Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Avrily, 2017
Nilaza Ny Hetsi-panoherana Rosiana Fa Mitohy ny Tolona, na dia eo aza ny Fandraràna Federaly

Na dia noraràn'ny mpampanoa lalàna androany aza, nilaza ny hetsi-panoherana “Rosia Misokatra” fa hanohy ny hetsika rehetra, anisan'izany ny drafitra fihetsiketsehana manohitra an'i Potinina manerana ny firenena androany Asabotsy.
Ahoana ny Nandaozan'i Alexey Navalny ny Nasionalisma Rosiana

Tsy maintsy niova i Alexey Navalny hiandraiketany ny Rosiana mpanohitra, saingy mety mitsahatra amin'ny kabary fandrendreham-bahoaka ifanoherany amin'i Vladimir Potinina izy eny an-dalana.
Te Hiditra Mora Foana Amin'ny Tahirin'ny Fihaonan'Olon-droa Antserasera Ny Manampahefana Rosiana

Manantena hahita fitiavana ao Rosia ve ianao? Raha eny, ary mikasa hampiasa aterineto mba hihaonana amin'ny olona ve ianao, tsy dia an-takonana araka ny antenainao angamba ny tohiny.
Kirkizy Kickboxer Milaza Fisianà Fanavakavahana Taorian'ny Nandàvany Imasombahoaka ny Fahareseny Tao Rosia
Norahonan'ilay mpitsara ny lalao horoahana tsy ho ao amin'ny firenena i Sharsheyev satria nandà ny hiala teo ambony ringa taorian'ny fahareseny.
Hisafidy Poizina? Ny Ortodoksia Rosiana sa ny Fandraràna Tsy Hampiasa Media Sosialy ?

Ireo mpanakiana an'i Vitaly Milonov, angamba ny faran'izay fatra-pifikitra amin'ny nentin-drazana mora tohina indrindra ao amin'ny Parlemanta Rosiana, dia nivoady ny hanao izay handraràna azy tsy hampiasa media sosialy ao amin'ny VKontakte, ilay tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia, izay amoahany "fomba fiteny voarara" ao amin'ny mombamomba azy ety anaty aterineto
Lazain'ireo Rosiana Mpanao Gazety Fa Halatra Ny Iray Amin'ireo Tantaran'ny NYT Nahazo Loka Pulitzer

Ny News York Times no nahazo ny loka Pulitzer tamin'ny taona 2017 tao anatin'ny sokajy tatitra iraisam-pirenena noho ny lahatsoratra folo momba an'i Rosia. Nilaza ny vohikala Rosiana Meduza fa halatra ny iray tamin'ireo tantara ireo.
Fampivoarana ny Tanàndehibe ao Tsetsenia: Nahoana ny Olona no Mandao ny Vohitr'ireo Razambeny?
Lasa tanàna haolo ireo toeram-piompiana sy fambolena any Tsetsenia satria natakalon'ireo mponina tao am-bohitra ny asa an-tselika sy ny tolotolotry ny tanàndehibe ireo asa mafy sy ny fitobahan'ny vokatra eny an-tsaha
RuPaul Ao Amin'ny RuNet : Tonga Any Rosia Noho Ny Fandikànteny An-tsitrapon'ireo Mpisera Amin'ny Aterineto Ny ‘Drag Race’

Mahavalalanina, manan-talenta, pelaka sady voadika amin'ny fiteny rosiana : fihaonana amin'ireo mpandika teny izay mitondra ny fandaharana 'RuPaul's Drag Race' ho an'ny aterineto miteny rosiana.
‘Zelyonka:’ Ny Famonoana Otrikaretina Manohitra An'i Putin

"Nanjary loko tsy ofisialin'ny hetsiky ny mpanohitra any Rosia ny "Maitso mangirana".
Ilay Andro Nandraràn'i Rosia Ireo Vavolombelon'i Jehovah

Hafahafa be ny mahita azy ity voasoratra, indrindra moa fa ny mahalala hoe tena marina ilay izy, saingy dia io izy io: noraràn'i Rosia tamin'ny fomba ofisialy ireo Vavolombelon'i Jehovah.