Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Jolay, 2017

Rosia: Moskoa, Dimampolo Taona Lasa Izay

  27 Jolay 2017

Nahita raki-tsary tsy fahita firy tao anatin'ny fakon'i Moskoa - Im Flug nach Moskau, avy amin'i Erich Einhorn, ARTIA, 1959 ilay mpisera LJ, fool_4_lifetime- ary ni-scan azy ireo sy nandefa ireo sarin'i Moskoa miisa 60 tao amin'ny fiarahamonina LJ moya_moskva (Moskoako).

Okraina, Rosia: Personae Non Gratae

  27 Jolay 2017

Tamin'ny 12 Mey, nambara fa persona non grata (tsy ankasitrahana) ao Okraina ny ben'ny tanànan'i Moskoa Yuri Luzhkov, noho ny fangatahany tamin'i Rosia mba haka ny Sevastopol, Seranan-tsambo ao amin'ny Ranomasina Mainty Okrainiana.

Rosia: Ilay Mpandeha Tsy Nanana Tapakila

  17 Jolay 2017

Ao Moskoa, azo vidiana any amin'ny mpamily 25 robla izay mitovitovy amin'ny 1$ ny tapakila ho an'ny fiara fitateram-bahoaka/trolleybus/tram . Mahazo fihenam-bidy ianao raha toa ka mividy ny tapakilanao eny amin'ny fivarotana manokana. Kanefa aleon'ny olona sasany manao hosoka sy mitaingina maimaim-poana. Fantatra amin'ny anarana hoe zayats amin'ny Rosiana: izany hoe bitro dia ny mpandeha tsy manana tapakila . Nitantara (RUS) ny zavatra hitany vao haingana raha nifanena tamin'io karazan'olona io ilay mpisera LJ kozenko monina ao Moskoa :

Rosia: Zanaka Lahy Faha-efatra

  16 Jolay 2017

Iray volana na nihoatra kely lasa izay, nanomboka ny bilaogy LJ faharoa (voinodel) ilay mpisera voinodel (mpanao gazety Rosiana Vadim Rechkalov) ary nanambara fa hampiasa izany hanoratana "lahatsoratra tsy mandratra" ao.