· Avrily, 2010

Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Avrily, 2010

Polona: Fahoriana lalina tany anaty aterineto taorian'ny 10.04.2010

  22 Avrily 2010

Sylwia Presley dia mitatitra fa samy nanova ny loko lafiky ny tranonkalany lokon-davenona, mainty ary fotsy ny vavahadin'izy ireo avy ireo mpilaza vaovao amin'ny aterineto, ireo mpilaza vaovao ara-tsosialy, ireo tranonkalan'ny governemanta ary ny vavahadin'ny tranonkalan'ireo fikambanana Poloney erak'izao tontolo izao koa dia mba nanova ny loko lafiky ny tranonkalany lokon-davenona, mainty ary fotsy ho fanehoan'izy ireo ny fiaraha-miory amin'ny firenena.

Rosia: Fipoahana volokano niteraka fifanampiana sy hanihany

Akon  21 Avrily 2010

Roa andro izay dia naneho ny heriny Ramatoa Natiora tamin'ny alalan'ny fipoahan'ny volokano tany Islande nomena anarana tsy fantatra hoe “Eyjafjallajökull” ary nameno setroka be ny lanitry Eoropa. Arakaraky ny hikisahan'ny rahona miantsinanana dia seranam-piaramanidina maro no mikatona, mitarika any amin'ny fitotonganan'ny zotra rehetra manerana an'i Eoropa. Ny mpitoraka bilaogy rosiana – voakasik'ity loza...

Polonina: 10 aprily 2010 Sabotsy mainty, Andro fisaonana

  17 Avrily 2010

Satria isika mbola mamakivaky tanteraka ao anatin’ny 24 ora voalohany amin'ny fangirifirian’ny firenena Poloney, maneho hevitra mikasika ny zava-nitranga io maraina io ireo fampahalalam-baovao ara-sosialy isan-karazany, raha namoy ny Filoham-pireneny sy olo-manan-kaja hafa miisa 95 i Polona.

Polonina: Maty tamin'ny fianjerana voromby tany Rosia ny filoha Kaczyński – Fihetsika voalohany

  10 Avrily 2010

Nahatratra ny tontolon'ny bolongana iray manontolo, ka hatrany amin'ny  gazety malaza ankehitriny ny vaovao nianjeran'ny voromby nitondra ka nahafaty ny filoha Lech Kaczyński sy ny vadiny ary ireo tompon'andraiki-panjakana ambony tany andrefan'i Rosia androany maraina. Nizotra ho any Katyn ny filoha, handray anjara tamin'ny fotoam-pahatsiarovana ny fandripahana tao ana'alan'i Katyn nandritra...

Rosia: Eritreritra manodidina ny politika sy baomba nipoaka t@ metro

Akon  05 Avrily 2010

Herinandro izay no lasa taorian'ireo baomba nipoaka tamin'ny 29 Marsa tany amin'ny metrô-n'i Moskoa, izay nahafatesana olona 40 sy naharatrana olona mihoatra ny 100. Indreto apetraka eto ambany eto ny singa vitsivitsy amin'izay adihevitra ataon'ny mpamaham-bolongana miteny Rosiana amin'izao fotoana izao. mpampiasa ny LJ matiutia no nanoratra (RUS) momba ny fifanenana...