Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Novambra, 2018

22 Novambra 2018

Rosia: Drug Drugu, Fanatanterahana Nofinofy amin'ny Alalan'ny Tambajotra Sosialy

Akon'ny RuNet

Tolotra iray miodina amin'ny fanirian'ireo mpampiasa azy ny Drug Drugu (rohy maty) [ru] ("Ho ahy sy Ianao"). Tsy afaka mangataka fanampiana fotsiny ireo mpikambana ao anatin'ny vondrompiarahamonina fa mila manome ny fanampiany ihany koa. Mifantoka aminà bokotra roa ny hetsik'ireo mpampiasa: "Maniry" sy "Afaka."

12 Novambra 2018

Belarosy, Rosia: Lavanty Fanaovana Asa Soa Anaty Aterineto Ivarotana Olona

Akon'ny RuNet

Tsy vaovao ny fanaovana ny lavanty ho fitaovana fanangonam-bola eo amin'ny tontolon'ny fanaovana asa soa -- varotana amin'ity fomba ity avokoa ny zava-drehetra miainga amin'ny sary hosodoko ka hatrany amin'ny fitsidihana miavaka. Misy mihitsy aza ireo mivarotra olona: lavantinà sakafo hariva miaraka amin'olomalaza sy sakafo maraina miaraka aminà mpandraharaha.

09 Novambra 2018

Nampandoa onitra goavana ho an'ny tranonkala tsy miankina iray ireo mpandrindra ny media Rosiana

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

"Midika mazava fa bankirompitra sy fanakatonana avy hatrany ho an'ny gazetiboky izany."

06 Novambra 2018

Zeorzia-Rosia : Ady anaty Aterineto

Ankehitriny, ady no eto amin'ity fanaovana karajia ity, Rindrin'ny tsy fahaizana mifankahazo, fifanomezana tsiny, fiampiangàna, fifanompàna ary ilaozan'ny olona izy, toy ny mpitsoaponenana. Androany, iray tamin'ireo olona fantatro no nanoratra tamiko hoe nialàny ilay vondrona. Toy ny hoe tsy misy intsony ny fitiavana sy ny fanembonana ny omaly. Androany, lasa...