(Marihina fa tamin'ny 16 Jolay 2008 no nanoratana ny lahatsoratra teny anglisy)
“Join United Russia!” (Tongava manatevin-daharana ny Rosia Mitambatra) [ loharanon-tsary ]
Namoaka lahatsoratra fohy nahatonga fanehoan-kevitra mahaliana vitsivitsy i Ilya Barabanov, mpanao gazety sady mpanoratra ao amin'ny New Times ary mamahana bilaogy mahafinaritra ao amin'ny LJ amin'ny anaran'ny mpisera barabanch roa herinandro lasa izay :
A young lady came to interview for a job with a friend of mine.
She's a [Young Russia] activist.Under “Professional Accomplishments” [on her resume] the first and only line read “Participated in the inauguration of [the Russian president] Dmitry Anatol'evich Medvedev.”
Tonga ny vehivavy tanora iray mba hiantsafa hitady asa tamin'ny namako iray.
Mpikatroka [ Tanora ao Rosia ] izy.Eo amin'ny “Zava-Bita Miavaka Eo Amin'ny Sehatry ny Asa” [tao amin'ny CV], dia toy izao ny fivakin'ny andalana tokana voalohany “Nandray anjara tamin'ny fanokanana an'i [ny filoha Rosiana] Dmitry Anatol'evich Medvedev.”
Fanehoan-kevitra roa hita tao amin'ny lahatsoratra:
avdeev [mari-piatoana sy sora-baventy araka ny lahatsoratra ôrizinaly ]:
tena mampihomehy, kanefa nisy ny fotoana nitrangan'ny zavatra toy izany
ohatra tao amin'ny RGGU [ Oniversitem-panjakana Rosiana miompana amin'ny Maha-Olombelona ] dia nanaiky ho mpikambana ao amin'ny antoko [ Rosia Mitambatra ] izay ao anatin'ny fandaharam-pianaran'ny sekoly ambony izy ireo, ary tena sarotra ho an'ny olona izay tsy mbola nohadihadian'ny birao ny miditra ao […] nanoro hevitra ireo namako roa ny departemanta akademika fa alohan'ny hametrahany ny fangatahana hiditra amin'ny sekoly ambony dia tokony hitsidika ny biraon'ny Rosia Mitambatra ao an-toerana aloha izy ireo , satria mety kokoa sy tsara ny manao izany mialoha.nolazaina izy ireo tao amin'ny birao fa mila mamoaka lahatsoratra momba ny tena fitiavan-tanindrazana, izany hoe [Rosia Mitambatra], sy ny fitiavako hanatevin-daharana ny antoko, noho izany dia nilaza tamin'ny [Rosia Mitambatra] izy ireo fa handeha any an-toerana izay efa fantatrareo, ary napetrak'izy ireo ihany ny fangatahana na izany aza, ho hitantsika izay hitranga amin'ny volana Septambra
***
***
Tsy azonao.
[naka andinin-teny tao amin'ny tranonkalan'i Viktor Shenderovich (eto), izay hita ihany koa fa toa naka andinin-teny avy tamin'ny karazana fandraisana an-tsoratra ]:
Raha niresaka tao amin'ny [fandaharana fifanakalozan-kevitra manokana mikasika ireo “vato vaovao Rosiana nasondrotry ny tany” tao amin'ny “Paikadin'ny Zaikabe 2020 “], dia niantso ny mpandray anjara ho amin'ny fifanakalozan-kevitra i [ Vladislav Surkov ] mba ‘hilaza ny atao hoe vato rosiana nasondrotry ny tany. “Ho valin'izany, nanome soso-kevitra tamin'ny fanoratana ny “lisitry ny vato nasondrotry ny tany” ny mpanatontosa Andrei Fomin , ary nanamarika i Andrei [Korkunov], izay tale jeneralin'ny orinasan'ny vatomamy Odintsovo fa efa misy ny lisitra toy izany, ary nanasongadina ny lisitry ny mpandray anjara tao amin'ny fanokanana ny filoham-pirenena tao Kremlin izy.