy namana akaikin'ny filoha sy ny fitondrany ihany no nanankarena, satria misy dikanteny roa ny hoe “people”].

4 hevitra

  • 🙂 ahona moa ny fandinkana ny hoe LOL ?

  • Izaho manolotra ny hoe TNH = Toran’Ny Hehy

    P.S: tsy mba any amintsika moa no hitombo toy izany ny haren’ireo akaman’i Ra8 ô … satria tsy manana namana izy dia ny hareny samirery ny azy no mitombo 😉

  • “satria tsy manana namana izy dia ny hareny samirery ny azy no mitombo”
    TNH. Izany ve ny hoe sady mampimehy no masosotra ?

  • NY ahy aloha ny sitrako dia ny hoe manomboka mampieritreritra 😉

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.