Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Marsa, 2017
Eken'ireo Mpanao Famotorana ao St. Petersburg Ny Hamerenana Mandinika ireo Fiampangàna Halabato

Tsy mateti-pitranga ao Rosia izany, fa neken'ny polisy ny hanadihady ny raharaha mety ho fisianà halabato nandritra ny fifidianana tamin'ny volana Septambra lasa teo.
Nanolotra Fiarovana Avy Amin'ny Fitsarana Eoropeana Ho An'ny Olona An'Arivony Ny Mpitarika Mpanohitra Rosiana

Nilaza i Alexey Navalny raha nitanisa ny fahombiazan'ny vondrony teo aloha fa tokony hahazoana onitra any amin'ny 10.000 euro ho an'ny olona tsirairay notànana tsy ara-dalàna sady ampandoavina lamandy ny fivoahana amin'io Alahady io mba hanaovana fihetsiketsehana miady amin'ny kolikoly.
Fitsidihana Foibe Iray Fitsaboana Aretin-tsaina Ao Moskoa

Vao haingana izay, nitsidika tovolahy iray tany aminà foibe fiahiana olon-dehibe ao Moskoa i Vera Shengelia, Rosiana iray mpanao gazety sady mpikatroka mafana fo ho an'ny fahasalamana ara-tsaina. Nampihorohoro azy ny zavatra hitany.
Tian'ny Vondrona Tanora Ao Amin'ny Parlemanta Rosiana Hirona Kokoa Amin'ny Fitiavan-Tanindrazana Ny Wikipedia

Ho avy any Rosia amin'io volana ambony io (Martsa) ilay fanentanana vaovao mitavozavoza tarihin'ny vondron'ny tanoran'ny governemanta antsoina hoe “Mandatehezana Virtoaly”, izay mikatsaka ny hanamboatra ny Wikipedia-n'i Rosia hirona kokoa amin'ny "fahamarinana sy ny fitiavan-tanindrazana."
Mijoro Ho An'ny Katedralin'I St. Isaac I St. Petersburg

Na dia eo aza ny fanalàm-baraka toa fandatsahan-drà isankarazany natao tamin'ny mpikarakara, sy ny famoretana avy amin'ny manampahefana mba hampihemotra azy ireo, mbola manohy mijoro hatrany ireo mpikatroka ao Saint Petersburg ho an'ny Katedralin'i St Isaac
Mahatsiaro ireo Pop Sovietika: Feo sy Zavamaneno (VIA) tao URSS

"Vesyolye Rebiata" , "Krasnye Maki", ary "Siniaia Ptitsa"—ireo no anisan'ny tarika vitsivitsy manjaka amin'ny mozika malaza Sovietika nanomboka ny taona 1960 ka hatramin'ny taona 1980.
Fampitandremana Sivana Nataon'i Rosia Tamin'ny Foibe Fampielezam-Peo, Nahatonga Tebiteby Vetivety

Haingana -sady vetivety- no niparitahan'ilay tebiteby momba ilay famoretana iray hafa atao amin'ny haino aman-jery Rosiana tamin'ny 10 Febroary rehefa novakian'ny vaovao fa nampitandreman'ny Roskomnadzor, mpiandry ny haino aman-jery avy amin'ny fanjakana, ny foibe fampielezam-peo Ekho Moskovy (Akon'i Maosko) fa mety hakatona.
Rosia : Miverina Ny Tahotra Eo Amin'ny Sehatra Politika, Mihevitra Ny Ho Voafidy Indray i Putine Amin'ny 2018

Lahatsary mahavariana marobe maneho firenena iray very ka manery mafy an'i Vladmir Putin mba hamerina fe-potoam-piasana iray no andrasana miaraka amin'ny fifidianana filoham-pirenena rosiana manaraka, amin'ny taona ho avy.
Dokambarotra Fiokoana Anaty Akata any amin'ny Metro no Ankalazan'ny Sosialista Rosiana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy

Nampiasa ny dokambarotra fiokoana anaty akata ny vondrona mpikatroka sosialista ao Saint Petersburg mba hanehoana amin'ny tanàndehibe ny fomba hafa hamantarana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy.
Miarahaba Anareo Nahatratra Ny Andro Iraisampirenena Ho An'ny Vehivavy Izahay Goverinoran'ny Federasiona Rosiana

"Araka ny loharanom-baovao ao Kremlin, avy any amin'ny faratampony ny baiko: hankalaza ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy "amin'ny fomba hafakely" ireo governora Rosiana."