Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Jona, 2014
Mondialy : Mody Ny Rosiana
Mampionon-tena ho ekipa mampalahelo amin'ny zava-bitany ny Rosiana.
Akanjo Ambony Poutine, Tsy Hay Tohaina Any Rosia
Tamin'ny herinandro lasa teo, mpamokatra lamaody roa, nanokatra toerana kely ao amin'ny toeram-pivarotana iray eo ivelan'ny Toerana Mena, mivarotra akanjo ambony midera an'i Vladimir Poutine. Tao anatin'ny iray andro, nahalafo 5 arivo isa izy ireo.
Però : Andro Fanapahankevitra Nampiatoan'ny Kaongresy Tamin'ny Asany Ireo Mpikambana 2 Mpanao Lalàna
Felaka roa navaivay tao amin'ny kaongresin'i Limà, naato tamin'ny asany hatramin'ny Oktobra ho avy izao i Gagó sy Uribe, mpikambana ao amin'ny kaongresy, taorian'ny tatitra roa samihafa navoakan''ny kaomisionan'ny parlemanta momba ny fomba ratsy voalaza fa fanaon'izy ireo.
Mety ho Alfred Kinsey-n'i Rosia Ve i Snowden?
Edward Snowden no Alfred Kinsey amin'ny vanim-potoanan'ny aterineto. Izany no nambaran'ilay mpanao gazety Rosiana Dmitri Goubine tamin'ny lahatsoratra bilaoginy tamin'ny herinandro lasa, mandinika izay mety ho fiantrakan'ny fanarahamaso faobe ataon'ny governemanta eo amin'ny fenitra ara-tsosialy hoavy.
Mivazivazy Amin'ny Fivoaran'ny Ekipam-pirenena Eo Amin'ny Fiadiana Ny Amboara Eran-Tany Ny Rosiana
Miresaka ny trangan'ny ekipa Rosiana avokoa ny rehetra, nefa ny tena mampivarahontsana dia ny fivoaran'ny ekipa izay ahitana ny mpilalaon'ny Real Madrid sy Barcelona.
Vinegret, Misy Mila? Mety Hanampy Anao Hahafehy Nahandro Rosiana Ireto Lahatsary 5 Ireto
Ny ankamaroan'ny sakafo Rosiana dia ampiarahana amin'ny pelmeni (henabaolina fonosina lafarinina), krepy, ary vodka. Fa hatramin'ny taranaka nifandimby, na izany aza, dia tia sy mahandro ireo karazana foto-tsakafo marobe mampiavaka azy ny Rosiana.
Eoropa : Mampahery Ny Rosiana Ny Fandresen'ny Hery Ankavanana
Raha toa ka mampitaintaina ny sasany ao amin'ny firaisambe Eoropeana io fiovana io, betsaka ny Rosiana no nandray izany samboaravoara ao amin'ny fisarahan'ny Eoropeana izany ho toy ny fanamarinana ny fihetsika manohitra ny Firaisambe Eoropeana ataon'i Maosko.
Nahatsiaro Saina i Schumacher, Mahita Hanihany Atao Ny Twitter Rosiana
Nanomboka ny 29 Desambra 2013 hatramin'ny 16 Jiona 2014, tao anatin'ny tsy fahatsiarovan-tena (coma) ilay mpamily rallye efa misotro-ronono Michael Schumacher. Rehefa nahatsiaro izy ary nandao ny hopitaly, nanararaotra ity tranga ity hamazivaziana ny fanatanjahan-tena sy ny politika ireo mpisera Twitter Rosiana.
Nilaza i Rosia Fa Nanery Ny Twitter Hamafa Kaonty Hosoka Ny Roscomnadzor
Nilaza ny i Roscomnadzor fa nanery ny Twitter hamafa kaonty hosoka milaza an'i i Vladimir Konstantinov ho mpanao politika Krimeana.
I Jen Psaki, Fahavalo Voalohan'ireo Rosiana Mpampiasa Aterineto
Lasa fomba fiteny ho fampiasàna ny zavatra rehetra ny hoe “Psaki”, ho an'ireo Rosiana rehetra tsy tia ny politika ivelany ampiasain'i Etazonia (indrindra fa ny fidirana antsehatry ny Amerikana any Okraina)