Tantara mikasika ny Zavakanto & Kolontsaina tamin'ny Mey, 2024
Tena mbola tsy misy mpahita loatra ao Taiwan ny Afrikàna
Ao Taiwan, tsy mbola hita loatra ny Afrikàna. Araka izany, rehefa tonga ny 25 May izay ankalazaina isantaona ho Andron'i Afrika, dia nanome hirika tsy fahita firy mba hanandratana ny kolontsaina afrikàna, na dia ho andro iray monja aza.
Jelena Milušić sy Merima Ključo : ny fanahin'ny ao Balkàna avoaka amin'ny alàlan'ny mozika
Ahafahana manome aina indray ny lovan'i Bôsnia-Herzegôvina io fampivadiana feona contralto amin'ny angorodao io, ny tononkalon'ny taonjato faha-19 hatramin'ireo hiran'ny Jiosy sefarady
Aza manome ahy tsy jazz: inona no mitranga amin'ny fetiben'ny jazz ao Rosia
Nitsaha-ketrika ny tetikasa sasany rehefa nanomboka ny ady nifanaovan'i Rosia tamin'i Okraina, raha mbola nitohy kosa ny hafa, na dia miankina amin'ny vatsy omen'ny manampahefana ao an-toerana aza izany
Mahita izao tontolo izao amin'ny alalan'ny teny: Ahoana no ahafahan'ny boky mampitsangatsangana antsika
"Eo amin'ny tontoloko, manam-pahaizana mamorona tontolo hafa ao an-tsaintsika ny mpanoratra, ary mitondra ny andraikitra maneho ny kolontsaina sy ny olana, mitantara amim-pahefana izay misy fiantraikany amin'ny fihetseham-pontsika."
Chai? Tea? Ahoana no fisotroan-dry zareo Indiàna ny dite-ny?
India no iray amin'ireo firenena tena mpamokatra be indrindra ny dite eto amin'izao tontolo izao, ary jifainay ny ampahany betsaka amin'ny vokatray
Dite miboiboika (Bubble tea): In-dray migoka avy any Taiwan lasa zava-malaza manerantany
"Ilay toetrany faran'izay azo tefena araka izay tiana dia tsy hoe fotsiny mitondra ho amin'ny fahafahampo ho amin'ny famoronana, fa koa ahafahana manome toerana ny fampifanarahana mba hamaliana ireo tsiro tadiavin'ireo mpankafy azy marobe manerantany."
Mpitsara avy any Moldova nanome ny isa ambony indrindra ho an'i Okraina nandritra ny Eurovision 2024
Nomen'ireo mpijery sy mpitsara avy ao Môldavia ny isa ambony indrindra — 12 tsirairay — ireo fampisehoana nataon'ireo solontenan'ilay firenena mpifanolo-bodirindrina, Okraina.
Bangladesh : lehilahy iray manavotra fiteny tsy misy afa-tsy olona enina sisa no mampiasa azy.
Amin'izao fotoana izao, olona enina sisa, izay efa samy 60 taona daholo, no miteny tsy miambakavaka ny fitenim-poko Rengmitca. Raha maty izy ireo, hanjavona ao Bangladesh ny **ilay fiteny sy ny kolontsainy
Nahazo ivon-tsehatra tao amin'ny Eurovision 2024 ny adin'Israely amin'i Gaza
Raha noheverina ho fanalana azy ny fifaninanankira isan-taona Eurovision, lanonana tsy idiran'ny politika, niteraka fifandonan-kevitra sy ankivy ny fanapahan-kevitry ny mpanohana hamela an'Israely handray anjara.
Mpikatroka iray nandika ny Minecraft, manga, sy Harry Potter avy amin'ny teny Rosiana ho amin'ny fiteny Chuvash
Nihamafy vao haingana ny fahalianana amin'ny fiteny indizeny any amin'ny repoblika sasany ao Rosia. Mipoitra amin'ny media sosialy isan-karazany ny vondrom-piarahamonina, manampy amin'ny fianarana ny fiteny sy mampiasa azy ireny amin'ny fiainana andavanandro.