Zambia: Nanome Valim-pifidianana ny Mpiserasera Noho ny Fahatarana Amin'ny Famoahana Izany..

Valo ambinifolo ora taorian'ny fikatonanan'ny fifidianana tao Zambia ny 20 Septambra lasa teo, nahatonga ny loharanm-baovaon'ny valan-tserasera hamoaka vaovao farany mikasika ny vokam-pifidianana filoham-pirenena, antenimiera ary ny governemanta ao an-toerana ny fahatarana ela be avy amin'ny Vaomiera Misahana ny Fifidianana (ECZ) amin'ny famoahana ny voka-pifidianana.

Mpahay toekarena Zambiana mamoaka hatrany ny vaovao farany momba ny vokam-pifidianana:

Halefanay eto ambany eto ny sarintsarin'ny Lalam-panorenana araka ny fiparitahany isaky ny faritany. Azafady, omeo vokatra izahay rehefa mahafantatra ianareo. Vokatra farany hatrany no halefa.

Supporters of Zambian presidential candidate Hakainde Hichilema display his campaign posters. Image by Owen Miyanza, copyright Demotix (02/09/2011).

Mampiseho ny afisy misy ny dokambarotry ny kandidà nilatsaka hofidiana filoham-pirenena Zambiana Hakainde Hichilema ny mpanohana azy. Sary avy amin'ny Owen Miyanza, copyright Demotix (02/09/2011).

Amin'izao fotoana anoratana ny lahatsoratra izao, ny antokon'ny mpanohitra Mandan'ny Tia Tanindrazana (party Patriotic Front (PF)) izay noeritreritina hahazo vato betsaka dia nahazo seza 45 amin'ny seza 150 noheverina tokony ho azony , raha toa kosa ka nahazo seza valo ny antokon'ny fitondrana MMD ary lasan'ny mpanohitra ny ambiny, ny antokon'ny Miray ho an'ny Demokrasia Nationaly (United Party for National Democracy) (UPND) kosa nahazo seza telo.

Na dia izany aza dia nisy mpandray anjaranay anankiray tsy faly tamin'ny lahatsoratra nosoratan'ilay mpahay toekarena Zambiana. Alphoncious H. nilaza hoe:

Toa tahaka ny manohana ny antoko PF tokoa ity forum ity. Miezaka araka izay afany izy mba hanambaniana ny antoko politika sasany mandray anjara amin'ity fifidianana ity. Inoako fa tsy loharanom-baovao mamporisika mba ahazoana vaovao izany.

Ao amin'ny vondrona Facebook  Zambian Peoples Pact (Fifaneken'ny Vahoaka Zambiana), miezaka manome lanja ny zava-misy ireo mpiserasera.

Tina Banda nanoratra izany mikasika ny sekretera jeneralin'ny antoko PF:

TENA OFISIALY AVY AMINA LOHARANOM-BAOVAO AZO ANTOKA—Wynter Kabimba nanoratra tamin'i Ireen Mambilima mba hanomboka hamoaka ny vokatra amin'izay satria araka ny VOKATRA nangonin'ny biraon'ny mpitantsoratra PF, ny LEHIBEN NY PF SATA no mitarika ny Firenena midadasika amin'ny vato 59% raha 32% kosa ny an'ny RB. Tamin'ny birao fandatsaham-bato rehetra nahavita ny fanisana ny vato no nanangonan'izy ireo ny vokam-pifidianana ka i SATA no mitarika ny FANDRESENA Tsy isalasalana.

Tao amin'ny vondrona Facebook hafa, Vokam-pifidianana – Zambia, nisy ny vokatra tsy ofisialy tonga tsikelikely.

Deli Bwalya nandefa ity manaraka ity:

Chipata Central MP: MMD 14065, PF 10412, Filoha eo amin'ny fitondrana MMD 16224, PF 8952. Fahakiviana ny an'i Mangani (minisitra teo aloha tamin'ny governemantan'ny MMD izay nametra-pialana ka niditra tamin'ny antoko PF) resy tanteraka ka veloma.

Tao amin'ny vondrona Facebook hafa, mitovy ihany ny zava-miseho.

Kennedy Kaluluma nanambara tamin'ny namana mpiserasera fa mety hisy ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety karakarain'ny mpiasa ECZ:

Ofisialy ihany ny vokatra Elo lwanya!!! tsunami yayisa. VIva PFFFFFFFFFFFFFFFFFFFFFFFF! wow! Hanome valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety i Mambillima afaka fotoana fohy. Samy miandry sy hahita izay hiseho. (Ofisialy ihany. Miha-mahaliana ihany izany, tsunami no indro fa mahazo ny Filohan'ny Viva PF. ECZ, toa hanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny mpitsara Ireen Mambilima)

Tao amin'ny Twitter, mpisionkatserasera nitatitra zava-dratsy niseho tao an-tanàna fitrandrahana Solwezi, eo amin'ny 700 km miala ao avaratra-andrefan'i Lusaka, voalaza fa nifandramatra tamin'ny ny mpiasam-panjakana misahana ny fifidianana ny olona taoriana ny nitondrana ny vata fandatsaha-bato tsy nisarona tany amin'ny toerana fanisam-bato.

@TwentyKwacha: tsy rariny kosa. RT @mwabizo: Fikomiana ao solwezi nivadika ho ratsy satria voalaza fa olona iray no namoy ny ainy.#bantuwatch #zambianelections

Nilaza ny ECZ fa hanambara ny vokatra ofisialy amin'ny 22 Septembra 2011, roa andro aorian'ny fandatsaham-bato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.