· Novambra, 2016

Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Novambra, 2016

“Zava-Poana Miloko Volamena”: Artista An-Dalamben'i St. Petersburg Maneso Ireo Mpiasam-Panjakana Ambony  Mandefa Ny Zanany Any Ampitan-Tsisintany

Akon  24 Novambra 2016

Nanomboka nanangana ny asakantony tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity ilay mpanakanto Rosiana iray izay tsy fantatra anarana fa antsoina amin'ny solon'anarana hoe Hioshi ary fantatra tamin'ny fampirantiana asakanto madinika teny an-dalamben'ny Saint Petersburg. Mampiseho manampahefana Rosiana maro apetraka ao anaty fitotoan-kena miloko volamena ny “Golden Ridicule (Na, Mba Ento Ny Zanako)"; mitrotro zazakely vao teraka ny iray tamin'izy ireo

Hasambarana Tao Amin'ny Twitter Ho An'ity Rosiana Lehiben'ny Fampielezankevitra Ity Ny Nataon'ireo Mpanohana An'i Trump

Akon  11 Novambra 2016

Raha mbola fanina tanteraka tamin'ny fitsimbadihana nampivanàka vitan'i Donald Trump tao anatin'ny hazakazaka ho filohan'i Etazonia izao tontolo izao, ry zareo Rosiana kosa mijery an'i Amerika miaraka amin'ny fiverenan'ny fitokiana indray hoe namokatra ihany nony farany ny tolona natao nandritry ny taona marobe niadiana tamin'ny ampihimamban'ny media liberalin'ny Tandrefana .

Tokony Tsy Hanafina Ny Tsy Fahazoany Fahafinaretana Mandritra Ny Firaisana Ara-nofo Ny Vehivavy Hoy Ilay Rosiana ‘Mpiaro Ny Ara-nofo’

Akon  08 Novambra 2016

Natsangana tamin'ny tenirohy #честныйоргазм ( "#OrgasmaMadio"), ny fanentanana vaovao natombok'i Elena Rydkina "mpiaro ny ara-nofo" mandrisika ny vehivavy mba hizara ny tantaram-piainan'izy ireo momba ny fotoana mody nahatongavan'ny tampom-pahafinaretana hanomezana fahafaham-po ny sakaizany tsy nahavita nanome fahafinaretana azy ireo noho ny tsirambina na tsy firaharahiana.