Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Janoary, 2023
Hiteraka disadisa ara-diplaomatika eo amin'i Kazakhstan sy i Rosia ve ny fijoroan'ny yurt iray ao Okraina?
Nipongatra tao Okraina ny yurt kazakh manome fanampiana mahaolona. Raha mahita izany ho fanohanana amin'ny fomba ofisialy an'i Kyiv dia namaly tamin'ny alalan'ny fanerena ny manampahefana kazakh i Moskoa.
Novalian'ilay Rosiana mpihira ilay hoe ‘Voninahitra ho an’i Okraina’. Tian-dry zareo hofoanana ny zom-pireneny ankehitriny
Nanohitra an-karihary ny ady nanomboka tamin'ny volana Febroary 2022 ilay mpihira Valerii Meladze. Ankehitriny dia mety hiharan'ny voka-dratsin'izany izy noho ireo teny sendra nambarany tao Dubai ho fanohanana an'i Okraina.
“Ho fahavalon'ny fitondrana Rosiana mandrakizay aho” hoy ilay TikToker ao Moldavia
Ity no tranga voalohany nijoroan'ny TikToker iray monina tany Rosia teo aloha manohitra ny fitondrana Rosiana ampahibemaso ary manohana an'i Okraina.
Nahatezitra ny governemanta tao Azerbaidjan ny tsy fahatongavan'ny iraisampirenena nitsidika ilay faritany antom-pifandirana teo aloha
Toa nanafintohina an'ireo manampahefana ny tsy fisian'ireo solontenan'i Etazonia sy Frantsa nandritra ilay hetsika natokana ho an'ny "famerenana amin'ny laoniny sy fanarenana" ireo faritany tafaverina amin'i Azerbaijan taorian'ny ady.
Undertones any Rosia: Ady, Fampielezan-kevitra, ny Tandrefana
Mizara ny sasany amin'ireo fitantarana matanjaka indrindra miparitaka any Rosia sy izay azontsika antenaina amin'ny taona 2023 ireo mpikaroka.