Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Septambra, 2014
‘Avy Ao Ambadiky Ny Kodiarana': Topimaso An’ Ireo Vehivavy Tavela Irery Ao Tajikistan, Nilaozan'ny Vadiny Nifindra Monina Any Rosia
"Behind the Wheel" dia horonantsary fohy iray miresaka mpifindra monina sy i Nigora, ilay vehivavy iray mahavariana, izay nitady vahaolana taorian'ny namitahan'ny vadiny azy, nohadinoiny ny fomba amam-panaon'ny mponina tao an-toerana nisy azy ka lasa nanamboatra ny simba amin'ny kodiaranà fiara izy.
Sary Maromaro Mampiseho Ny Fiainana Ankoatra Ny Ady Sy Ny Voina Ao Palestina
Natsangana ny Olombelon'i Palestina hitarafana ireo nofinofin'ny Palestiniana sy ny andavanandron'izy ireo. Saingy hatramin'ny nisian'ny fanafihana, dia kendren'ny pejy ny hanarina ny maha-olombelona izay matetika voahosihosy, ka mametraka ny Palestiana ho isam-paty, anarana azo adinoina ary vatana may sy norasarasaina, fa tsy olona manana ny tiana, tantara, nofinofy ary faniriana