Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Oktobra, 2019
Rosia: Nisondrotra ny saran'ny fiarakaretsaka ary miseho ny mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra taorian'ny daroka baomba Moskoa
(2010) Mielipatrana ny fiantraikan'ny daroka baomba tanaty metro vao haingana. Misaona ireo niharam-boina ny vahoaka, mitady valiny amin'ireo fanontaniana maro, mandinika ny ho avin'i Rosia ary maneho fahatezerana amin'ireo ... mpamily fiarakaretsaka sy mpisoloky amin'ny hafatra an-tsoratra izay toa manararaotra ny voina.
Rosia: Hazo Noely adala ao Vladivostok
Tsy afaka mihitsy amin'ny vazivaziny izay manakana azy ireo amin'ny fahaketrahana maharitra ireo mponin'i Vladivostok, tanàna seranan-tsambo Rosiana lehibe indrindra any amin'ny Ranomasimbe Pasifika. Mihomehy amin'ny zava-drehetra izy ireo, na izany fitohanana mahatsiravina, na filatsahan'ny ranomandry manaitra, ny ravaky ny hazo noely na hetra vaovao amin'ireo fiara Japoney nafarana.
Mandrisika ny mpiserasera ny Fahitalavi-panjakana ao Shina mba handrahona ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitati-baovao ao Hong Kong amin'ny alalan'ny famoahana ny sarin'izy ireo amin'ny tranonkala
Nandrisika ireo mpiserasera Shinoa ao amin'ny tanibe ny haino aman-jerim-panjakana ao Shina mba hampiasa ny tranonkala fandrahonana (doxing) hkleaks.ru mba hampibaribary ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpitati-baovao ao Hong Kong.