Okraina, Rosia: Personae Non Gratae

(Marihana fa efa nivoaka tamin'ny volana Mey 2008 ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy)

Tamin'ny 12 Mey, nambara fa persona non grata (tsy ankasitrahana) tao Okraina ny ben'ny tanànan'i Moskoa Yuri Luzhkov, noho ny fangatahany tamin'i Rosia mba haka an'i Sevastopol, Seranan-tsambo ao amin'ny Ranomasina Mainty Okrainiana. (Azo jerena ato sy ato ny tatitra tamin'ny GV.)

Tamin'ny 15 Mey, tsy navelan'i Rosia hiditra tao aminy i Vladyslav Kaskiv, iray amin'ireo mpitarika ny fihetsiketsehana tao Kyiv tamin'ny taona 2004 sy mpikambana ao amin'ny antoko Okrainantsika/Fiarovan-tenam-Bahoaka ao amin'ny parlemanta Okrainiana. Nankany Moskoa i Kaskiv mba handray anjara amin'ny fandaharana adihevitra amin'ny fahitalavitra, adihevitra hifanandrinany amin'ilay mpanao politika Rosiana Vladimir Zhirinovsky.

Mpisera LJ varfolomeev66, mpanao gazety Rosiana nampitaha ny raharaha roa tonta (RUS):

Feel the difference

Today, Ukrainian MP Kaskiv was not allowed to enter Russia. It appears to be a rather adequate response to Ukraine's decision to ban mayor Luzhkov.

But let's pay attention to the details and consider just how it was done in each of the cases.

1. […] Luzhkov had been warned in advance (in written form!) about unacceptability of “extremist speech.” […] Kaskiv was detained at the airport without any prior warning.

2. We know well about the reasons for attacks on […] Luzhkov: his doubts on whether Sevastopol belongs to Ukraine and his threats to annul [the 1997 Russian-Ukrainian “Big Treaty” on friendship and cooperation]. What […] Kaskiv is guilty of is not known, however; the official explanation only states that he “presents a threat to security” – but what's behind that?

3. […] Luzhkov's persona non grata status was announced by a totally real [Security Service of Ukraine] employee, Maryna Ostapenko. About […] Kaskiv, no official representative (whose actions could then be appealed] has made a statement, and all accusations against him were attributed to “sources” in the border control service and Sheremetyevo [Airport].

Doesn't look like a big deal. But in reality, it shows the principal differences between the two regimes. The Ukrainian one, where officials have to explain themselves to the public and the media, and take responsibility for their actions. And the Russian one, where state employees are free to take any decisions they like without providing any kind of coherent public explanations.

This, among other things, is why Ukraine is labeled as a “free country” in international rankings, while our [Russian Federation] is “not free.” All is obvious and justified. And it is very sad.

Fantaro ny fahasamihafana

Tsy navela hiditra ao Rosia ilay depiote Okrainiana Kaskiv androany. Toa valinteny sahaza tamin'ny fanapahan-kevitr'i Okraina handràra ny ben'ny tanàna Luzhkov izany.

Saingy tandremo mikasika ny antsipirihany ary jereo ny fomba nitrangan'ny raharaha tsirairay.

1. […] Nampitandremana mialoha (tamin'ny filazana antsoratra) i Luzhkov mikasika ny tsy fanekena ny “lahateny extremista.” […] Notanana tao amin'ny seranam-piaramanidina tsy nisy filazana mialoha i Kaskiv.

2. Fantatsika tsara ny anton'ny fanafihana […] Luzhkov: ny fisalasalany raha i Okraina no tompon'ny Sevastopol na tsia sy ny fandrahonany hanafoana ny [ “Fifanekena lehibe”  Rosiana-Okraina” 1997″ momba ny finamanana sy ny fiarahamiasa]. Tsy fantatra izay fahadisoan'i Kaskiv, na izany aza; milaza fotsiny ny fanazavana ofisialy fa “fandrahonana ho an'ny fiarovana izy” – saingy inona no ambadik'izany?

3. […] Nambaran'ilay mpiasan'ny Sampam-piarovana Okrainiana, Maryna Ostapenko ny maha persona non grata an'i Luzhkov. Momba an'i Kaskiv indray, tsy nisy solontena ofisialy nanao fanambarana, ary ny fiampangana azy rehetra dia avy amin'ny “loharanom-baovao” tao amin'ny sampana mpanaramaso ny sisintany sy ny [Seranam-piaramanidina] Sheremetyevo.

Tsy tahaka ny raharaha goavana. Saingy raha ny marina, mampiseho ny fahasamihafana lehibe eo amin'ny fitondrana roa tonta izany. Ny Okrainiana, izay tsy maintsy manome fanazavana amin'ny vahoaka sy ny haino aman-jery ny manampahefana, ary mandray andraikitra amin'ny zavatra nataon'izy ireo. Rosia indray, izay malalaka ny mpiasam-panjakana handray fanapahan-kevitra tian'izy ireo, tsy mila manome karazana fanazavana sahaza ho an'ny vahoaka.

Ankoatra ny zavatra hafa, izany no mahatonga an'i Okraina antsoina fa “firenena malalaka” eo amin'ny laharana iraisam-pirenena, raha “tsy malalaka” kosa ny [Federationa Rosiana antsika]. Miharihary sy voaporofo izany rehetra izany. Ary tena mampalahelo.

Ity ny sombiny tamin'ny adihevitra:

salatau:

And Kaskiv is like a saint, right?

varfolomeev66:

It's possible that he is indeed some terrible enemy of Russia. But I, as a citizen, would like to know: what kind of threat, exactly, he poses and what crimes he has already managed to commit. But there are no explanations. Perhaps, because there is simply nothing to accuse him of?

salatau:

Tahaka ny olo-masina i Kaskiv, sa tsy izany?

varfolomeev66:

Azo heverina tokoa hoe fahavalo mampatahotra an'i Rosia izy. Kanefa, amin'ny maha olom-pirenena ahy, te-hahafantatra aho: karazana fandrahonana inona, marina, no apetrany ary inona no heloka bevava efa vitany natao. Saingy tsy misy ny fanazavana. Angamba, satria tsy misy na inona na inona hiampangana azy?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.