Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Marsa, 2014
Fantaro Ilay Olon'ny Sarimiaina Vaovao Malaza Ao Krimea, Natalia Poklonskaya
Nambabo ny fo sy ny sain'ny RuNety i Natalia Poklonskaya, mpampanoa lalàna vaovao notendren'ny governemanta tia misaratsaraka ao Krimea, ary mahagaga fa nambabo an'i Japana ihany koa izy.
Maty, Indray, Ny Mpisintaka Rosiana No. 1
Nambaran'ny sampana ofisialin'ny Emiràn'i Kaokazy, hetsika mpisintaka mitam-piadiana any Rosia atsimo, fa maty ny fahavalo voalohan'ny fitondrana Rosiana Doku Umarov.
Endrika 10 Hanehoan'ny Rosiana Sy Ny Okrainiana Ny Heviny Tamin'ny Kabary Fanjanahana an'i Krimea
Raha tsy jerena ny fahatsapana momba ny resaka Krimea, dia niavaka iny kabary iny, ary araka ny mahazatra dia ato amin'ny Internet no hanehoan'ny blaogera ny fihetseham-pony. Amin'ny alalan'ny meme.
Niampanga an'i Vladimir Putin Ve Ny Mpiantsehatra Malaza Indrindra Ao Rosia?
Any Rosia, tena ankavitsiana dia ankavitsiana izany olona mipoitra matetika amin'ny fahitalavitra na amin'ny sarimihetsika izany ka hitsikera, na mahasahy irery hiampanga an'i Vladimir Putin. Nanao izany ve i Khabensky?
Mpanao Gazety Iray Noroahana Fa Nitsikera Ny Fibodoana an'i Crimée Tao Amin'ny Facebook
Mametra-panontaniana ny Rosiana raha mbola afaka 'hikarakara' azy ireo i Putin, raha midika ho fampitomboana ny fampiasam-bola kosa izany ho an'ny faritra manodidina.
Vatom-Pifidianana Hosoka Ataon'i Rosia Ao Krimea Nefa Tsy izy
Ny raharahan-tsary iray niteraka fanafintohinana momba ny fitsapa-kevi-bahoaka ny alahady teo ao Krimea no mahatonga ny Rosiana hanahy ny zavatra ratsy indrindra mety hitranga, eny fa na dia mampihomehy aza ny porofo hita.
Tampenan'i Rosia ny Vavahadin-Tseraseran'ny Mpanohitra Miisa Efatra
"Tsy fantatro akory raha mbola misy mamaky ity zavatra ity" - mpitarika ao amin'ny fanoherana Alexey Navalny ao amin'ny bilaoginy izay notampenan'ny biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana Rosiana.
Memes 15 Manampy Trotraka ny Krizy Krimeana
Memes and image macros lend themselves to polarizing rhetoric, not nuanced argument. But, hey, some of them are pretty funny!
Miala Sasatra Any Eoropa Ny Lehiben'ny Fampielezankevitr'i Rosia Nefa Ny Ady Mipoaka
Goavana izany. Eo anelanelan'ny filazana tantaram-pahalòvana, Eoropa pelaka-mpanakavaka, Dmitry Kiselyov sy ny fianakaviany kos amitangin-tsambo manodidina an'i Amsterdam.
Lasa Aloha Loatra i Mama Rosia
Andramo ny maka sary ao an-tsaina ireo miaramila Okrainiana nalefa ao Crimée nefa tsy manana fitaovam-piadiana, toerana izay misy milisy manakan-dàlana sy manakenda ny seranampiaramanidina amin'ny fametrahana toerana fanaraha-maso.