Rosia: Lamasinina Ambanin'ny Tany (Metro) Lezginka

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Febroary 2007)

Iray volana lasa izay (Janoary 2007), nampakatra lahatsary telo somary hafahafa ana zazalahy roa feno aingampanahy mandihy Lezginka ao amin'ny garan'ny metro (eto sy eto) ary ao anatin'ny fiara lamasinina (eto) ny mpampiasa Youtube  KABARDINEC (‘Kabardian iray’), angamba tao Maosko. Lazaina ho avy amin'ny Repoblikan'i Dagestan ahitàna karazana foko maro no fiavian'ny Lezginka, saingy malaza be manerana ny faritra Kaokazy ireo karazana maro an'ity dihy mahafinaritra ity.

Nizara ilay lahatsary lamasinina ambanin'ny tany (Metro) ho an'ireo mpamaky blaogy i ingushetiya_ru (Ingushetia), mpampiasa LJ:

Ireto ambany ireto misy sasantsasany tamin'ireo valinteny, nadika avy amin'ny teny Rosiana:

andreykrot: Milay!

[…]

Anonymous: Adalana iray.

barkoff_k: Metro aiza? Any Maosko?..

ingushetiya_ru:  Angamba.

barkoff_k: Mpandihy matianina marina ireto izy. Fa nety ho voadaroka koa.

ingushetiya_ru: Na koa mety nahadaroka olona ry lerony.

procol_harum: Fa maninona no any amin'ny metro no atao izany? Fahasorenana fotsiny no aterak'izany.

ingushetiya_ru: Araka ny hitanareo, faly sady nanohana ny olona, nitehaka ry zareo.

croomm: Milay ) Misaotra e )

[…]

Anonymous: Toa lasa sahisahy mihitsy ireto maintivody ireto! Mandehàna mody any [amin'ny tanànanareo any] ry vendrana ah!

ingushetiya_ru: Mandehana miverina any amin'ny tanàna [Rosiana] faty any, [tsy fantatra anarana].

maxim_dubrovin: [Tsy fahalalam-pomba izao.] Any amin'ny trano fampisehoana no tokony hisy ny Lezginka, fa tsy any amin'ny metro izay mety mampidi-doza hahavoadàka ny tongotr'ireo tompon'ilay toerana.

ingushetiya_ru: Toy ny tsy mahay ny tena fandihizana Lezginka tsara ianareo. Tsy misy atahorana ny handakàna tongotr'olona. Matihanina ireo olona ireo.

maxim_dubrovin: Mazava ho azy, tsy ny tongotr'ireo mpandihy no resahako, fa ny tongotr'ireo mipetraka. Tsy mipetraka eo mba hijery fampisehoana izy ireo, ary malalaka ny hametraka ny tongony araka ny hitany fa mety, fa tsy hanafina azy.

janna: Tsara be ry zalahy ah! Hitanareo ve ny fomba fitehafan'ireo [mpandalo] zokiolona, ary ireo tanora tsy mahatakatra ny zava-mitranga. Ahoana no tsy hiraiketam-pitia amin'ny olona toy izao?

dont_worry88: Mahafinaritra be ‘lay izy))) Tsara e!!!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.