Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Desambra, 2010
Rosia: Fanehoan-kevitra ao amin'ny aterineto mikasika ny fifandonana Koreana

Manaraka ny vaovao mikasika ny fifampitifirana nisy teo amin'ny Korea Atsimo sy Avaratra tamin'ny 23 Novambra ny olona any Rosia atsinanana, indrindra ny avy amin'ny faritr'i Primorsky Krai, indrindra ny olana amin'ny mety hisian'ny ady .
Shina: Fotoana ho an'ny adihevitra vaovao momba ny fitsabahana amin'ny fiainana manokan'ny olona
Miaraka amina fijery faobe sy angamba mivelatra be momba ny olana mivandravandran'ny fiainana manokan'ny olona, manontany i Rui Shen, poeta sady mpampianatra hoe: "Maro ny olona no tsy miombon-kevitra amin'ireo fepetra fiarovana ny seranam-piaramanidina izay mampiseho ny toe-batan'ny olona, izay raisin'izy ireo ho toy ny fitsikilovana tanteraka ny maha-izy azy manokana. Rehefa nijery ilay resadresaka tamin'ny vaovao, dia manontany tena aho hoe: olona tsy milamina ve sa mitapy ireny olona ireny?"