Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Janoary, 2019
Rosia: Tsy hita ireo mariky ny vidin'entana tao amin'ny tempoly
Tsy nijanona tao amin'ny toerana intsony ny lisitry ny vidin'entana ho an'ny tolotra ara-barotra nomena tao amin'ny [Katedralin'ny Kristy Mpamonjy ao Moskoa], izay napetrak'ireo bilaogera mba hahafaly ny masontsika elaela kokoa. Tsy mbola feno herinandro akory dia efa nesorina mangingina tsy ho hitan'ireo mpiserasera ny lisitry ny vidin'entana.
Ny Zavakanto Rosiana Momba Ny Fijokoana “Faran'izay Zokiny”
Manazava ilay Rosiana mpakasary, Tsvetkov, fa asehon'ny asany hoe matetika ny "narsisisma nomerika" dia "miteraka" fijokoana an-tserasera". Fa manao toy izany ve ny tetikasany farany?
Anaovan'ny feminista rosiana setriny masiaka ny filma sovietika nalaza
Mahita ny maodelin'ny ray aman-dreniny amin'ny fahitalavitra sy ny sarimihetsika ho mandiso fanantenana eo amin'ny sehatry ny fifandraisana sy ny miralenta ny taranaka rosiana ao anatin'ny faha-30 taonany amin'izao fotoana izao.
Rosia: Bilaogera ao Kemerovo iray hafa notoriana noho ny fanalam-baraka
Nanomboka ny raharaha heloka bevava nanenjehana an'i Alexander Sorokin monina ao Kemerovo (aka mpisera LJ commentator40), hoy ny tatitra [RUS] avy amin'ny Echo Moskvy. Voampanga ho nanala baraka ny governoran'i Kemerovo, Aman Tuleev [EN] tamin'ny lahatsoratra [RUS] izay nampitaha ny governoram-paritra Rosiana tamin'ireo mpanao didy jadona Amerikana Latina i Sorokin.
Rosia: Tranonkala nakatona noho ny baikon'ny polisy
20marta.ru, tranonkalan'ny mpanohitra natokana hitantarana momba ny “Andron'ny Fahatezerana” natao tamin'ny 20 Martsa no nakaton'ny polisy iray andro monja taorian'ny nisokafany, araka ny notaterin'ny kasparov.ru.
Rosia : Ireo «tenin'ny taona 2016» (nasiam-panazavàna)
Iverenan'ny «RuNet Echo» ny sasantsasany tamin'ireo «tenin'ny taona 2016» - araka ny lisitra iray nataon'ny fantsona tsy miankina «Dojd».
Maty novonoina ny mpamorona sady webmaster-n'ny mpanohitra ao amin'ny tranonkalam-baovao Ingush
Maty novonoina i Magomed Yevloyev, mpamorona sady webmaster-n' ny tranonkalam-baovaon'ny Ingush mpanohitra, Ingushetiya.Ru, nandritra ny fihazonan'ny polisy azy. Nitatitra ny tranonkalany fa voatifitra teo amin'ny lohany i Magomed rehefa avy nosamborin'ny manampahefana Ingush tamin'ny fahatongavany tao amin'ny seranam-piaramanidina Nazran (Magas). Nodimandry tany amin'ny hopitaly izy.
Mety hiatrika telo taona an-tranomaizina ilay Rosiana bilaogera LiveJournal
Mety higadra telo taona an-tranomaizina ilay bilaogera Rosiana 23 taona, Dmitry Shirinkin, izay nanoratra tantara foronina tao amin'ny bilaoginy aingam-panahy tamin'ny fakàna sary tao Virginia Tech.