Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Desambra, 2011
Rosia : Fihetsiketsehana Tamin'ny 10 Desambra tao Vladivostok
Mbola mahabe adihevitra hatrany ao Rosia ny fifidianana solombavambahoaka vao haingana sy ny vokam-pifidianana izay fantatra fa nisy hosoka. Na dia teo aza ny filazana ireo hosoka sy hala-bato niseho...
Rosia : Fandinihana Ny Mety Ho Hamafin'ny Korontana Amin'ny Hetsi-panoherana Ny Asabotsy Androm-pifidianana
Koa satria ny toe-draharahan'ny voka-pifidianana Rosiana sy ny momba ireo mpanao fihetsiketsehana voatazona manerana ny firenena dia mbola tsy voavaha, dia mponina avy amin'ny tanàna maro no niomana hanao fihetsiketsehana ny Asabotsy 10 Desambra 2011.. Alexey Sidorenko dia nandinika ny isan'ireo vondrona anaty aterineto sy ny mety ho fiantraikan'ireo hetsi-panoherana.
Rosia : Ny Fitroaran'ireo “Hamsters”-n'ny Aterineto
Ny ampitson'ny androm-pifidianana, ireo Rosiana dia nivondrona mba hikomy ho fanoherana ny hosoka tamin'ny fifidianana. Na dia ho very seza 77 aza ny Antoko Rosia Mitambatra (United Russia) oharina amin'ny Duma teo aloha, araka ny vokatra vonjimaika, ny ankamaroan'ireo mpikomy dia mihevitra ilay fifidianana ho sady tsy madio, no tsy malalaka.
Rosia : Androm-pifidianana Rakotry ny DDoS
Tonga ny androm-pifidianana ny parlemanta Rosiana. Ary miaraka amin'izany, ny fanafihana amin'ny DDoS sy ny hosoka. Fanadihadian'i Alexey Sidorenko
Rosia : Teny Farany Mialoha Ny Fahanginana Alohan'ny Fifidianana
Zoma 2 Desambra no andro farany maha-ara-dalàna ny fampielezan-kevitra. Nizara ny heviny momba ilay fifidianana ho avy ireo bilaogera - ary ny tetik'izy ireo ho amin'ny fifidianana. Alexey Sidorenko no nanao ny fanadihadiana
Rosia: Fitaovana Fakàna Horonantsary Miafina Nampiseho Fampielezan-kevitra Tsy Ara-dalàna Tao An-tsekoly.
Ny zava-niseho nateraky ny fakàna sary miafina tao an-tsekoly tany Krasnoyarsk, Siberia dia naneho olana manan-danja any amin'ny sekoly Rosiana: ny mpampianatra manohana ny antoko eo amin'ny fitondrana, ny United Russia.