Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Avrily, 2019
Nihantsy ny fampahalalam-baovao tsy miankina ny fampahalalam-baovaom-panjakana Rosiana noho ny fampiasana teny ‘tsy mitanila’ amin'ny tati-baovao momba ny ady amin'ny mpampihorohoro

Nandrehitra ny adihevitra momba ny fiteny "tsy maha-olombelona" tamin'ny tati-baovao momba ny fampihorohoroana ny siokan'ny RT. Niaro ny fanapahan-kevitry ny RT ireo mpomba ny fanjakana amin'ny fampiasana ny teny toy ny hoe "nofongorina" sy ny tsikerany tatỳ aoriana tamin'ny gazety izay tsy mampiasa izany.
Venezoela: Fifampiraharahana momba ny angovo nokleary miaraka amin'i Rosia
Tantosa soa aman-tsara ny fanantenana nateraky ny fitsidihany noho ny fifanarahana hanangana toby toerana atomika 500 megawatt. Haharitra 10 taona eo ho eo ny fanorenana ilay toerana. Venezoela no firenena Amerikana Latina voalohany hanasonia fifanarahana momba ny angovo atomika amin'i Rosia.
Rosia: Miresaka ny tsingerintaona faha-20 nirodanan'ny rindrin'i Berlin ny bilaogera

Folo taona taorian'ny nianjeran'ny Rindrin'i Berlin, tsy dia maro ireo bilaogera Rosiana mahatsiaro, mankalaza sy miresaka ity zava-nitranga ara-tantara izay antsoin'ny sasany hoe "zava-nitranga tena manan-danja indrindra tamin'ny tantaran'ny taonjato faha-20." Ho an'ny ankamaroan'ny bilaogera Rosiana 'ny firodanana' dia fahatsiarovana avy amin'ny fahazazana / fahatanorana, zavatra angano fa tsy tena marina.
Naneho hevitra momba ny horohorontany tany Haiti ny bilaogera Rosiana

Horohoron-tany mahery vaika tany Haïti no nanjary loza voalohany manerantany tamin'ny taona 2010. Na dia lavitry ny loza aza ireo bilaogera Rosiana, dia nirohotra naneho ny fanohanan'izy ireo [RUS] ho an'ireo niharam-boina tamin'ny horohorontany. Tsy ela dia nanjary iray tamin'ireo lohahevitra noresahana be indrindra tao amin'ny RuNet ny zava-doza tao Haiti.
Rosia: Tantara tsangana “handrafetana indray” ny fahafatesan'ilay mpisolovava Magnitsky

Mitohy ny adihevitra momba ny fepetram-pamonjana, nateraky ny fahafatesan'i Magnitsky - ary azo inoana fa hiditra amin'ny dingana vaovao izany: eo am-pamolavolana ny tantara izay "handrafetana indray" ny horohoron'ny ora farany niainan'i Magnitsky i Mikhail Ugarov (mpisera LJ m_u), mpilalao sarimihetsika mahatsikaiky sady tale ara-java-kanto ao amin'ny Teatr.doc (RUS), teathra ao Moskoa.
Rosia: Bilaogera nosamborina noho ny tsahotsahon'ny pesta

Nosamborina tamin'ny 3 Desambra i Ivan Peregorodiev, mpianatra mpitsabo sady bilaogera 22 taona noho ny fanaparitahany tsaho momba ny pesta areti-tratra ao an-tanànan'i Saratov. Nampangain'ny manampahefana ho nampiely vaovao tsy marina mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana izy.
Fandosirana avy any Okraina, na ny fodian'ny mpampihorohoro Voatabia

Roa taona lasa izay, saika roa taona katroka androany mihitsy, nanoratra tao amin'ny [Global Voices Report] momba ny fampiasana "mpampihorohoro voatabia" Andrei Morozov, fantatra kokoa amin'ny hoe Murz, mpanakorontana ao amin'ny RuNet izay nahazo laza voalohany tamin'ny taona 2005 aho: