Telopolo taona taorian'ny nahafatesan'i Elis Regina, iray isan'ny endrika malaza amin'ireo mpiantsehatra mpiangaly mozika Breziliana, ny zanany vavy Maria Rita, mpihira nanao izay hahatafita ny tenany tamin'ny herin'ny tena, dia niaka-tsehatra hihira ireo hiran'ny reniny, sambany hatrizay nihirany. Efa manana folo taona mahery nihiràna sahady i Maria Rita, nahalafo maherin'ny iray tapitrisa tamin'ny rakikirany voalohany.
Ilay fitetezam-paritra ‘Viva Elis’ na ‘Ho Ela Veolan i Elis’, ahitàna kaonseritra maimaim-poana dia nitety ireo tanan-dehibe Breziliana, Porto Alegre, Recife, Belo Horizonte, São Paulo sy Rio de Janeiro, nofaranana ny 13 May, ho fanamarihana ny Andro natao ho an'ny Reny. Nanjary lohahevitra noresahana be tao amin'ny Twitter [pt] ilay fitetezam-paritra, na tao Brezila na nanerana izao tontolo izao.
Elis Regina, fantatra amin'ny hoa ‘Pimentinha’ na ‘Little Pepper’ noho ny fihetsiny sahisahy, dia nampiseho fomba fiakarana an-tsehatra mafonja, mahery vaika izay nanjary lasa marika amantarana azy. Voalohany nahafantarana ilay mpihira ny hirany hoe ‘Arrastão’ izay nahazo ny loka Brazilian Popular Music Festival [pt] Fetiben'ny Mozikam-bahoaka Breziliana tamin'ny 1965.
Noho ny toerana misy azy eo amin'ny seho an-tsehatra amin'ny mozika Breziliana, taorian'ny nahafatesany i Elis dia namela mpankafy marobe izay mahatsiarotsiaro ny feony. Tsy azo nihodivirana ny fampitahana azy ny zanany vavy rehefa niakatra teo an-tsehatra i Maria Rita niaraka taminà feo tsy nifanalavitra loatra. Na izany aza, nifidy ny hiala ny aloky ny reniny ilay zanaka vavy, tsy mbola nihira mihitsy ny hira efa nohirain'ny reniny. Hatreto.

Maria Rita niaka-tsehatra tao São Paulo, 5 May 2012 avy aminà mpampiasa Instagram, @rocharonald, fampiasàna nahazoana alàlana
Jéssica Rodrigues, avy ao amin'ny vavahadin-seraseran'ny bilaogy Maria Rita, dia manoritsoritra [pt] ny fivaivain'ny fanehoan-kevitry ny mpanatrika tao Belo Horizonte tamin'ny 8 Aprily 2012:
A platéia se divide ao longo do show em participar ativamente, cantando, vibrando e empolgando e em outros momentos, a serem meros espectadores, silenciando para contemplar as obras como sinal de devoção, tamanha a genialidade e emoção.
Nahafahan'ireo andian-taranaka samihafa nihaona ilay hetsika, tamin'ny alalan'ny fihaonan'ireo mpankafy an'i Elis Regina sy Maria Rita. Tao São Paulo, Maria Rita niteny tamin'ny olona [pt] fa tamin'ny alàlan'ny mozika no tena nahalalany tsara ny reniny, fony mbola efatra taona monja i Rita no maty i Elis. Ireo mpankafy an'i Maria Rita koa dia tamin'ny alàlan'ny feon'ny zanany vavy no nahalalany ny asan'i Elis, araka ny bitsika nalefan'i Carla Santos [pt] mpampiasa twitter, ho an'i Maria Rita:
Seu objetivo foi alcançado. Hoje na fila aqui em BH [Belo Horizonte], tinha fãs seus,que estão conhecendo melhor sua mãe. Graças a você. Parabéns!
Fefeu, avy amin'ny bilaogy Clube da MPB, dia manoritsoritra [pt] ny nitrangan'ny zavatra toy izao tao São Paulo:
A diversidade do público presente tornou o ambiente ainda mais bonito e agradável. Fãs de Elis, pertencentes a antigas gerações, os quais tiveram importantes passagens de suas histórias marcadas por canções alegres ou tristes interpretadas por ela, sentiram-se ainda mais emocionados quando Maria Rita entrou em cena explicitando expressões corporais, trejeitos, coreografia e timbre muito próximos aos de sua mãe. Foi como voltar no tempo.
Nameno ny tambajotra sosialy ireo sary nalain'ny mpankafy taorian'ilay kaonseritra. Ilay mpampiasa Twitter, Dudinha Sales [pt], dia nizara sary iray ahitàna irao vahoaka be tao amin'ilay kaonseritra tao Recife:

Vahoaka be nanatrika ny kaonseritra nataon'i Maria Rita , Recife, 1 Aprily 2012, avy amin'ilay mpampiasa Twitter @mdudasales, fampiasàna nahazoana alalana
Carol Mendonça nandrakitra [pt] ny hafanànan'y seho tao São Paulo:

Maria Rita nihira an'i Elis tao São Paulo, 5 May 2012. Sary avy amin'ilay mpampiasa Flickr, Carol Mendonça, fampiasàna nahazoana alalana.
Hatramin'ny fandefasana SMS sy fakàna sary, ireo mpankafy an'i Maria Rita sy Elis Regina koa dia nandrakitra anaty lahatsary an'ilay fitetezam-paritra. Ny fikarohana ny teny hoe ‘Maria Rita Elis Regina’ dia nanome raki-tahiry ampolony maro. Ilay mpampiasa YouTube, ‘smaila’, dia nampakatra lahatsarin'i Maria Rita miresaka mikasika ny fifandraisany amin'ny hiran'i Elis Regina.
Ny teny an-jorony amin'ny lahatsary dia i Jane Ellis no namoaka azy.