Filipina: Fiainam-pitiavana “Aotra”-n'ny Filoha

Ny Filohan'i Filipina Noynoy Aquinon, mpitovo, nampitaha ny  fiainany ara-pitiavana amin'ny zava-pisotro malefaka nandritra ny  fitsidihany ofisialy mandritra ny 5 andro tany Shina, tsy niteraka fihomehezana ihany izany fa niteraka tsikera an-tserasera ihany koa.

“May nagtanong ho kasi sa akin, sabi niya, ‘kamusta love life mo?’ Eh ang sabi ko po sa kanya, parang Coca-Cola. Noong araw, ‘regular.’ Naging ‘light.’ Ngayon, ‘zero,'” said the president.

Nisy olona nanontany ahy hoe, ‘manao ahoana ny fiainam-pitiavanao?” Novaliako hoe, tahaka ny Coca-Cola. Indraindray, ‘milamina.’ Ary avy eo indray lasa ‘mamiratra.’ Ary ankehitriny kosa, ‘aotra,'” hoy i Aquino namaly.

Notaterin'ny fampahalalam-baovao fa niaraka taminà vehivavy marobe ny filoha hatramin'ny nisarahany tamin'ny sipany Soledad Shalani tamin'ny taona lasa. Hisarika fampiasam-bola Shinoa ho an'i Filipina ny anton-diany tany Shina.

Niteraka vazivazy sy fahalianana ny amin'izay vehivavy mety hiaraka aminy aoriana ny fanehoan-kevitra nataony

AOTRA ny fianany ara-pitiavana ankehitriny, ny fanontaniana dia hoe, iza indray no manaraka? Ary rahoviana ny mpiray tanindrazana aminy vao mba hijery mariazy lehibe ao an-dapa?

Misy kosa anefa ireo sasany tsy misangy tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny filoha. Not Offline nibilaogy mikasika ny antony nahatonga ny fianam-pitiavan'ny Filoha lasa lohahevitra ao amin'ny firenena.

Tadidiko tsara izy tezitra mafy raha niditra lalina tamin'ny fiainany manokana  ara-pitiavana ny fampahalalam-baovao, nilaza izy fa tsy tokony hitsabaka amin'ny fiainany manokana ny fampahalalam-baovao. Ny ampitso anefa, indro fa toa niresaka izany indray izy.

Aotra ho an'ny Zon'olombelona

Nandritra izany, nampitaha ny fiainam-pitiavana ‘aotra’ -n'ny Filoha amin'ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ireo mpiaro ny zon'olombelona:

Mokong Perspective miandry fatratra ny andro tsy hisian'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona intsony ao amin'ny firenena.

Sana someday when asked “Kamusta human rights violations sa inyo?” Pinoys would say “parang Coca-Cola. Nung araw regular, naging light, ngayon zero.”

Antenaina tokoa fa rehefa misy manontany indray andro any hoe “manao ahoana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao amin'ny firenenareo?” Dia hilaza i Filipinos hoe “tahaka ny Coca-Cola. Ny andro hafa, ‘milamina.’ Ary avy eo indray lasa ‘mamiratra.’ Ary ankehitriny kosa, ‘aotra,'”.

Nanamarika ny vondrona iraisam-pirenena sy ny vondrona ao an-toerana ho an'ny zon'olombelona fa tsy mba nisy zavatra firy nataon'ny fitondran'i Aquino ny amin'ny fiadiana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona sy ny fandravana ireo tafika tsy miankina.

Fikambanana mpiaro ny zon'olombelona mipetraka ao Filipina namoaka tarehimarika fa 48 ireo novonoina ho faty tsy nisy fitsarana, 5 ny fangalana ankeriny, 29 ny fampijaliana, 151 ny fisamborana tsy ara-dalàna ary 3.010 ireo niharan'ny fanerena hiala ao amin'ny tanàna ambanivohitra.

Aotra ny an'ny Oniverisitem-panjakana sy ny Kolejy

Niditra anaty lisitra ny mpianatra manohitra ny fampihenana ny tetibola  ho an'ny Oniversitem-panjakana sy ny Kolejy  (SUCs), nampitaha ny fiainam-pitiavana aotra an'i Aquino amin'ny fampihenana ny fandaniana ho an'ny sekolim-panjakana ny fotoana tamin'izany.

Natokana amin'ny fanamboarana fotodrafitrasa vaovao sy fividianana fitaovana vaovao ny fampiasam-bola vahiny. Sekoly fito no hahena ny tetibolany, fampihenana hatramin'ny 569,8 tapitrisa eo no fantatra fa hotanterahina amin'ny taona 2012 amin'ny tetibolam-panjakana. Nahena ny ny tetibola izany noho ny Fidinan'ny Oniveriste Filipina laharana ao anatin'ny oniversite tsara indrindra manerantany.

Ny 16 Septambra no Andron'ny Asa an'ny Bilaogy ho an'ny Fampianarana. Eo am-pikarakarana  grevy atao amin'ny 21-23 Septambra ao an-tsekoly ny mpianatra mba hanohitra izany fampihenana ny tetibola ho an'ny fampianarana sy ny asa ara-tsosialy .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.