Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Jona, 2017
Ny Zavamaneno Avy Amin'ny Lafivalon'Izao Tontolo Izao
Lahatsary ahitana zavamaneno mahaliana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, anisan'izany ny zavamaneno vita amin'ny boaty namboarina sy tavoahangy soda plastika , ny fanehoana ny fomba hanamboarana ny didgeridoos , ary ny hira nentim-paharazana Rosiana lalaovina amin'ny vielle à roue.
Rosia: Tsikeran'ny Mpanao Bilaogy Iray Mahakasika ny “L’Associé”
Ovan'ireo mpanoratra ny andiany farany amin'ireo tantarana mpitsongodia. Ny tanjona - hisarihana ny sain'ny mpamaky mandritra ireo ora maro any anaty fiara fitaterana iombonana na eny amin'ny morontsiraka - nahomby tamin'ireo tranga roa ireo.
Shina : Miteraka “Fihazàna Trozona” Ny Saritaka Avy Amin'ilay Lalao Rosiana Famonoantena Amin'ny Aterineto

Tohizan'ireo mpomba ny governemanta ny fanentanana amin'ny fanakànana ilay lalao , ary efa lasa lavitra ny sivana amin'ny aterineto.
Mampitsahatra ny Tranokalan'ny Mpanivan'ny Fanjakana Rosiana Ireo Mpiady Anaty Akata Nomerika

Ny fomba namitahan'ny mpijirika ireo mpamatsy tolotra Aterineto tamin'ny nibahanany ny vohikala mpanivan'ny fanjakana.
‘Iza no Manana Sarintena “Selfie” Be Indrindra?’ Sambany Nihaona Tao Amin'ny Parlemanta Rosiana Ny Filankevitr'ireo Bilaogera

"Manana [sarintena] maherin'ny iray alina aho," hoy i Zhirinovsky nivazivazy. "Iza no manana betsaka noho izaho? Tsy misy!"
Mandoto Rindrina ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna Mialoha ny Hetsi-panoherana Kinasa Mandritra ny Fetim-pirenena Rosiana ny Mpijirika

Ny alina mialoha ny hetsi-panoherana miady amin'ny kolikoly manerana ny firenena , niditra an-tsokosoko tao amin'ny tranonkalan'ny Biraon'ny Mpampanoa Lalàna ao amin'ny faritra Yaroslavl ny mpisovoka ary nandefa hafatra.
Fahasamihafàna, Voasakana: Simban'ny Ady Masina Amin'ny Pelaka Ny Endrika Fandeferan'i Okraina

Koa satria miditra amin'ny herinandro farany ny Fifaninanan-Kira Eurovision amin'ity taona ity, nisy andohalambo miendrika avana miloko amin'ny ampahany natao ho fanamarihana ny teny fanevan'ilay hetsika, "Ankalazao ny Fahasamihafàna", nanidintsidina toa mampatahotra teny ambonin'ny afovoan-tanànan'i Kiev.
Mety Hanafoana Ny Lalànan'ny Lisitry Ny Bilaogera Tsy Nahomby I Rosia

Nampiditra lalàna manafoana ilay antsoina hoe ny "Lisitry ny Bilaogera" izay noforonina tamin'ny taona 2014, mikasika ireo bilaogera malaza miaraka amin'ny lalàna manokana ny mpanao lalàna Rosiana ao amin'ny Duma.
Miroso Amin'ny Fandraràna Ny Tsy Fitononana Anarana Amin'ireo Fampiasa Fandefasana Hafatra Ny Parlemanta Rosiana

Nankatoavin'ilay Kaomity momba ny Fampitàmbaovao sy ny Teknolojia ao amin'ny Domà ny volavolan-dalàna iray niteraka resabe izay mety handràra ny tsy fitononana anarana amin'ireo fandefasana hafatra ety anaty aterineto. Isisihan'ilay kaomity ao amin'ny Domà ny handinihana ilay volavolan-dalàna amin'ny famakiana azy voalohany
Mamela ny Ivoahan'ny Dokambarotra Ara-politika Ankehitriny Ny Tambajotra Sosialy Lehibe Indrindra Ao Rosia, Saingy Tsy Ho An'ny Rehetra Izany

Nandrarà ny dokambarotra ara-politika ny Vkontakte, tambajotra sosialy malaza indrindra ao Rosia, miaraka amin'ny famerana hentitra izay hitondra tombontsoa ho an'ny fijoroana ara-politika ao amin'ny firenena