Tantara mikasika ny Rosia tamin'ny Marsa, 2015
Iza No Namono an'i Nemtsov? Ireo Mpitandro Filaminana Tchéchène Sa Ny An'ny Kremlin?
Ny fiampangàna ny Tchécthène tamin'ny famonoana an'i Nemtsov ary ireo fanehoan-kevitra avy tamin'i Ramzan Kadyrov tao amin'ny Instagram dia manamafy ny fielezan'ny hevitra hoe novonoina noho ny fanohanany ny Charlie Hebdo i Nemtsov. Fa mbola mijanona ho tsy resy lahatra amin'izany ny Aterineto Rosiana.
Bilaogera Amerikana Notoloram-Bola Hamoaka Propagandy Rosiana
Ny zava-mampihomehy, i Swanson sy ny blaoginy dia manohana ny fomba fijerin'ny pro-Rosiana, ka izay no mahatonga ilay zava-nitranga ho nandiso fanantenana azy tanteraka eo imasony.
Ankizivavy Okrainiana, 8 Taona, No Niharam-Doza Farany Tamin'ny Ady
Ny Alatsinainy teo, fiara mifono vy iray no nihanika nandeha tamin'ny sisin-dàlana ka ankizivavy 8 taona no maty tao anatin'ilay zava_doza, izay niteraka korontana tao Konstantinovka, tanàna iray atsinanan'i Okraina.
Famakafakana Ny Tantara Mitohy Samy Mitondra ny Lohateny hoe “Tanindrazana” eo amin'ny Filma Amerikana sy ny Filma Rosiana
Nijery ny fizarana voalohany i Vadim Elistratov avy ao amin'ny TJ ary manazava ny antony maha-sarotra ialàna ny tsy fahombiazan'ny fanamboarana ny tantara hifanaraka amin'ny zavamisy rosiana, saingy hita fa matahotra ho mivaona be loatra amin'ny ôriginaly ireo mpamorona ny tantara, ary nisy fiantraikany tamin'ny tantara mitohy Rosiana izany.
Mitombo Avo Roa Heny ny Fangatahan'ny Governemanta ao Rosia Hanaisotra Vontoaty, Hoy ny Tatitry ny Facebook
Nanakana vontoaty 55 tao Rosia ny Facebook hatramin'ny Jolay 2014, izay nifototra tamin'ny fitakian'ny manampahefana Rosiana raha oharina tamin'ny fanakanana vontoaty 29 tontosa nandritra ny tapany voalohan'ny taona 2014)
Okrainiana Mpanao Gazety Voafonja, Ny Rosiana Mpitandro Filaminana Ao Krime No Maka Am-bavany Azy
Noànan'ireo manamboninahitr ny FSB tao Krimea ary nalainy am-bavany ny mpanao gazety iray ao amin'ny Ivontoeran'ny Asa Fanaovana Gazety Fanadihadiana avy ao Simferopol, mifandray amin'ny resaka fanadihadiana heloka bevava momba ny "fiantsoana ny vahoaka ho amin'ny fisaratsarahana"
Tafaverin'ireo Mpikatroka Nomerika Amin'ny Toerany Ny Grani.Ru Sy Ireo Tranonkalam-baovao Hafa Voasivana
Mampiasa ny teknikan'ny didom-pitaratra manamaro isa ny fidirana amin'ireo habaka sivy voasivana sy hametraka ny dindony ao anatin'ny lohamilin'ireo orinasa goavan'ny aterineto ny mpikatroka hahamora ny fidirana aminy
Rahonan'ny Roscomnadzor Hakatona Tanteraka Ny Rakipahalalàn'ny RuNet
Mikasa ny hibahana ireo pejy miresaka " fampiasàna zava-mahadomelina sy vetaveta atao amin'ankizy" ao amin'ilay Lurkmore.ru rakipahalalàna momba ny kolontsaina ao amin'ny RuNet ny alika mpiambina ny fifandraisana Rosiana, saingy dia ilay tranonkala manontolo no hobahanany noho izy io mampiasa ny "protocols" https
Mianatra Ao Amin'ilay Anjerimanontolo Niarahaban'ny Lefitry ny Zokiolona Ny Famonoana Nanjo Azy Ny Zanak'i Nemtsov
Namoizan'ny lefitry ny zokiolona ny asany tao amin'ny Ivontoerana momba ny Fizika sy ny Teknolojia ao Maosko ny fanehoankevitra veta nataony tao amin'ny VKontakte momba ny famonoana an'i Boris Nemtsov.
Tsy Voasazy Ny Fanitsakitsahana Ny Lalàna Momba Ny Bilaogera Ao Rosia
Hatramin'ny nampanan-kery tao Rosia ilay 'lalàna ratsy laza momba ny bilaogera', fito volana lasa izao, 67 no fanitskitsahana azy voarakitry ny Roscomnadzor, saingy tsy iray monja ny bilaogera voasazy noho ny fanafintohinana na fahadisoana ara-pinoana.