Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Desambra, 2015
Rosiana Bilaogera: Voasazy Hifonja Dimy Taona Noho Ny “Kabary Fankahalàna”
Voaheloka noho ny kabary fankahalàna sy antso ho amin'ny fanaovana an-tendrony tety anaty aterineto i Vadim Tyumentsev, Rosiana bilaogera avy ao Tomsk, ary nahazo sazy famonjàna mandritry ny dimy taona noho ireo lahatsary nakàriny tao amin'ny Youtube sy VKontakte.
Tantara fito tato amin'ny Global Voices be mpamaky indrindra nandritra ny taona 2015 (teny anglisy)
Tsy vitan'ny hoe nahasarika ny mpamaky indrindra ireto tantara manaraka ireto fa an-jatony ireo nizara, naneho hevitra, nankasitraka azy ireo tao amin'ny media sosialy sy ny haba-tranonkalanay.
Namoaka ny rafitra fanaraha-maso ny media an-tserasera mandeha ho azy hitadiavana ireo votoaty eksitiremista ny Rosiana mpiandraikitra ny sivana
Tany alohaloha tany ny Roscomnadzor efa naminavina hanara-maso ny aterineto rosiana iray manontolo ijerena votoaty eksitiremista saingy tsy nahefa noho ny tsy fahampiam-bola ka dia ny seha-baovao an-tserasera ihany no hifantohana
Volavolan-dalàna Vaovao Hamela An'i Rosia Tsy Hiraharaha Ny Fanapahankevitra Iraisampirenena Momba Ny Zon'olombelona
Ilay lalàna vao lany vao haingana dia afaka hanome alalana ny Fitsaràn'ny Lalàmpanorenana Rosiana hanova ireo fanapahankevitra momba ny zon'olombelona iraisampirenana avoaka ho an'i Rosia, manome alalana an'i Kremlin mba hiala amin'ireo adidiny momba ny zon'olombelona iraisampirenena.
Fantaro ireo olona te-hanaisotra ireo lalàna manimba ny fahalalahana ao Rosia
Misy vondrona avo ara-pianarana sy manampahaizana rosiana iray nanangana vaomieram-bahoaka manao ho asa fototra ny famakafakana ny lalàna rosiana hamaritana hoe inona amin'ireo lalàna misy no mametra ny zo sy ny fahalalahan'ny Rosiana, ary manoro hoe inona ny lalàna tokony esorina.
Nolazain'ny Filohan'ny Roscomnadzor Fa ‘namindra ny lohamiliny’ ho ao Rosia ny Google sy ny Apple
Aleksandr Zharov, filohan'ny sampana mpanaramaso ny fampitam-baovao rosiana no nilaza tamin'ny mpanao gazety fa eo "ampiasaka amin'ny fametrahana fangitra ny rakitahiriny ao amin'ny sisintany anatin'i Rosia" ny Google sy ny Apple amin'izao fotoana izao, saingy nolazainy fa "tsy ofisialy" ny vaovao.
Rosiana Mpikatroka Mafàna Fo Voasazy Taona Roa Noho Ny ‘Antso Hanao Hetsika Mahery’ Nalefany Taminà Tambajotra Sosialy
Nohelohin'ny fitsaràna iray tao amin'ny distrikan'i Krasnodar i Darya Polyudova, mpikatroka iray mafàna fo, noho ny "antsony ho an'ny daholobe nataony tao amin'ny media sosialy hirona amin'ny fisaraham-bàzana sy hanao mahery fihetsika", ka nanasazy azy handia taona roa tany amin'ny toby iray fanefàna sazy (fanarenana).
Fanisanandro feno sary saka nalaza haingana tao amin'ny Fiangonana Ortodoksa Rosiana
Ny fanisanandro “Pretra + Saka” no valiny ataon'ny Rosiana Ôrtôdôksa amin'ny Calendario Romano Italiana, mampisongadina ireo pretra Katôlika tanora sady bôgôsy sy ny fanisanandro feno saka I gatti di Roma.
Tapaka Ny Hevitr'Ilay Lehilahin'ny Vaovaon'i Kremlin Fa Fotoana Izao Hitenenana Hoe “Daesh” Fa Tsy “ISL”
Nanjohy ny adihevitr'izao tontolo izao ny mediam-panjakan'i Rosia mikasika izay hiantsoana ny Al Qaeda izay tonga mba hifehy ny faritra maro ao Iraka sy Siria.
Ireto No Nokarohan'ny Mpiserasera Rosiana Tao amin'ny Google Tamin'ny 2015
Nandritra ny herintaona, nidera ny Eurovision sy ny fanatanjahantena hockey ny mpiserasera aterineto Rosiana, saingy nisaona ireo Rosiana malaza namoy ny ainy ihany koa ary nanaraka ireo zava-nitranga mampalahelo tany Ejipta sy Frantsa, araka ny tahirin-kevitra tamin'ny tatitra nataon'ny Google.